Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika


Accueil > Newsletters > Fampitam-baovao faha-96

Fampitam-baovao faha-96

publié par Admin 2, le lundi 23 juillet 2018

Toutes les versions de cet article :

FIVAROTANA TANINDRAZANA VE NY FIFANEKEM-PANOFANA
MAHARITRA ISARIAN-KO TOMPONY (“bail emphytéotique“ (a))
ETO MADAGASIKARA ?

Fampidirana

Ny fampanofàna tany Malagasy mahatratra tapitrisa hekitara maromaro, amin’ny alalan’ny fifanekem-panofana maharitra isarian-ko tompony, amin’ny mpampiasa vola, indrindra ireo avy any ivelany, no heverina fa fomba tsy azo idovirana sy azo antoka hampandroso ny firenena ny ny fambolena izay asandratry ny mpitondra malagasy ao amin’ny Fandaharanasan’ny Sehatra Fambolena, Fiompiana ary Jono (Programme Sectoriel pour l’Agriculture, l’Elevage et la Pêche - PSAEP) 2016-2020 (0) sy any amin’ny kabariny. Misy olompirenena malagasy sy fikambanana ao amin’ny firaisamonim-pirenena manakiana sy manohitra ary manameloka io fomba fijery io ho maningotra ny tombotsoa lehiben’ny firenena ka mandray io fomba fanao io ho « fivarotana ny tanin’ny razambe, fivarotana ny tanindrazana ».

Hiverina hiresaka ity venti-kevitra ity ny Fikambanana TANY ka hanindry fa ny fifanekem-panofana maharitra isarian-ko tompony dia tsy fampanofàna tsotra fa manome zo manokana ireo mpanofa, ary hanambara fa raha ny fomba malagasy no jerena dia mifanandrify amin’ny karazana varotra tany iray ny fifanekem-panofàna maharitra isarian-ko tompony.

Tsy fampanofàna tany tsotra fotsiny ny fifanekem-panofàna maharitra isarian-ko tompony “bail emphytéotique”

Ny ankamaroan’ny olona dia mahafantatra fa “io fifanekem-panofàna io dia fifanarahana hanofa mandritry ny fe-potoana mihoatra ny 18 taona ary tsy azo atao mihoatry ny 99 taona », araka ny lalàna 96-016 (1).

Ny fepetra hafa ao amin’ny andininy voalohany amin’io lalàna io dia mendrika hifantohana manokana : « Ny fifanekem-panofàna maharitra isarian-ko tompony dia manome ilay mpanofa ny zo eken-dalàna hanao antoka ny tany hofainy : azo havotsotra ho an’olon-kafa sy azo baboina (saisi) araka ny fomba voalaza mahakasika ny fanababoana fanana mipetraka (saisie immobilière) » (2)

Mandritry ny faharetan’ny fampanofàna izany, dia manana zo goavana ny mpanofa, toy ny fampiasana io fifanarahana momba ny tany hofaina io ho antoka any amin’ny banky raha mindram-bola.

Ny zava-nitranga teto amin’ny firenena tato anatin’ny taona faramparany dia nampiseho fa :

  • ny tompon’andraikitra ao amin’ny Fanjakàna dia mikasa hampanofa arak’ireo fepetra ireo velaran-tany midadasika maro ;
  • maro ireo mpampiasa vola no tsy manana ny renivola ilaina amin’ny tetikasany amin’ny fotoana hanaovany ny fifanarahana momba ny fifanekem-panofàna maharitra isarian-ko tompony fa mbola vao hindrana vola any amin’ny banky ;
  • tsy fantatra mihitsy anefa ny daty hifaranan’ny fifanarahana satria azo atao ny manavao azy.

Noho izany dia betsaka ny loza mananontanona momba ny tsy fahafahan’ny tompon’andraikitra hanara-maso sy hifehy ny tany malagasy.

Koa mitaky ny handinihina sy hanovàna ny lalàna mikasika ny fifanekem-panofana maharitra isarian-ko tompony ny Fikambanana TANY mba hanalàna tao amin’ny lalàna ny fahafahana manao antoka sy ny fahalalahan’ny fiovan-tompon’ny fifanekem-panofàna ny tany.

Tokony hampidirina ao anatin’ny fanovàna io lalàna io koa ny maha-masina ny tany ho an’ny Malagasy, sady hany fitaovam-pamokarana ho an’ny ankamaroan’ny Malagasy fa tsy entam-barotra azon’ny avy atsy sy avy aroa hafindra-tànana sy hatao hakàna tombony amin’ny fomba samihafa toy ny entam-barotra mahazatra.

