Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika


Accueil > Newsletters > Filazam-baovao faha-109

Filazam-baovao faha-109

publié par Admin 2, le mercredi 2 janvier 2019

Toutes les versions de cet article :

Resadresaka tao amin’ny TV5Monde, 26 desambra 2018 :

NY MALAGASY DIA TENA MILA NY TANINY HO AN’NY FIANDRIANANY ARA-TSAKAFO (*)

Nidhya Palliakara : Fifidianana Filohan’ny Repoblika any Madagasikara : rahampitso alakamisy no ho lazaina ny valiny ofisialy. Araky ny vokatra nivoaka voalohany dia toa i Andry Rajoelina no mitarika. Ary ny mpifaninana aminy, Marc Ravalomanana, toa efa tsy manaiky ny vokatra sahady. Filoham-panjakana teo aloha roa no mifanandrina amin’ny fifidianana nefa, folo taona lasa izay, efa nifanandrina izy ireo mikasika ny fandrobana sy fangoronana tany fambolena tany Madagasikara. Ny fambolena dia lokan’ady goavana ao amin’ity Nosy Lehibe ity izay miaina any ambanivohitra ny 78 isan-jaton’ny mponina ao aminy. Miaraka amintsika androany hiresaka izany ny filohan’ny Fikambanana TANY miaro ny tany Malagasy, Mamy Rakotondrainibe. Miarahaba anao.

Mamy Rakotondrainibe : Miarahaba anao koa Tompoko.

N.P. : Ny fikambananareo, TANY, dia natsanganareo tamin’ny taona 2008 mba hiadiana amin’ity loza atao hoe fangoronana sy fanaovana ampihimamba ny tany fambolena ity taorian’ny raharaha Daewoo Logistics, fifanarahana izay nosoniavin’i Marc Ravalomanana tamin’izany fotoana izany. Izay rahateo no niteraka ny fiandohan’ny krizy tao Madagasikara. Inona marina moa ny votoatin’io tetikasa Daewoo Logistics io ?

M.R. : Raha ny tetikasa Daewoo Logistics no ho resahana dia ny hany singam-pahalalàna fantatra momba azy, satria niafina be sy tsy nangarahara ny raharaha, dia izay azo avy tamin’ny fifanakalozan’ny mpiandraikitra ambony tao amin’ny orinasa Daewoo Logistics sy ny mpanao gazety tao amin’ny Financial Times. Ilay fikasàna dia ny hampanofa mandritry ny 99 taona tany mirefy 1,3 tapitrisa hekitara any amin’ny faritra efatra ao Madagasikara mba hambolena katsaka sy palma fanaova- menaka – ary ny vokatra rehetra dia tokony naondrana manontolo tany Korea Atsimo. Ary ny mponina voakasik’izany dia tsy nampahafantarina, tsy nanontaniana, sns..ary tsy nisy nanontany ny heviny.

N.P. : Azoko an-tsaina fa voaraoka tamin’ny taniny ry zareo.

M.R. : Tsy afaka notanterahana ilay tetikasa satria voasakana ara-potoana. Raha ny marina, nahantona io tetikasa io fa tsy foana akory.

N.P.- Io tetikasa io no nokianin’ilay tanora Ben’ny Tanànan’Antananarivo tamin’izany fotoana izany, Andry Rajoelina.

M.R. : Eny, fa efa teny an-dàlambe tao Antananarivo anatin’ny hetsika nanohitra olana hafa momba ny fitantanan’ny Filoha Ravalomanana izy.

N.P.  : Dia izay no nitondra tamin’ny fionganan’i Ravalomanana ?

M.R. : Izay mihitsy. Ka noho izany, ho anay, ny raharaha Daewoo dia rano nitete nampitobaka ny ony ka nampiongana ny fitondràna fa efa nisy olana hafa teo talohan’izany.

N.P. : Ka mihantona izany io tetikasa io hatramin’izay ka mandrak’androany, hatramin’izao fotoana izao ?

