Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika


Accueil > Newsletter > Filazam-baovao faha-76

Filazam-baovao faha-76

publié par Admin, le jeudi 31 août 2017

Toutes les versions de cet article :

TARATASY MISOKATRA HO AN’ANDRIAMATOA FILOHAN’NY REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA
MIKASIKA NY “FOTOAMBITA” FAHA-12
MOMBA NY TANY SY FANANAN-TANY


Andriamatoa Filohan’ny Repoblika,

Ny antom-pijoroan’ny Fikambanana miaro ny TANY - Collectif TANY - dia ny hanohana sy hitan-tsoroka ny olompirenena sy tantsaha malagasy amin’ny fampandrosoana sy amin’ny fiarovana ny taniny sy ny harena voajanahary. Nohenoinay tsara sy nodinihinay akaiky ny fananambaranao tamin’ny Fotoambita faha-12 natokana ho an’ny Tany sy ny Fananantany.

Ny voalohan-teny aloha dia mbola manantitra foana ny Fikambanana Collectif TANY fa ho zava-dehibe ny fisian’ny fanapaha-kevitra mikasika ny tany izay tsy manadino na manilika ny Malagasy maro an’isa, indrindra fa ny tantsaha, satria iankinan’ny ho avin’ny firenena izany.

Tsikaritray tsara fa hatramin’ny fotoana nandraisanao ny andraikitra maha-Filoham-pirenena dia nataonao vaindohan-draharaha sy laharam-pahamehana ny fandratoana mpihary sy mpandraharaha, indrindra fa avy any ivelany, mba hampiasa ny tany malagasy amin’ny seha-pamokarana samihafa. Toa nitera-bokatra ny ezaka mafonja nandritry ny telo taona sy tapany ankehitriny satria
- firenena marobe no maneho fahavononana, indrindra fa i Shina - satria nisy taratasy nosoniavina nandritry ny fitsidihinao ara-pomba ofisialy tany Shina tamin’ny volana Marsa mikasika ny firotsahan’i Madagasikara ao amin’ny Fehikibo ara-toekarenan’ny Làlan’ny Landy (1) ary nisy mpiandraikitra ambony ao amin’ny fanjakàna malagasy nanambara ny faniriany hanome fahafaham-po ny filàn’ny Sinoa (2) ;
- ary miroso ny fametrahana lalàna samihafa momba ny fifehezana faritra fampiasam-bola isa-karazany.

Ny fivarotana tany amin’ny vahiny

Nambaranao tamin’ny fomba hentitra – izay isaoranay anao izany – fa mandrara ny fivarotana tany amin’ny vahiny ny lalàna malagasy. Noresahanao koa ny valinteninao tany Toliara mikasika ny fitarainana momba ny fivarotana tany varo-boba tamin’ny mpandraharaha vahiny tamin’ny vidiny ambany dia ambany : ariary fito ny metatra tora-droa. (3)

Saingy maniry mafy izahay ny mba hitondranao fanazavàna momba ireto teboka vitsivitsy ireto :

  • Inona, Andriamatoa Filoham-pirenena, ny famaizana voasoritry ny lalàna amelezana an’izay mandika io fandraràna io, izany hoe izay minia mivarotra sy izay manaiky mividy tany mifanohitra amin’ny lalàna manan-kery ? Maniry ny tena hisian’ny fanamelohana an’izay mpandika io lalàna io ny Fikambanana Collectif Tany, hampiharina miaraka amin’izany ny fampandoavana sazy vola, ny fanafoanana ny varotra ary ny famerenana ny tany sy ny famindrana ny fitompoany ho an’ny kaominina.
  • Azonao hamarinina ve, Andriamatoa Filoha fa io fandraràna ny fivarotana tany io dia mihatra koa amin’ny fivarotana tany amin’ny orinasa izay an’ny vahiny ny atsasa-manilan’ny renivola ? Maro mantsy ireo rakitra izay mampiseho fa tsy ny fikambanana amin’ny fiaraha-monim-pirenena ihany no mihevitra fa manome alàlana ny orinasa izay an’ny vahiny ny atsasa-manilan’ny renivolany ny andalana faha-18 sy 19 ao amin’ny lalàna faha- 2007-036 mikasika ny fampiasam-bola (4). Misy fanazavana tena tsara raha azo entina.
  • Ahoana, Andriamatoa Filoh, no tokony handikanay ny fandraisam-pitenenana ho an’ny daholobe nataon’ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar, rafitra mitantana ny fampiroboroboana ny toe-karena eto Madagasikara) herinandro vitsivitsy lasa izay sy ny fanindriany manokana ny « fanomezana antoka mikasika ny Fananantany » (5) eo am-piresahana ny olana manodidina ny fahatongavan’ny mpampiasa vola ? Mampanahy mafy anay io satria mitovy loatra amin’ny fanafihana sy fandresen-dahatra ho amin’ny fanomezana alàlana hividy tany ny orinasa izay an’ny vahiny ny atsasa-manilan’ny renivolany. Misy lahatsoratra an-gazety rahateo milaza fa miroso ny fanavaozana ny lalàna mikasika ny fampiasam-bola 2007-036. Mangataka andro aman’alina ny Fikambanana Collectif TANY ny hisian’ny fakàna ny hevitry ny mponina momba io lohahevitra io mialohan’ny handefasana volavolan-dalàna any amin’ireo rafitra samihafa fankatoavana.
  • Nankasitrahanay araky ny tokony ho izy ny fahavononanao hikaroka ny vahaolana rehetra hanarenana ny lesoka.