Efa im-betsaka ny Fikambanana TANY no nanakiana ny fanilihina sy fandroahana ny mponina any ifotony sy ny tantsaha, nateraky ny fampanofàn’ny hafa amin’ny alalan’ny fifanekem-panofàna maharitra isarian-ko tompony ny tany iasàny sy onenany.

Eto dia voatery hampahatsiahy fomban-drazana iray mikasika ny varotra, na eo aza ny tsy fahafantarana ny kolotsaina sy ny fomba amam-panao na tsy fanomezana lanjany izany, asehon’ny ankamaroan’ny Malagasy mpandray fanapaha-kevitra sy manam-pahaizana momba ny toe-karena.

Misy karazana fivarotana tany samihafa ao amin’ny fomba malagasy

Ny Malagasy fahiny dia namaritra farafahakeliny karazana fivarotana tany roa, matetika atao eo amin’ny samy mpihavana sy mpifanolo-bodirindrina : ny iray dia ny varo maty (varotra vita tanteraka ka hafoy) ary ny varo-belona (varotra vonjimaika mandritry ny fotoana voafetra, izany hoe, notanterahana miaraka amin’ny tanjona sy ny fanantenana fa mbola afaka hividy indray, raha vao afaka hanao izany, ireo tany izay tsy maintsy namidy tamin’ny fotoana nilàna lelavola). Mbola mitohy hatrany io fanao io amin’izao fotoana izao eny amin’ny mponina ambanivohitra.(3), (4)

Raha mankeo amin’ny toeran’ny vondrom-piarahamonina any ifotony izay nendahana sy noroahan’ny Fanjakana teo amin’ny taniny noho ny fisiana fampanofàna tany amin’ny alalan’ny fifanekem-panofàna maharitra isarian-ko tompony, ka tsy afaka handia amin’ny taniny mandritra ny fotoana maharitra, dia tsy misy maha-samihafa ny fifanekem-panofàna maharitra isarian-ko tompony amin’ny « varo-belona ».

Ankoatr’izany, ireo vondrom-piarahamonin’ny Malagasy any ambanivohitra dia miezaka ny tsy hivarotra, na dia amin’ny mpifanolo-bodirindrina aza, ny tany nolovana tamin’ny razambe (tanindrazana) fa ny tany novidian’ny fianakaviana tamin’ny alalan’ny ezaka manokana nataony no amidiny. Fa ny mpiasan’ny Fanjakàna sy ny lalàna Malagasy dia mampiditra ho anisan’ny azo ampanofaina amin’ny mpampiasa vola, na teratany na vahiny, ny tany rehetra tsy misy fanavahana.

Ireo singa ireo dia anisan’ny antony manazava ny fitomboan’ny hantsana lalina manelanelana ny lahateny sy ny faniriana voky neo-liberalisma eo amin’ny ankamaroan’ny mpitarika malagasy etsy andaniny, sy ny hevitra maharesy lahatra ny ankamaroan’ny mponina etsy ankilany.

Famaranana

Ny fampielezan-dahatsoratra (5) niarahan’ny Collectif TANY tamin’ny fikambanana namana tamin’ny taona 2013 dia efa nilaza tao amin’ny toko momba « Ny lafiny ara-kolontsaina momba ny fitrandrahana ny tany eto Madagasikara » fa ny fampiasana ny tany dia mitana anjara toerana avo dia avo anatin’ny kolontsain’ny Malagasy. Ankoatra ny lanjany ara-pivelomana, dia manana toetra sy hery masina ho an’ny Malagasy ny tany. Ny finoan’ny Malagasy dia manindraindra ny tany mbetika toa Reny, mbetika toa Razambe, mbetika toa ilay Nanahary.(6)

Fa nahoana loatra re ny safidy pôlitika sy ara-toekarena sasantsasany no dia manao an-jorom-bala foana ny olom-pirenena malagasy amin’ny fampiasana ny taniny ka ny mpandraraha ara-toekarena na ara-bola no nomena vahana amin’ny alalan’ny fifanekem-panofàna maharitra isarian-ko tompony mandritra ny am-polotaona maro ? Indraindray aza dia tsy sahaza akory ny tolo-pananana enti-manantanteraka ny tetikasa eo am-pelatanan’izy ireo ka ny tany ofaina no atao antoka ahazoana fampisamboram-bola amin’ny banky. Etsy ankilan’izany, misy koa valim-pikarohana manamarina fa tsy tambo isaina ny tsy fahombiazan’ireny tetikasa ireny na eto an-toerana na any ivelany nefa sarotra arenina ny takaitra nateraky ny fandroahana ny tantsaha teo amin’ny taniny (7).

