Ihorombe : manohy ny tolona hiarovana ny taniny manoloana an’i Tozzi Green ny mponina – Newsletter n°298 (MLG)

Any Tampon’Ihorombe, manohy ny tolona hiarovana ny tanin’omby sy ny lova navelan’ny razana ny mpiompy sy ny mponina. Nanamafy ny firaisankinany sy ny fahavononany hiaro ny taniny manoloana ny fanangonan-tany ataon’ny orinasa Tozzi Green izy ireo nandritra ny Fetin’ny Mpiompy Omby. Etsy ankilany, niteraka fanontaniana ny fitsidihan’ny solontenan’ny Ministeran’ny Tontolo iainana tany amin’ireo kaominina misy ny fambolen-kazo kasaina hamokarana « crédit carbone », satria maro amin’ireo mponina sy fikambanana ao an-toerana no milaza fa tsy nasaina tamin’ireo fivoriana sy fakàna hevitra.