Mampahatsiahy sosokevitra vitsivitsy efa narosony ny fikambanana Collectif TANY (6) :

* Tsapanay fa tena zava-dehibe ny fampihenana ny faharetan’ny fotoana ifanekena hampanofa tany amin’ny mpampiasa vola, satria ho an’ny mponina any ifotony dia mitovy amin’ny fiantraikan’ny fivarotana tany ny fiantraikan’ny fampanofana tany amin’ny fomba maharitra. Izany no mahatonga ny Collectif TANY manolotra hevitra mba ho latsaky ny 25 taona ny faharetan’ny fampanofana.
* Vaomiera iray ahitana ny solontenan’ny sokajin’olona rehetra voakasiky ny fandraharahana no tokony hisahana ny fanapahan-kevitra momba ny fanomezana ny tany. Ny mpitoetra ao an-tanàna sy ny mponina manodidina no tokony ho lohalaharana amin’izany. Fankatoavan’izy ireo mialoha, malalaka ary mazava amim-pahafantarana ny lafiny rehetra no fepetra voalohany tsy maintsy tanteraka alohan’ny hirosoana amin’ny zavatra hafa. Ny fanavaozana ny fampanofana ny tany dia tsy maintsy mandalo fanapahan-kevitry ny vaomiera mpanantontosa ny fanaraha-maso sy ny fizohiana ary ny fanombanana mikasika ny fampiasana ny tany. Amin’izay vanim-potoana izay dia anisan’ny andraikitr’ity vaomiera ity ny fandinihina ny mety hilàn’ny tantsaha ampahan’ilay tany na ny tany manontolo.
* Ny fampanofana ny tany dia tokony hanaraka fizarazarana ho ampahany tsy mihoatra ny 1.000 hekitara isany. Sakanana ny fanitarana izany velarana izany raha tsy mahazo fankatoavana miainga avy amin’ny fanombanana ara-toe-karena sy ara-sosialy ary ara-tontolo iainana (firy ny asa noforonina, inona ny fomba fiasa ampiasaina, ny vokatra tena tanteraka, ny fiantraika ratsy ara-tontolo iainana, sns..). Mila voatondro mazava ny fepetra rehetra ahazoa-manaiky ny fampitomboana ny zara-tany.
* Tsy maintsy asiana fe-potoana ny fantanterahana ny tetikasan’ny mpampiasa vola. Tsikaritra tamin’ny zava-nisy hatramin’izay teto Madagasikara mantsy fa alaina amin’ny mponina ny tany be velarana satria omena ny mpampiasa vola izay tsy mampiasa azy akory na mampiasa ampahany kely fotsiny rehefa afaka taona maro. Rehefa tsy tanteraka amin’ny daty voatondro ny tetikasa dia averina amin’ny kaomina misy azy ny tany.

Ny mangarahara mikasika ny toerana ny tany nomena hampiasan’ny mpampiasa vola sy ireo lalàna vaovao.

