EFA FOANA NY FIFANARAHAN’NY ORINASA GREEN MADA LANDTAMIN’NY FANJAKANA MALAGASY MOMBA NY NOSY SAKATIAka tokony tsy hanakorontana ny mponina ao intsony ity orinasa ity – Newsletter n°257 (MLG)

 Ny didim-pitondrana laharana faha-27 227/2019-MAHTP nivoaka tao amin’ny gazetim-panjakàna laharana 3028 tamin’ny 23 desambra 2019 dia nanafoana ny fifanarahana momba ny fampanofan’ny Fanjakàna malagasy ny Réserve Foncière du Domaine Public d’Ampasindava-Sakatia izay antsoina matetika hoe Réserve Foncière Touristique (RFT) (*) tamin’ny orinasa Green Mada Land (GML). Mazava izany fa tsy manaja lalàna ny hetsika rehetra ataon’ny orinasa Green Mada Land hanaovana ampihimamba io RFT ao Nosy Sakatia io.

Izany tokoa angamba no manery ity orinasa andefa mpanao gazety sy olona hafa tsy fantatra andraikitra ao anivon’ny Green Mada Land, namory olona tao Nosy Be. Taminy zoma 8 aogositra, dia ireo olona ireo, niaraka tamin’ny solontenan’ny rafitra maro avy amin’ny rafim-panjakàna, no nivory niaraka tamin’ny solontenan’ny mponina ao Nosy Sakatia, izay nilazana hoe « tsy maintsy tonga mivory miaraka amin’ny orinasa ».

Rehefa nanambara ilay mpanao gazety tao am-pivoriana fa ho avy any Nosy Sakatia ny orinasa hanatitra fanomezana jiro sy fanafody ary fitaovam-pianarana dia nandà mafy ny solontenan’ny mponina mba tsy hanaterana ireo fanomezana ireo satria « tsy zazakely ka homena bonbons.». Marihina fa samy tsy nisy fandraisana anjaran’ny fanjakàna sy ny kaominina velively, na ny fanamboarana sy fampandehanana ny toeram-pitsaboana, na ny fampijoroana sy fikarakaràna ny sekoly ao Nosy Sakatia.

Niziriziry ihany anefa ny tompon’andraikitra samihafa nanatitra ireo fitaovana tany Nosy Sakatia ny alatsinainy saingy sady tsy namonjy ny fivoriana nantsoina momba izany ny mponina no tsy nandray ireo fanomezana ny toeram-pitsaboana sy ny sekoly. Tsy afaka mitonona ho solontenan’ny mponina ireo olom-bitsy nandray ireny fanomezana ireny.

Manohy miaro ny taniny ny fokonolona ao Nosy Sakatia na dia mitohy vakana aza ny fampitahorana mifandimby amin’ny fanambatambazana, izay ampiasain’i Green Mada Land sy ireo tompon’andraikim-panjakàna manohana ny orinasa. Voahitsakitsaka ny Lalàna sy ny Zon’ny mponina na eo amin’ny taniny na eo amin’ny fahafahana mahafantatra momba izay tetikasa hatao eo amin’ny nosindrazany. Minia mikipy sy tsy mihaino ny mponina mihitsy i Green Mada Land sy ireo manam-pahefàna.

Mampitolagaga ny fanohanan’ny manam-pahefàna sasany ilay orinasa ! Mampiheritreritra lalina ny fihetsik’ireo manam-pahefana any an-toerana, manohana an’i Green Mada Land tsy hanara-dalàna.

Tsy maty manota angaha sady ambonin’ny lalàna ny orinasa Green Mada Land manoloana ity didim-pitondràna taminy 2019 nanafoana ny fifanarahana momba ny fampanofàna tàny mandritry ny 50 taona teo amin’ny orinasa sy ny Fanjakàna malagasy ity ?

Manao antso avo amin’ny Governemanta hampihatra an’io didim-pitondrana noraisiny io.

Santionany amin’ny tsindry mavesatra sy hetsika fanerena samihafa ataon’ny orinasa Green Mada Land sy ny tompon’andraikim-panjakàna sasany amin’ny mponina ao Nosy Sakatia ireo voalaza ireo ka mampahafantatra izany amin’ny Governemanta malagasy sy ny vahoaka malagasy manontolo ary ny vahoaka eran-tany no asa heverin’ny Collectif TANY fa andraikiny.

18 aogositra 2025

Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY / Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy

patrimoine.malagasy@gmail.com ; https://terresmalgaches.info ; Facebook : TANYterresmalgaches ;

X ex-Twitter : @CollectifTany ; Instagram : collectif tany ; BlueSky : @collectiftany

(*) Ny didim-pitondràna faha-13458/2000 taminy 7 desambra 2000 no nanorina ho « réserve foncière à vocation touristique » ny 11ha37a72ca tao Ampasindava Sakatia.
Ary ny didim-pitondràna faha-1764/2009 taminy 21 janoary 2009 no nanitatra izany ho 17ha37ca81a ny velaran-tany manontolo.