M.R. : Araka ny fahalalànay azy dia mihantona hatramin’izao izy io. Izahay kosa tena maneho fahamalinana hatrany satria mavitrika be ny governemantan’i Korea Atsimo ary mampiseho fa mahaliana azy be i Madagasikara. Tamin’ny taona 2013 mantsy nisy mpanao gazety anglisy iray nandalo tany Séoul ka nandefa lahatsoratra taminay, izay navoakany tamin’ny gazety avy eo, fa misy sampana “Madagasikara” ao amin’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny sy Varotra koreana tatsimo.

N.P.  : Ny dikan’izany ve hoe mbola mety hiverina io tetikasa io ato ato ?

M.R.  : Tena izany mihitsy. Ary mety ho lohahevitra mahakasika ny ambaindain’ny firenena ho an’i Korea Atsimo fa tsy raharaha-na orinasa tsy miankina amin’ny fanjakàna fotsiny intsony.

N.P.  : Ka niverina teo amin’ny resaky ny kandidà roa ho filohan’ny repoblika ity raharaha-na fangoronana sy fanaovana ampihimamba ny tany ity, indrindra nandritry ny adi-hevitra teo amin’ny fahita-lavitra tao anelanelan’ny fiodinana roa-n ‘ny fifidianana. Nisy nanipy tsindro-paingotra, jereo anie :

“Andry Rajoelina : […] Ny olona mitomany, vahoaka maro be tena mitomany. Vonjeo izahay Président Rajoelina : amin’ny fomba ahoana moa no hiadianay amin’ny Filoham-pirenena ? Taminy 2004 anie no nosoratana tamin’ny TIKO ilay tany.[…] Aok’izay, ampy izay ny hoe misy filoham-pirenena ka haka ny tanin’ny tantsaha fotsiny. Tsy mety intsony izany. Aleo isika, na ianao filoham-pirenena, na ianao mandraharaha.

[…]

Marc Ravalomanana : Aleo ho any izany, fa izaho hijoro amin’ny marina foana. Misoratra mazava tsara any amin’ny Domaines io tany io […]. ” (**)

N.P. Ary ahoana ny hevitr’ireo kandidà roa amin’izao fotoana izao ? Andry Rajoelina ohatra ?

M.R. Momba ny amin’izao fotoana izao, tsy nanokana fotoana nandinihina ny programa politika-ndry zareo izahay fa miandry hoe iza no ho lany, izahay Malagasy monina aty Frantrsa rahateo tsy manana alàlana hifidy. Fa ny adi-hevitra farany nataon’izy mirahalahy, ity voaresaka teo ity, dia mampiseho voalohany indrindra fa Ingahy Andry Rajoelina dia tsy maniry ny hanova ny Lalàm-panorenana, izay anisan’ny fitakianay, ny andininy voalohany ao amin’ny Lalàm-panorenana izay nolaniana tamin’ny fotoanan’ny Tetezamita izay naha – Filoha azy mantsy milaza fa ny làlana manombok’izao dia haka fepetra momba ny fivarotana tany (amin’ny vahiny) (1) sy ny fampanofàna azy, ny fivarotana tany [amin’ny vahiny] anefa hatramin’izao dia voararan’ny lalàna ao Madagasikara.

N.P. : Lalàna nolovaina tamin’ny fanjanahan-tany io ?

M.R. : Eny, saingy tsy neken’ny lalàna ny fivarotana tany [tamin’ny vahiny] (1). Eo ankilany kosa, Andriamatoa Ravalomanana, nandritry ny resadresaka nifanaovany tamin’ny AGENCE ECOFIN (2), dia nilaza fa, ho azy, dia tsy hisy fanomezana tany be velarana ho an’ny vahiny mpampiasa vola raha tsy misy fiarahana, fiombonana antoka ataon’ilay orinasa amin’ny Malagasy sy ny orinasa malagasy. Ny marina nefa dia io hevitra io, io fehezan-teny io, dia tena mifanaraka tanteraka amin’ny lalàna 2007-036, andininy faha-18, izay manome alàlana ny fivarotana tany amin’ny orinasa vahiny. Ka tsy dia misy maha samihafa azy, mitovy ihany ny toe-java-misy.