Nahafinaritra anay fikambanana Collectif TANY manokana ilay andàlana izay nilazànao fa « Ao anatin’ny mangarahara no ampiasàna ny tany fa tsy afenina na takonana » rehefa niresaka ny tany omena hampiasain’ny mpampiasa vola. Sahy manantena mantsy ny fikambanana Collectif TANY fa hahazo fahafaham-po amin’izay ny faniriany an-taonany maro hahita mipetraka ao amin’ny aterineto ny tranga mikasika ny tany efa namidy tamin’ny vahiny sy ireo fifanekena mikasika ny tany voasonian’ny Fanjakàna tamin’ireo orinasa eto an-toerana na vahiny, mampiseho ny daty nanaovana ny sonia, ny velaran-tany, ny faharetan’ny fampanofàna, hoatrinona ny hofany, ny toerana misy azy, … mba ahafahan’ny olompirenena tsirairay mahafantatra ny toerana misy momba ny tany nomena hampiasain’ny mpampiasa vola amin’ny andaniny sy ireo mbola malalaka ho an’ny mponina any ifotony sy ny tetikasa volavolainy ao amin’ny fokontaniny avy, ao amin’ny kaominina sy ny faritra tsirairay, amin’ny ankilany.

Nampahatsiahivinao, Andriamatoa Filoha, fa nisy fakana ny hevitry ny mponina mikasika ny ZIA - Zones d’Investissement Agricole na Faritra Fampiasambola ho an’ny Fambolena. Mangataka ny Fikambanana Collectif TANY ny hampahafantarana ny daholobe ny votoatin’ny hevitra navoakan’ny olompirenena tao, mba ahafahan’ny tsirairay mahazo antoka fa noraisina ireny hevitra ireny (6). Izany no ahafahana miala ny fahadisoam-panantenana sy ny fifanolanana ary fanoherana amin’ny fomba maharitra, toy izay niseho manodidina ny Fehezan-dalàna mikasika ny Serasera izay nolaniana tamin’ny taona 2016.

Hitanay tany amin’ny gazety fa nisy volavolan-dalàna mikasika ny fampivoarana ny Indostria izay nankatoavin’ny Filankevitry ny Ministra ary naseho ny filohan’ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara. Niresaka Faritra Fampiasam-bola amin’ny Indostria, Z.I.I. na Zone d’investissement industriel ny Ministera tompon’andraikitra. Satria mikasika ny fambolena iandraiketan’ny orinasa ny ampahany amin’ireo tetikasa voalaza fa indostrialy amin’izao fotoana izao dia azo antoka fa hampiasa velarantany midadasika koa ireo Z.I.I.. Noho izany dia mangataka ny hampahafantarana ny rehetra io volavolan-dalàna io sy fakàna hevitra ankoatry ny an’ny Sendikan’ny Indostria ny fikambanana Collectif TANY, alohan’ny handefasana azy any amin’ny Antenimieram-pirenena sy ny Loholona.

Ny volavolan-dalàna momba ny Faritra Ara-Toekarena Manokana, ZES na Zones Economiques Spéciales, kosa izay efa nankatoavin’ny Filankevitry ny Ministra, dia angatahan’ny fikambanana Collectif TANY koa ny hanaparitahana azy sy ny hakàna hevitra amin’ny olompirenena momba azy alohan’ny itondrana azy eo anoloan’ireo parlemantera. Araky ny lahatsoratra an-gazety iray izay mitatitra ny tenin’ny mpiandraikitra ao amin’ny EDBM, ny toerana izay atolotra hovaina ho ZES dia ny Sahan’i Ehoala ao Tolagnaro izay efa nampanantenaina ny Maorisianina, ny Textile City ao Moramanga ary toerana roa hafa akaikin’i Toamasina sy Antsiranana, ao Andrakaka raha ny marina (5) sy (8). Efa am-perin’asa ny Sahan’i Ehoala, ny fitantanana azy izay nomena ny ratsana kanadianan’ny orinasa Rio Tinto hatramin’ny taona 2009, dia mahatonga hametraka fanontaniana mikasika ny fahafahan’ny fitondram-panjakana malagasy mifehy marina ny vokatra sy zavatra aondrana ambaran’ny rafitra mitantana ao, toy izany koa ny momba ny fidirana sy fivoahana ao amin’ny Saha. Ka raha marina tokoa fa tsy « ho bataina any ivelany » araky ny filazanao azy Andriamatoa Filoha, io velaran-tany io, dia tena mipetraka ho fanontaniana ny fiandrianam-pirenena ao amin’io ampahan’ny firenena io ka mendrika hasiana fandinihina manokana (8).

