Ho an’Andriamatoa Andrea TOZZI sy Davide GIACHERO
Andriamatoa Tale isany
Voarainay ny valinteninareo momba ny Taratasy Misokatra tamin’ny 16 Mey 2024, ka napetrakay ho hitan’ny daholobe amin’ny alàlan’ny rohy ao amin’ny tranokalanay sy ny pejy Facebook :
https://terresmalgaches.info/IMG/pdf/Reponse_de_la_societe_Tozzi_Green_a_la_lettre_ouverte.pdf
Ny taratasy misokatra naelinay tamin’ny 16 Mey dia nikendry ny hanameloka ny fampitahorana mifandray amin’ny fomba tena nampiahiahy sy tsy azo ekena izay nampiasain’ny olona nanatanteraka asa ho an’ny orinasanareo. Ny filazana ny zava-mitranga any ifotony dia resaka mangarahara sy fampahalalam-baovao, fa tsy fomba hanaratsiana ny orinasa eo anatrehan’ny saim-bahoaka, araka ny voalaza ao amin’ny taratasinareo taminy 23 mey.
Ny fanapahan-kevitra handefa manamboninahitry ny zandarimariam-pirenena hiaraka amin’ny tompon’andraikitry ny fifandraisan’ny orinasa amin’ny besinimaro any amin’ny fivoriana miaraka amin’ireo vondrom-piarahamonina dia tena miteraka ahiahy sy fanakianana. Ny fahatsapan’ireo mpandray anjara dia nazava fa nikendry ny hanovàna ny hevitr’izy ireo momba ny fandàvany ny tetikasa no antony nanaovana izany. Mety ho tsy fantatrareo ny toe-javatra any an-toerana. Ka mamelà ahy hanazava fa ny fampiharana ny lalàna sy ny filaminam-bahoaka no andraikitry ny zandary : ny fisian’izy ireo sy ny fandraisany anjara, na dia mpanelanelana aza, dia mampieritreritra avy hatrany fa heverina ho nanao heloka bevava ny vondrom-piarahamonina. Indrindra moa fa ny asan’ny zandary mahazatra dia ny fanaovana fanadihadiana ao anatin’ireo dingana voalohany lalovana amin’ny zotran’ny fitsaràna rehefa avy nametraka fitarainana ny iray amin’ireo ankolafy mifanatrika. Ankoatr’izay dia ny biraon’ny zandarimaria ao Andiolava no voatendry tany am-boalohany hanaovana ny fihaonana tamin’ireo vondrom-piarahamonina, talohan’ny nangatahan’izy ireo ny hamindrana izany teny amin’ny tananan’ Ambatolahy.
Mikasika ny fanasàna tamin’ireo fivoriana fampahafantarana momba ny tetikasa fambolen-kazo, dia milaza ianareo fa “tamin’ny volana oktobra 2023, nasaina an-tsoratra sy nampahafantarina araka ny tokony ho izy ny tompon’andraikim-panjakana rehetra ao amin’ny faritra sy ireo manam-pahefana eo an-toerana, na ara-panjakàna na tsia, ary ireo karazan’olona rehetra any amin’ny faritra voakasika sady nampahafantarina ny fahafahana mandray anjara sy manitatra ny fanasàna amin’ny …”
Niresaka tamin’ny mponin’Ambatolahy izahay ka nilaza izy ireo fa tsy mbola nahazo fanasana an-tsoratra tamin’ny fivoriana “fakan-kevibahoaka” nokarakarain’ny orinasa sy/na manam-pahefàna eo an-toerana mikasika ny tetikasa fambolen-kazo mihitsy. Ary nanontany ny mpiara-monina sy ny manodidina azy izy izay nilaza koa fa tsy mbola nahazo fanasana an-tsoratra mihitsy. Manontany tena ny mponina ao Ambatolahy hoe firy ny fivoriana nokarakaraina teny Ambatolahy ho an’ny « fakan-kevibahoaka » momba ny tetikasa fambolen-kazo, firy ny olona nandray anjara ary inona no vokany, ny heviny.
Ankoatra izay, henonay tamin’ny fikambanana Entraide et Fraternité fa teo am-pamaliana fanontaniana manokana napetraka taminy ny banky BIO dia nanambara fa “fivoriana fakan-kevibahoaka” momba ny tetikasa fambolen-kazo miisa 11 no nokarakaraina nandritra ny volana oktobra 2023. Notsipihin’ny ny BIO fa ho an’ny fivoriana 10 amin’ireo 11 ireo dia natao am-bava ny fanasàna, mifanohitra amin’ny voasoratra ao amin’ny taratasinareo izany.
