Tompokolahy, Tompokovavy,
Niakatra fitsaràna taminy 6 martsa ireo 6 mirahalahy mianaka avy any Nosy Mitsio sy Ambilobe mpiaro ny tanin’ny mponina any ifotony.
“Nanambara na nanaparitaka vaovao tsy marina” no antony nisamborana azy ireo
Afaka madiodio noho ny fisalasalana izy enina mirahalahy mianaka.
Koa sady maneho hafaliana izahay no misaotra sy mankasitraka ireo olona sy fikambanana maro nanohana azy ireo tamin’ny fomba samihafa.
Mirary soa indrindra Tompoko.
19 martsa 2025
Ny Collectif TANY