Taorian’ny nanendren’Ingahy Andry Rajoelina Praiministra vaovao dia nisy nanambara fa tsy fantatr’olona ilay Jeneraly. Nanana andraikitra lehibe tao amin’ny fitondràna sy governemanta maro teo aloha anefa izy, araky ny efa voalaza, ary ny tena mahafantatra azy tsara dia ny mponina amin’ny tokantrano 300 mahery mipetraka eo amin’ny 500 hekitara ao Ampalaha-Soavinandriana-Itasy izay nesorin’ny fianakavian’Ingahy Praiministra voatendry farany teo tamin’ny taniny. (1)
Hamafisina ity antso efa nisy nanomboka tamin’ny herinandro lasa ity satria rehefa hanavao ny rafitra sy fomba fitantanana ny firenena ny vahoaka malagasy dia tsy tokony ho olona efa fantatra fa mampitondra fahoriana ho an’ny tanàna iray manontolo nanjary tsy afa-mivelona ara-dalàna ary tsy afaka mampianatra ny zanany intsony no omena andraikitra, raha rariny sy hitsiny ho an’ny rehetra, filaminana eo amin’ny fiaraha-monina ary fampandrosoana ho an’ny firenena no kendrena fa tsy fampahantrana.
Maro ny olana lehibe nandritry ny fitondràna Rajoelina mahakasika ny fakàn’izay matanjaka ny tanin’ny mponina tato ato. Tokony hatsahatra sy foanana izany !
Fantaro sady araho ny zava-misy tsy dia lavitra an’Antananarivo ao Ampalaha, Soavinandriana, faritra Itasy .
Nilaza fa nividy ny tany ao Ampalaha tamin’ny voanjo ny Ministra teo aloha Ruphin ka nifanolana tamin’ny mponina marobe efa nipetraka sy namboly teo am-polotaona maro. Nandeha niasa tany ivelany nandritry ny taona maro izy ka nanohy ny fiainany nanabe voho ny tany sy namboly teo ny mponina. Rehefa niverina teto an-tanindrazana izy dia nasainy niala ny mponina. Niakatra fitsaràna izany ary nandalo figadràna ny mponina sasany nitolona ho fiarovana ny zony satria natanjaka ireo nifanolanana (2). Niafara tamin’ny volana Janoary 2019 tamin’ny fanomezan’ny Ministry ny Fitsaràna “pourvoi dans l’intérêt de la loi” – PIL – ho an’ny tombotsoan’ny mponina izany (2). Vao nijoro anefa ny fitondràna Rajoelina dia nofoanan’ny tompon’andraikitra ilay PIL ary nanoratra « Cri du cœur » – Antson’ny fo – ho an’ireo fikambanana nanohana ny mponina Andriamatoa Zafisambo. Nisy mpikaroka frantsay nanara-maso ity raharaha ity nandeha niresaka tamin’i Jeneraly Zafisambo ka norahonany ho toriany raha mbola manohy manoratra momba ilay zava-miseho (3).
Amin’izao fotoana izao, misy orinasa iray mampiasa ny ampahan’ny tany ary misy ampahany ampanofain’ny fianakaviana amin’ny mponina sasany teo izay manome azy ampahan’ny vokatra. Marihina fa misy ampahan’ny tany lehibebe ihany izay mipetra-potsiny.
Ankoatr’izay, misy làlana mamakivaky ny tanimboly, izay efa fampiasa hatramin’ny fahagola-tany, mampifandray ny tanàna, raràn’izy ireo ny fandehanana aminy. Mijaly sy mihorohoro ny mponina araka izany satria mampiasa ireo miaramila i Jeneraly hiandry ny làlana ka izay tratrany mandalo eo dia ampanaovin’izy ireo asa an-terivozona.
Manoloana ny fahoriana mianjady amin’ireo mponina dia niverina nangataka PIL ny mponina tamin’ny volana marsa 2025 ka nahita fa ao anivon’ny fitsaràna dia fonon’ny dossier sisa no voatahiry fa nanjavona daholo ny antontan-taratasy votoatiny.
Ao anatin’ny tolona lehibe sady manan-kasina atrehin’ny Malagasy amin’izao fotoana izao, dia manohy ny fampanenoana lakolosy mahakasika ny fakàna sy fanaovana ampihimamba ary fangoronana ny tanin’ny mponina amin’ny fomba tsy ara-dalàna sy tsy ara-drariny teo aloha sy ankehitriny ary eo an-dalam-panatanterahana ny Collectif TANY.
Ka miray feo amin’ny mponina ao Ampalaha izahay
– mangataka mba ho olona manaja tanteraka ny Zon’olombelona no omena andraikitra eto amin’ny firenena manomboka izao ;
– manantena fa hiverina ho hita ny antontan-taratasy rehetra tao amin’ny fitsaràna ;
– ary mangataka ny hamerenana amin’ny laoniny ny zon’ny mponina ao Ampalaha – Soavinandriana – Itasy.
15 oktobra 2025
Ny fikambanana TANY miaro ny tany malagasy – Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY
patrimoine.malagasy@gmail.com, https://terresmalgaches.info, facebook : TANYterresmalgaches ;
X ex-Twitter : @CollectifTany; Instagram: @collectiftany; BlueSky: @collectiftany
Rakitra nisintonana hevitra :
- https://www.studiosifaka.org/articles/actualites/item/8391-un-litige-foncier-impliquant-la-famille-du-nouveau-premier-ministre-a-soavinandriana-itasy.html
- https://andriamananoro.net/communique/declaration/7383-itasy-ampahala-soavinandriana-liberez-les-9-detenus-provisoires-.pdf ;
https://www.facebook.com/TANYterresmalgaches/posts/newsletter-133-fr-solidarit%C3%A9-des-intervenants-sur-le-foncier-sif-collectif-pour-/2890777540947140/ - https://theconversation.com/a-madagascar-laccaparement-des-terres-peut-prendre-des-formes-diverses-129248
- https://www.lemonde.fr/afrique/article/2020/01/16/a-madagascar-comme-partout-sur-le-continent-les-elites-africaines-accaparent-les-terres-fertiles_6026104_3212.html