Farany, eo amin’ny faran’ny pejy voalohany amin’ny taratasy tamin’ny 23 mey, dia manoratra ianareo fa “nandritra ny fampahafantarana ny tetikasa” dia nanao ny zava-drehetra mba hahazoana ny fandraisan’anjaranay (Collectif TANY), “saingy indrisy fa tsy nahomby”. Raisinay ny andraikitra hanambara fa ny hany zava-misy mety hitovy amin’ny fangatahana fandraisana anjara voalaza dia ny fangatahana fihaonana voaray avy amin’Andriamatoa Eric Suttor avy ao amin’ny banky BIO, talohan’ny diany nanatanteraka iraka tany Madagasikara tamin’ny febroary 2023. Tamin’izany fotoana izany, dia nangataka an’i Eric Suttor ny Collectif TANY hifampiraharaha amin’i Tozzi Green mba hanesoran’ny orinasa ny fandraràna ny mpisolovava Luca Saltalamacchia tsy hizara amin’ny Collectif TANY ny vaovao sy antontan-taratasy momba ny tetikasa any Ihorombe izay nalefan’ny orinasa taminy. Noho ny tsy fisian’ny fanomezan-dàlana, izay nohamafisin’i Tozzi Green an-tsoratra, dia tsy nety nihaona tamin’i Eric Suttor ny Collectif TANY taloha sy nandritra ny diany tany Madagasikara. Afaka nihaona sy nifanakalo hevitra tamin’i Eric Suttor kosa aho avy eo nandritra ny fivoriana tany Bruxelles tao amin’ny biraon’ny BIO niaraka tamin’ireo mpiara-miasa ao amin’ny Entraide et Fraternité tamin’ny volana jona 2023.
Eto am-pamaranana dia tianay ny manipika fa ny vondrom-piarahamonina any Ihorombe, indrindra fa ny ao Ambatolahy voaresaka amin’ity taratasy ity, no tena voakasika. Ny Collectif TANY sy ny fikambanana hafa dia maneho ny firaisankinany amin’ny fiarovana ny taniny sy amin’ny fampiroboroboana ny fambolena ara-pianakaviana tantanan’ny tantsaha. Rehefa ilaina dia mitondra fandraisana anjara koa izahay mba ahatonga ny feon’ny vondrom-piarahamonina any Ambatolahy, ho ren’ny rehetra, anisan’izany ny mpiandraikitra ambony ao amin’ny orinasa Tozzi Green sy ny vahoaka.
Noho izany, ny hevitra tohananay sy atolotray dia ny hanontanianareo mivantana ny fokonolona any Ambatolahy hoe inona no fomba mety indrindra aminy momba ny fanasàna amin’ny fivoriana sy ny lohahevitra hafa, sady tsy sakanana izy ireo hiresaka izany amin’ireo fikambanana hafa manohana azy ao Madagasikara sy aty ivelany.
Efa nilaza taminay izy ireo fa ny faniriany dia ny hiavian’ny tompon’andraikitra ambony ao amin’ny orinasa hiresaka aminy mha hahatonga ny mpitantana any amin’ny foiben’ny orinasa hahazo vaovao mivantana sy tsy misy fanovàna. Ny fivoriana toy izany dia azo antoka fa ahafahanareo mahafantatra ny zavatra rehetra efa niainan’ireo vondrom-piarahamonina teo aloha, na mialoha na mandritra na taorian’ny fivoriana nokarakarain’ny solontena samihafan’ny orinasa, ka mahatonga ny sasany amin’ny mponina tsy te-handray anjara amin’ny fivoriana karakarain’ny orinasa Tozzi Green intsony.
Voarainay tsara ny fanekenareo fa ny fomba fiasa misy fanelanelanan’ny “Point de Contact National” no fomba ahafahana miresaka tsara kokoa momba ny zon’ny vondrom-piarahamonina sy ny fanomezanareo toky fa hanaja ireo zo ireo.
Koa eo am-piandrasana ny fanelanelanana ho avy, dia manao veloma anareo am-panajàna.
4 jona 2024
Amin’ny anaran’ireo fikambanana niara-nanasonia ny taratasy misokatra
Amin’ny anaran’ny Collectif TANY
Mamy Rakotondrainibe