Nampanofain’ny Fanjakàna malagasy mandritry ny 30 taona tamin’ny orinasa Tozzi Green ny tany ao amin’ny Kaominina telo anatin’ny faritra Ihorombe. Maro ny fandalinana nampiseho ny tsindry sy fitapitaka samihafa nampiasain’ny manam-pahefàna isa-tsokajiny nahatonga ny mponina voatery namela ny taniny ho ampiasain’ny orinasa. Nisy ny nandà hatramin’ny farany. Misy amin’ireo nanaiky kosa no milaza fa manenina ankehitriny.
Vaovao karazany roa manan-danja no nahazoana tatitra avy any an-toerana ka hampahafantarina ny rehetra.
MAMPIASA TSINDRY NY ORINASA SY NY MANAM-PAHEFANA REHEFA NANDA TSY HIAMBNA NY VOLY HAZON’NY ORINASA NY MPONINA
Namory manokana ireo ampahan’ny mponina ao Satrokala nanaiky nanome azy tany hatramin’ny fotoana nahatongavany ny orinasa, tamin’ny volana Jona, ary nisy vahiny vazaha tonga nanatrika ny fotoana. Rehefa nanomboka ny resaka dia nilaza ny solontenan’ny orinasa fa hampiandraikitra ny mponina ny fiambenana ny ala tsy hisy handoro sy hiantoka ny fandriampahalemana anatin’ny faritra misy voly hazo no anton’ny fivoriana. Ka ny anton-dian’ireto vahiny tonga nanatrika dia hanamarina fa manome toky ny mponina fa hanao izany. Tsy nanaiky ny mponina ary nilaza fa ny antony nahatongavany namaly ny fiantsoana dia nanantena izy ireo fa hanome ny onitra nampanantenaina azy tamin’ny taniny nalain’ny orinasa no anton’ny fivoriana. Nilaza ireo vahiny fa mbola hiverina ao aoriana hanaraka ny tohiny sy hamantatra ny vahaolana hifanarahan’ny mponina sy ny orinasa.
Niverina indray namory ny fokonolona tao Satrokala ny orinasa tamin’ny volana Aogositra mha hampiandraikitra azy ny fiambenana ny voly hazo. Tsy ny solontenan’ny orinasa no tonga tao sy niteny fa ny Ben’ny Tanàna sy ny Procureur ary ny Commandant du Groupement de Gendarmerie. Tsy niteny tsy nivolana ny mponina satria natahotra ireto manam-pahefàna isa-tsokajiny.
Torak’izany koa no niseho tao amin’ny Kaominina Andiolava : ny Ben’ny Tanana sy ny Commandant-n’ny Brigade de Gendarmerie Andiolava no nampivory. Nitovy ihany ny anton’ny fivoriana voalaza sy ny fahanginan’ny mponina.
Nampita taminay fikambanana ao amin’ny firaisamonim-pirenena ny mponina fa efa ela no nametraka tamin’ny orinasa ny ahiahiny momba ny mety ho fitomboan’ny tsy fandriampahalemana rehefa haniry sy hiroborobo ny vokatry ny fambolen-kazo. Nampanantena « drones » sy fiambenana ny orinasa manoloana izany ahiahy izany. Saingy hatramin’izao, araky ny mahazatra, tsy tanteraka ny fampanantenana fa ny mponina indray no asaina miandraikitra ny fiambenana nony mirongatra tokoa ny tsy fandriampahalemana any anatin’ny voly hazo amin’ny faritra midadasika.
Tsy tokony hadika ho fanekena ny fahanginan’ny mponina
Asa izay niheveran’ireo vahiny fa dikan’ilay fahanginan’ny mponina. Fomba tsy dia fanao aty amin’ny firenen-kafa ny mitondra manam-pahefàna sy lehiben’ny zandary rehefa misy orinasa mamory ny mponina satria manamarika fanindriana sy fampitahorana izany. Gaga ihany angamba ireo vahiny nahita ny fisehon-javatra ka asa inona ny fanazavàna nomena azy. Tsindry sy fampitahorana no niainan’ny mponina ilay fitondràna zandary sy manam-pahefana ka nampitainy sy nozarainy taminay.
Koa anisan’ny antony hizaràna izao vaovao izao, dia hilazàna amin’ny vahiny fa tsy marina velively amin’ny Malagasy ilay fomba lazaina amin’ny teny frantsay hoe rehefa tsy miteny dia manaiky no dikany (« Qui ne dit mot consent »).
Voalohany, efa nandà ny mponina tamin’ny fivoriana voalohany saingy niverenana toy ny hoe tsy avela raha tsy manaiky. Faharoa, niarahantsika nahita teo amin’ny tantara ary mbola porofoin’ny hetsika notarihin’ny tanora tao Antananarivo taminy 25 septambra ka mihitatra amin’ny tanàna samihafa, fa rehefa mangina toa miari-pery ela ny mponina malagasy dia tsy midika izany fa manaiky izy, satria miitraotra izy rehefa ela ny ela. Fahatelo, nitondràn’ny Ben’ny Tanàna olombe avy ao amin’ny Zandary sy ny Fitsaràna ny mponina mba tsy ho sahy handà. Saingy tapa-kevitra fa tsy hanaiky dia nangina. Tsy misy lalàna ve eto Madagasikara mandrara ny manam-pahefàna tsy hitanila hiandany amin’ny orinasa manoloana ny vahoaka ?
