Antso avo ho an’ny FANAFAHANA TSY MISY FEPETRA an’i Madame Berthine ELIGNESOA ao AMBAHILIKY sy ireo mponina mpamboly namany

ANTSO AVO HO AN’NY FANAFAHANA TSY MISY FEPETRA AN’i Madame Berthine ELIGNESOA ao AMBAHIKILY sy IREO MPONINA MPAMBOLY NAMANY ANY BAS-MANGOKY 
Distrika Morombe – Faritra ATSIMO ANDREFANA
Zaraina amintsika ny fanambaràna voaray avy amin’ireo fikambanana any an-toerana androany tolakandro, izay somary tara ny fanaparitahana azy satria niandry ny filazan’ny zandary ny anaran’ny olona nitory sy ny antony nisamborana an’i Madame Berthine. Heno izao harivariva nefa fa misy filazàna hafa avy ao amin’ny zandary momba ny anaran’ny nitory sy ny fiampangana.
Koa vao maika hamafisina ny fitakiana ny fanafahana tsy misy fepetra manoloana izany Hampitàna amintsika hatrany ny fivoatry ny raharaha 9 Mey 2026