N-P. : Fa ny tena zava-misy, ho an’ny mponina, inona no aterak’ilay resaka fangoronana sy fanaovana ampihimamba ny tany ?

M.R. : Ny tena zava-misy any ifotony, dia voaraoka ny mponina iharan’ny fepetra, rehefa nanapa-kevitra ny Fanjakàna na ny manam-pahefàna fa homena ny mpampiasa vola ny tany, voaraoka izy ireo raha tsy manana titra fananan-tany. Fa na manana titra fananan-tany na karatany aza izy ireo dia mety ho foana ny fananany tany satria misy lalàna any Madagasikara izay milaza fa rehefa ho an’ny tombotsoan’ny daholobe (d’intérêt public) ny tetikasa dia foanana ny fananan’ny olona (tany).

N.P. : Midika izany fa tandidomin-doza ny fiandrianana ara-tsakafo ?

M.R.  : Tena izany mihitsy

N.P.  : Miohotra amin’ilay tany mpampiasa vola ? Korea Atsimo ohatra.

M.R.  : Raha ny momba an’i Madagasikara, tena fantatray tsara fa misy firenena toa an’i Korea Atsimo izay tsy ampy ny tany ananany. Fa ny olana dia ny fomba fanomezan’ny governemanta malagasy sy ny mpandray fanapaha-kevitra malagasy nifanesy, ny tany dia atao amin’ny fomba izay mamotika ny tombotsoan’ny mponina malagasy sy mamotika ny fiandrianana ara-tsakafon’ny Malagasy. Ka ny fikarohana ny rariny sy hitsiny ho an’ny mpiara-monina ao anatin’ny faritr’io lohahevitra io dia tena olana goavana.

N.P.  : Misy olana momba ny tontolo iainana ihany koa ?

M.R.- Tena misy olana koa ny tontolo iainana satria rehefa hanatanteraka ny tetikasany ny mpampiasa vola dia tsy miraharaha mihitsy ny fiarovana ny tontolo iainana ireo mpitondra sy mpiandraikitra ka tena mampanahy mafy, indrindra ny rano sy ny endrika hafan’ny harena voajanahary.

N.P. : Ka, hatao aingakaingana, rahampitso no hisy fanambaràna ny vokatra vonjimaika ofisialin’ny fifidianana. Inona no tianao ho lazaina amin’izay mandresy ?

M.R. Ny tiako ho lazaina amin’izay mandresy ? Azafady indrindra re, atsaharo ny fanaovana tsinontsinona ny Malagasy sy ny taniny ka atsaharo ny fiantsoana mpampiasa vola vahiny ho avy haka sy hitoetra eo amin’ny tany malagasy. Ny tany malagasy dia tena ilain’ny Malagasy, na ho an’ny fananany sakafo hohanina, na ho an’ny fandrosoany satria io no fototra lehibe indrindra ho an’ny famokarana, io no fitaovam-pamokarana lehibe indrindra ho an’ny Malagasy izay tantsaha ny maro an’isa.

N.P - Mamy Rakotondrainibe, misaotra indrindra. Ampahatsiahiviko fa ianao no filohan’ny fikambanana TANY miaro ny tany malagasy (Collectif pour la Défense des Terres Malgaches – TANY).

M.R. – Izaho no misaotra anao, Tompoko.


Rakitra nakàna hevitra :

(*) https://www.youtube.com/watch?v=-hX... ;

(**)https://www.koolsaina.com/video-en-...

(1) Ny fehezanteny farany ao amin’ny Andininy voalohan’ny Lalàm-panorenana 2010 izay mihatra amin’izao fotoana izao dia milaza fa “Ny fomba sy fepetra fivarotana sy fampanofana tany ho an’ny vahiny dia voafaritry ny lalàna”

(2) https://www.agenceecofin.com/politi...


© Collectif pour la Défense des Terres Malgaches | généré dynamiquement par SPIP & Blog'n Glop.