Ny tranga tsy nanpoizina sy tsy azo ekena hita nandritry ny fitsidihina tetikasa karbôna “Fiarovana” ala honko tany amin’ny faritra DIANA – Newsletter n°300 (MLG)

Nanao fanadihadiana teny ifotony momba ny tetikasa « Ma Honko », tantanan’ny orinasa Bôndy, tany amin’ny faritra DIANA izahay ato amin’ny Collectif TANY. Nandritra ny fitsidihana natao tamin’ny 18 ka hatramin’ny 25 Oktobra 2026 tany Anjiabe, Bobasakoa ary Antranokarany, dia nahitana fahasimban’ny ala honko, fahafatesan’ny zana-kazo nambolena ary fanapahana hazo sy famokarana saribao. Naneho ny alahelony koa ireo mponina noho ny tsy fahafahany mandray anjara amin’ny fitantanana ireo harena voajanahary ireo tahaka ny teo aloha. Manoloana ireo zava-misy ireo sy ny tombontsoa nampanantenaina nefa mbola mampametra-panontaniana, dia mitaky fanamarinana teny ifotony, mangarahara ary famerenana ny fitantanana ny harena voajanahary amin’ny vondrom-piarahamonina izahay. Mampametra-panontaniana lalina ny tena anjara asan’ny tsenan’ny karbôna amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny zon’ny mponina eto Madagasikara ireo tranga ireo.