Raha ny tantara manoloana ny sihosihon-dresaka momban’y fanalana anay tompotany sy mponina mipetraka sy monina efa tao alohan’y fanjanahan-tany eto @ nosy Sakatia.
Dia manambara etoana izahay fa mitombina ny ahiahinay ary mihorohoro izahay ankehitriny. Raha nagnambara anefa ny Minisitry ny fanajariana ny tany vao tsy ela koa izay @ tsy fisian’ny fanalana anay mponina eto @ nosy dia diso tanteraka izany ankehitriny.
Ny 03 Aprily 2025, tamin’ny 10 Ora maraina, dia nidina teto @ nosy Sakatia ny delegasiona OMC.
Gaga izahay mponina nahita ireto olo-be miaraka @ mpitandro filaminana maromaro.
Rehefa nilaza izy Andrimatoa Préfet fa mila miala eto @ nosy Sakatia izahay mponina ampahany izay ao Ampasindava fa hisy titikasa ho atao ka taitry izahay vahoaka ary velom-panontaniana.
Marihina fa tsy nitondra taratasim-panjakana manamarina ny fanesorana anay mponina ireo OMC tonga teo fa filazana am-bava sy fampitahorana tsotra izao no fandraisanay izany.
Fantatray fa maro ny dingana tokony arahina rehefa misy tranga toy izao izay vao voalaza mazava ny lalàna.
Koa manoloana izany fandrahonana izany, hanala anday anay @ tanindrazanay izany dia :
Manao ANTSO VONJY aminareo hery velona rehetra misy eto Madagasikara izahay satria dia toy ny atody miady amam-bato. Matsiaro ho very zo tanteraka izahay satria dia ny fiainanay iray manontolo sy ny hoan’ny taranakay no potika tanteraka manoloana izao tranga izao.
Hoy Ny Mponina eto amin’ny Nosy Sakatia
Sonia
03 Aprily 2025