Inona marina no kasaina hatao ao Nosy Mitsio ? Nitsidika ilay nosy ny 25 Septambra 2026 ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ambony avy amin’ny Fanjakana sy ny Faritra DIANA, ary nisy tetikasa fizahantany goavana naseho tamin’ny mponina. Kasaina havadika ho toerana fizahantany mirenty mitovy amin’i « Dubai » i Nosy Mitsio, ary voalaza fa homena mpandraharaha vahiny ny tora-pasika sasany. Manoloana ireo fanontaniana momba ny mpampiasa vola, ny hoavin’ny tanin’ny mponina, ny fahafahan’izy ireo manatona ny ranomasina ary ny fiantraikan’ny tetikasa amin’ny tontolo iainana, dia mitaky mangarahara tanteraka sy fiarovana ny zon’ny mponina ao Nosy Mitsio izahay.