Koa mangataka ny hisian’ny mangarahara eo amin’ny fifanekena efa voasonia momba ny ZES sy ireo izay mbola eo am-pamolavolana ny fikambanana Collectif TANY.

Efa am-bolana maro izao no tsy nahenoana intsony momba ny volavolan-dalàna mikasika ny fanavaozana ny Fehezan-dalàna momba ny Harena an-kibon’ny tany. Azonao hamarinina ve, Andriamatoa Filoha, ny voalazan’ny mpanao gazety anatin’ny filazam-baovao iraisam-pirenena iray izay nanoratra fa nanao fanambarana hono ianao tany Pretoria tamin’ny volana Jona 2017 fa tsy ho havaozina indray ny Fehezan-dalàna mikasika ny Harena an-kibon’ny tany ? (9)


Andriamatoa Filohan’ny Repoblika,

Maro ireo tranga mampiseho fa eto Madagasikara ny fahatongavan’ny mpampiasa vola ao amin’ny faritra iray dia miteraka fandroahana ny mponina avy ao amin’ny tany izay hisintonany ny ankabeazan’ny sakafony sy ny fidiram-bolany ary tokony ho lovain’ny taranaka fara-mandimby. (10). Ny fahaverezan’ny fahafahany mandia amin’ny tany sy mampiasa azy dia miteraka fahavoazana lalina ho an’ny zony fototra amin’ny maha-olombelona sy amin’ny fahafahany mivoatra ho amin’ny fandrosoana. Raha mba misy ny fepetra fandraràna ny fandroahana dia tena ho afaka hiasa amim-piadanana sy hanana fiainana mendrika tokoa ny mponina any ifotony sy ny tantsaha Malagasy.

Maniry ho anisan’ireo mpisehatra momba ny fampandrosoana ny vahoaka malagasy, ary araky ny efa fantatrao, dia tena manana fifamatorana akaiky sy firaiketa-po amin’ny taniny izy. Maniry ho anisan’ny tompon’antoka amin’ny asa mikasika ny toe-karena sy ny ara-sosialy izay misy fiantraikany amin’ny tontolo sy faritra iainany izy, fa tsy manaiky ho mpitazana fotsiny.

Manantena mafy izahay, Andriamatoa Filoham-pirenena, fa hanome fahafaham-po ity fangatahana ny mangarahara sy fandraisan’anjara ity ianao ary hanome fahafaham-po ny fanirin’ny vahoaka malagasy maro an’isa mba ho tsy ny Vahiny irery no havela hahazo tombotsoa amin’ny fitrandrahana ny harem-pirenena. 


Misaotra indrindra anao tamin’ny fanomezan-toky nataonao nandritry ny fandraisam-pitenenana tao amin’ny Fotoambita faha-12 sy amin’ny fanomezanao lanja ny votoatin’ity taratasy ity,

Raiso, Andriamatoa Filoha, ny haja ambony atolotray anao.

Parisy, faha-17 aogositra 2017.

Amin’ny anaran’ny Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY

Mamy Rakotondrainibe

patrimoine.malgache@yahoo.fr, http://terresmalgache.info, www.facebook.com/TANYterresm...

Rakitra nisintonana hevitra : 
(1) http://www.midi-madagasikara.mg/pol...
http://www.lexpressmada.com/blog/ac...
(2) http://www.lagazette-dgi.com/index....
(3) izany hoe 0,0018 euro na 0,18 centime araka ny sandan’ny vola taminy 02 aogositra 2017.
http://www.lagazette-dgi.com/index....
(4) - http://unctad.org/en/PublicationsLi...
- http://jurismada.com/index.php/droi...
(5) http://www.agencepresse-oi.com/crea...
(6) http://terresmalgaches.info/spip.ph...
(7) http://www.newsmada.com/2017/08/09/...
(8) * http://ecoaustral.com/la-zone-speci...
* http://latribune.cyber-diego.com/ac...
* Documentaire « Je veux ma part de terre – Madagascar » : http://jeveuxmapartdeterre.fr/

(9) http://www.sabc.co.za/news/a/fbd07b... ; code-20170614

(10) ny fandrooahana mponina niseho farany http://www.lexpressmada.com/blog/ac... ;


© Collectif pour la Défense des Terres Malgaches | généré dynamiquement par SPIP & Blog'n Glop.