Ahiana ho tafiditra tao amin’ny zotra fanaovana tombana ny voly hazo ataon’ny orinasa Tozzi Green ao amin’ny faritra Ihorombe alohan’ny ahazoany alàlana momba ny « crédit carbone », ireo fivoriana nisy vahiny ireo.
Ity resaka « crédit carbone » ity moa eo amin’ny lafiny iraisam-pirenena dia fomba iray hitan’ny orinasa sasany hampitomboana ny hareny, miankina amin’ny filazàna fa hampihena ny fiovaovan’ny toetr’andro ny fambolen-kazo. Eo anilan’izay dia tohizany ihany ny fitrandrahana sy fanohizana ny asa fanaony izay mandoto ny tontolo iainana ka mampitombo be ny ari-pana sy ny hai-tany ary ny loza voajanahary eran-tany. Nisy mpandalina maro nanoratra tamin’ny taona 2024 fa betsaka ny fitapitaka ao anatin’io tsenan’ny karbôna io. Hiverenana ao aoriana kely io. Fa ny eto Madagasikara aloha hatramin’izao dia ny fitomboan’ny fakàna ny tanin’ny mponina an’arivona hekitara any amin’ny faritra samihafa no vokatra tena hita. Tsy misy mihitsy ny fihenan’ny hai-tany hatreto, hoy ny mponina iray.
MISY MPIANDRAIKITRA VAOVAO NY ORINASA TOZZI GREEN MITOETRA AO SATROKALA IHOROMBE
Tamin’ny 23 sy 30 septambra teo no nisy fivoriana niantsoan’ny orinasa an-tsoratra ny mponina ao Satrokala indray. Rehefa tsy tanteraka ny fivoriana ny faha-23 septambra dia raikitra kosa izany ny faha-30 septambra.
Efa am-bolana maro no niala tao Satrokala ny Italiana, mpiandraikitra ny orinasa, sy ny ekipany teo aloha, fa nosoloina mpiandraikitra miendrika olona avy any Azia, izay tsy nazava ny tena fiaviany. Tamin’ity fivoriana ity vao nampahalalàna ny mponina fa Pakistane ilay Tale vaovao.
Ankoatr’io fampahafantarana ny mpiandraikitry ny orinasa vaovao ao an-toerana io dia nisy fampilazàna fa hisy fanadihadiana momba ny lafiny sosialy sy fiarian’ny mponina ary ny ara-kolotsaina hataon’ny orinasa ka Malagasy no hitety tanàna hanao ny fanadihadiana. Fahitàna ny hetsika mafanafana ao Antananarivo sy ny tanàna any amin’ny faritra hafa ve no niteraka tahotra sy ahiahy ny hitomboan’ny fanoheran’ny mponina ka nanosika ity hevitra vaovao sy nahagaga ity, rehefa tsy nanokana fotoana hamantarana akaiky ny momba ny mponina nalainy sy nampiasàny ny taniny nandritry ny 13 taona ny orinasa Tozzi Green ? Sa mihazakazaka hitady feon-dakolosy hafa hampanenoina ny orinasa satriaefa akaiky hamoaka ny vokatry ny fandalinany ireo mpikaroka avy amin’ny Oniversite Eropeana iray tonga nanao fanadihadiana momba ny fiantraikan’ny zavatra ataon’ny orinasa Tozzi Green amin’ny fiainan’ny mponina, tamin’ny volana martsa 2025, taorian’ny lahatsoratra naparitak’ireo mpanao gazety italiana izay tonga nijery ny zava-misy taty an-toerana tamin’ny taona 2024 ?
Efa nametraka fitarainana aty ivelany ny fikambanana malagasy sy eropeanina momba ny orinasa Tozzi Green tamin’ny oktobra 2023 noho ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona sy ny tsy fanajana ireo fepetra takian’ny OCDE (Organisation de Coopération et de Développement Economque) amin’ny orinasa maro rantsana tamin’ny fotoana nambolen’ity orinasa ity katsaka tamin’ny faritra midadasika. Tamin’ny volana mey 2024 kosa dia nisy taratasy misokatra, nalefa tamin’ny fanjakàna italiana sy ireo banky eoropeanina nanohana ny orinasa ara-bola, momba ny tsy nakàn’ity orinasa ity ny hevitry ny fikambanana tao amin’ny kaomina Ambatolahy mahakasika ny tetikasa fambolen-kazo
Lahatsoratra maromaro no hisesy mahakasika ny zava-miseho any amin’ireo toerana efa nampanofain’ny mpitondra fanjakàna ny tanin’ny mponina, tamin’ny orinasa, tompontany na vahiny, amin’izao vanim-potoana voalaza fa anaty kion-dàlana izao ny firenena.
11 oktobra 2025
Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy – Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY patrmoine.malagasy@gmail.com, https://terresmalgaches.info, facebook : TANYterresmalgaches