Hatramin’ny nandraisan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’ny Madagasikara (PRRM) ny fitondrana dia tsy mitsahatra maneho ny fandavany marin-drano ny Vara Mada ireo vahoaka voakasiky ny tetikasa, izay tonga nihaona tamin’ny PRRM teny an-dapan’Iavoloha mihitsy tamin’ny 15 Desambra 2025 namerina ny fitakiany ny fanajanonana io tetikasa io. Vao hita koa ireo vahoaka nilanja sora-baventy maro mitaky an’izany tamin’ny dian’ny PRRM tany Toliara tamin’ny 17 aprily 2026 teo. Ary tsy vitan’izany ihany, fa tamin’ny 18 aprily 2026 ny PRRM dia namangy fahoriana ny fianakavian’Itompokolahy Benefice izay maty voatifitry ny zandary teo am-panoherana ny tetikasa Vara Mada tamin’ny 13 septambra 2025.
Manoloana izany zava-misy sy fanehoan-kevi-bahoaka izany anefa, araky ny vaovao nivoaka androany[1] dia nifanaraka mikasika ny tetikasa Vara Mada ny Praiminisitra Malagasy sy ny Sekreteram-panjakana lefitra Amerikana nandritry ny fihaonany tany Washington. Niresaka ihany koa izy ireo momba ny fiaraha-miasa mivelatra kokoa amin’ny ho avy mba hiarovana ny tarajam-pamatsiana mineraly stratejika toy ny terres rares ho an’ny firenena Amerikana, sady hampidirana an’i Madagasikara ao anatin’ny rojom-pihariana (chaînes de valeur) eran-tany momba ny fiarovana sy ny teknolojia[2].
Izany vaovao izany dia manamarina ny siosion-dresaka milaza fa efa manaiky ny fanatanterahana ny tetikasa Vara Mada ny PRRM, satria tsy sahy manohitra ny ezaky ny fitondrana Amerikana hampihatra fanjanahana ara-ekonomika na eto Madagasikara na any amin’ny firenena hafa izay manana ireo mineraly stratejika izay ilainy toy ny Ukraine sy ny Repoblika Demokratikan’ny Congo.
Raha toa ka marina tokoa fa nanao izany fanekena izany ny PRRM, dia mampiseho ny finiavany hanitsakitsaka ny fitakian’ireo vahoaka voakasika ny fanajana ireo zo fototra izay ananany amin’ny tanin-drazany, ny foto-pivelomany, ny fahasalamany, ary ny tontolo sy ny rohivoahary iainany. Midika koa izany fa nisafidy tsy misy fihambahambana izy hanao sorona ny tombotsoa sy ny fiandrianan’ny vahoaka Malagasy amin’ny harem-pirenena voajanahary ao amin’ireo toerana fitrandrahana.
Izany rehetra izany no atao dia mba hanamafisana ny famatsiana angovo sy mineraly stratejika an’ny fanjakana Amerikana, izay nanapa-kevitra fa hiaro ny mponina sy ny tontolo iainana ao aminy mba tsy ho tratry ny vokadratsin’ny famokarana terres rares, ka hanondrana izany loza manambana rehetra izany any amin’ny fokonolona sy ny rohivoahary ao amin’ny distrikan’i Toliara I sy II.
Tianay koa ny mampahatsiahy ny PRRM sy ireo manam-pahefana mahefa rehetra, fa amin’ny olom-pirenena izay nametraka azy eo amin’ny fitondrana no ananany tamberin’andraikitra voalohany indrindra, sady izy ireo ihany koa no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanajana sy fiarovana ary fanatanterahana ny zon’ireo olom-pirenena ireo hisafidy ankalalahana tanteraka izay tetikasa fampandrosoana sahaza azy.
Farany, izahay izay manao sonia ity Fanambarana ity dia manamafy ny firaisanay hina tanteraka amin’ny Fokonolona voakasiky ny tetikasa Vara Mada, izay tsy hanaiky hatramin’ny farany ny fitrandrahana fasimainty sy monazite ao amin’ny fokontany misy azy, ary vonona hitaky hatrany ny zony handà ny fanaovana an’io tetikasa io izay handrava ny fivelomany sy ny tontolo iainan’ireo taranaka any aoriana.
Natao androany faha-21 Aprily 2026
· Centre de Recherches et d’Appui pour les Alternatives de Développement – Océan Indien (CRAAD-OI) ; craad.madagascar@gmail.com ; http://craadoimada.com
· Collectif pour la Défense des Terres Malgaches – TANY ; patrimoine.malagasy@gmail.com ; https://terresmalgaches.info/
· Concret-S / Human Rights ; https://concret-s-humanrights.com
· Femmes en Action Rurale de Madagascar (FARM) ; farmmadagascar@gmail.com; https://web.facebook.com/farmadagascar
· Réseau des Jeunes pour le Développement Durable (RJDD) ; rjdd.madagascar@gmail.com ; https://web.facebook.com/RJDDMadagascar
· Fikambanan’ny Masikoro Arivolay Antananarivo (FI.MA)
· Fikambanan’ny Fiherena Manombo Mangoko (FI.FI.MA.MA).
· Komity Fanorenana Ifotony an’i Madagasikara (KFIM)