Manoloana ny fidangan’ny isan’ny « fivarotana ny tanindrazambe, ny tanindrazana » amin’ny alalan’ireo fifanekem-panofàna maharitra isarian-ko tompony kasaina hatao amin’ny fametrahana Z.I.A. (faritra fampiasam-bola mikasika ny fambolena), Z.E.S (faritra ara-toekarena manokana), sy ny hafa maro, ny Fikambanana TANY dia manizingizina fa tsy tokony ho tompony mangataka atiny ny mponina malagasy fa tokony hajaina sy tena henoina marina eo amin’ny fikarohana ny fomba hivoarany sy hanatsarana ny fari-piainany. Singanina manokana amin’izany ny tantsaha, mpisehatra sy hery azo ampiasaina, foto-karena maha-olona, mpanajary sy mpanamaintimolaly ny tany, taranaka nifandimby an-taonany maro, mpirakitra ny fahaiza-manao ara-drazana. Ka tokony ho andry fototra iorenan’ny famahana ny olana atrehan’ny firenena.

Parisy faha-23 jolay 2018 (Ny fanambaràna tamin’ny teny frantsay dia mitondra ny daty 9 jolay 2018)

Ny Fikambanana miaro ny tany malagasy – TANY

patrimoine.malgache@yahoo.fr ; www.terresmalgaches.info ; www.facebook.com/TANYterresm....

RAKITRA NAKANA HEVITRA

(a) Ny « bail emphytéotique » dia nadikan’ny Dictionnaire français-malgache VITASOA nosoratan’i Rabenilaina Roger sy Morin Jean-Yves, Editions Ambozontany, 2015 ho « fifanekem-panofana isarian-ko tompony ».
Ny Fikambanana TANY no nanampy ny “maharitra”

(0) PROGRAMME SECTORIEL AGRICULTURE ELEVAGE PECHE - PLAN NATIONAL D’INVESTISSEMENT AGRICOLE - PSAEP/PNIAP – 2016-2020 (p.25-26) http://extwprlegs1.fao.org/docs/pdf...

(1) Araka ny andalana faha-2 ao amin’ny andininy voalohan’ny lalàna 96-016 izay nanova ny hevitra sasany tao amin’ny Didy laharana faha 62-064 tamin’ny 27 novambra 1962 mikasika ny « bail emphytéotique » na fampanofàna tany maharitra isarian-ko tompony
http://www.assemblee-nationale.mg/w...

(2) -Andalana 1 : Ny fampanofàna tany maharitra isarian-ko tompony dia manome ny mpanofa zo eken-dalàna azo atao antoka : azo hafindra tànana sy baboina io zo io araka ny endrika voafaritry ny fanababoana fanana tsy mihetsika [..]
-Andalana 5 : raha ankatoavin’ny mpampanofa izany dia azon’ny mpanofa hafindra amin’olon-kafa ankahalalahana ilay fifanaraham-panofàna, mifototra amin’ny fifanarahana voasonia sy voarakitra am-boky.
-Andalana 6 : Noho ny maha-zavatra azo ifampiraharahana izany, ny mpanofa dia afaka mametraka malalaka amin’olon-kafa ny fampanofana tany ho tehirizina na ho antoky ny fampisamboram-bola na izay raharaha rehetra ara-bola. Anisan’izany ny banky sy ny antokon-draharaha mpampiasa vola.
-Andalana 7 : Ny paika ara-dalàna voalaza etsy ambony mikasika ny fanekena sy ny fandraiketana am-boky ny fampanofana tany, dia itovizana, na an’ny Fanjakàna na an’olontsotra ilay tany na fananana mipetraka, ilay mpampanofa dia mety ho ny Fanjakàna na ny fiombonambe izay tompony. […] »

(3) https://books.google.fr/books?id=JN...

(4) https://www.sfer.asso.fr/source/jrs...

(5) Re:common, SIF, TANY « Fangoronan-tany sy fanaovana ampihimamba ny tany eto Madagasikara – Ako sy porofo avy tany ifotony – 2013, http://terresmalgaches.info/IMG/pdf...

(6) Misy ohabolana maneho ny fahendren’ny Ntaolo matetika tsiahivin’ny mpikaroka sasany manao hoe « Ny tany vadiben-janahary : mihary ny velona, manotrona ny maty »

(7) https://www.farmlandgrab.org/post/v...


© Collectif pour la Défense des Terres Malgaches | généré dynamiquement par SPIP & Blog'n Glop.