Tompokolahy sy Tompokovavy,
Voatana atao andrimaso ao amin’ny zandarimaria ao Ambilobe nanomboka tamin’ny zoma 7 febroary ka hatramin’izao ny namanay Jaokamisy Andriantsidiso
Nanomboka tamin’ny alatsinainy 10 febroary dia notanana ao amin’ny biraon’io zandarmaria io ihany koa ny mponina 5 – AKRAM, BETOMBO, HASSAN, FAHARDINE, MAHAMODO – avy any Nosy Mitsio ary mety ho hadiadiana androany.
Tsy mbola tena mazava ny anton’ireo fisamborana sy fitanana atao andrimaso ireo. Heverinay fa misy ifandraisany amin’ny fiarovan’ny mponina ao Nosy Mitsio ny taniny.
Mangataka ny hamoahana ireo mpiaro ny tanin’ny mponina ireo tsy misy hatak’andro izahay.
Ary manasa ny olompirenena tsirairay hanara-maso ny vaovao mikasika ity toe-draharaha ity.
12 febroary 2025
Collectif TANY