Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika


Accueil > Newsletter > Filazam-baovao faha-71

Filazam-baovao faha-71

publié par Admin, le mardi 28 mars 2017

Toutes les versions de cet article :

AVOTY IREO NOSIKELY MANODIDINA AN’I NOSY BE SY NY TANJON’AMPASINDAVA !

https://www.change.org/p/projet-tantalus-sauvez-l-archipel-de-nosy-be-et-la-p%C3%A9ninsule-d-ampasindava

Ny « saikinosin’ampasindava », ao avaratra andrefan’i Madagasikara, dia miavaka amin’ny fananany harena voajanahary miavaka sy maro an’isa. Toeram-ponenan’ny karazam-biby sy zava-maniry tsy manam-paharoa eto amin’izao tontolo izao, izay ilàna fitandrovana mantsy ireo tendrombohitra sy ala, ala honko midadasika ary ireo morontsiraka mikitoantoana mamaritra iny faritra iny.

Vorona maro isankarazany ETO AMBONIN’NY TANY no miara-miaina eo amin’io faritra io amin’ny biby mandady, ny biby miain-droa (an-tanety sy an-drano) ary ny karazan-tsifaka. Anisan’izany ny « Lepilemur mittermeieri » izay tsy manam-ponenana raikitra. Raha ny lafiny an-dranomasina no jerena : dimy ambin’ny folo karazana ireo biby an-dranomasina mampinono izay tsy azo hafindra toerana, ny trozona Omura, tsy fahita firy izay fantatra vao haingana ; eo koa ireo antsantsa trozona, ny trozona sy ny trondro miaina an-karan-dranomasina sy ireo vato harana.

Ity toerana maitso màvana izay hodidinin-tendrombohitra sy ranomasina ity dia fonenana mponina eo amin’ny 33.000 isa eo ho eo. Miankina indrindra amin’ny jono sy ny fambolena ny fiainan’izy ireo, ka ny ampahany no miankina amin’ny fanondranana vokatra toy ny lavanila, kakaô na kafe. Io saikinosy io indrindra no vavahady ho amin’ny vondronosin’i Nosy Be, toerana avo lenta ho an’ny fizahan-tany eto Madagasikara.

Tontolo iainana tsy manam-paharoa io tandindomin-doza io !
Misy tetikasa fitrandrahana izay mandindona handrava ny saikinosin’Ampasindava mandrakizay. Ny orinasa Tantalum Rare Earth Madagascar (TREM), dia nahazo toeram-pamokarana tokony ho 300 km2 avy amin’ny governemanta Malagasy, mba hitrandrahana mineraly izay isan’ny “tany tsy fahita firy”. Tsy mba nisy fakan-kevitra mazava tamin’ny vahoaka, nefa dia nahazo fahefana hitrandraka, tamin’ny Fanjakana ambony misahana ny Tetezamita teto Madagasikara, izay azo iadian-kevitra tanteraka.

Ity orinasa ity izay mpandoto indrindra eto amin’izao tontolo izao noho ny teknolojia ampiasainy (fanariana ireo faika eo an-toerana) dia mampiasa raha simika maro isankarazany, toy ny klôro-na sodium, sulfate d’ammonium, na asidra oxalic, ary koa mila rano fatratra. Mamadika ireo faika ho poizina sy ny fako mivaky ivon’atôma (« radioactifs ») eo amin’ny tany misy azy, izay manaraka ny lalan’ny rano hatrany ambanin’ny tany izany, ka miantraika amin’ny mponina sy zava-miaina manodidina (asidra, thorium...). Tsara ho fantatra fa ny famokarana « tany tsy fahita firy » na « terres rares » iray (1) taonina dia mila fampiasàna sulfate-na ammonium fito (7) taonina sy asidra oxalic iray taonina sy sasany (1,5) !

Ny famokarana « tany tsy fahita firy » iray (1) taonina dia miteraka ihany koa rano voaloto amin’ny ammonium sulphate sy metaly mavesatra mahatratra arivo (1000) taonina, sy fako misy poizina roa arivo (2000) taonina. Mitetika ny hanondrana « tany tsy fahita firy » iray alina (10 000) taonina isan-taona, mandritra ny 50 taona ny TREM. Araky ny kajy tsotsotra dia hiteraka rano voaloto 500 tapitrisa taonina sy fako misy poizina iray (1) lavitrisa taonina izany rehefa afaka 50 taona !

Ny soridrefitanin’ity saikinosy ity dia miavaka amin’ny fisian’ny tandavan-tendrombohitra misy loharano mikoriana izay mandemaka azy. Mivarina any amin’ny lakandranon’i Mozambika ireo renirano mikoriana ireo. Ny rano izay harian’ity fitrandrahana ity dia mazava loatra fa hanaraka ny lalan’ny renirano ka hanapoizina ireo faritry ny ranomasina, sy ny manodidina azy.

Manoran-dava iny faritra avaratr’i Madagasikara iny mandritra ny vanim-potoanan’ny rivo-doza, Mihoatra ny roa arivo (2000) milimetatra isan-taona ny rotsakorana amin’izany. Reha tsy mafy orina tsara ireo toearana fitahirizana ao amin’ireo orinasa dia atahorana hihoatra izany mandritry ny fotoanan’ny rotsakoranam-be sy ireo toetrandro mahery vaika.

Tokony hofaritana mazava koa ny momba ny fitahirizana ireo fotaka. Raha toa ka tsy mafy orina sy tsy ara-dalàna ary ho tantera-drano ireo toerana fitahirizana, dia mety hanova ny sandan-harikivy na « taux d’acidité »-pH-ny fikoriananan’ny rano asidra mivoaka avy ao, ka hitarika filentehana am-potaka (envasement)-ny renirano tsy lavitra eo, izay hikoriana manaraka ny helo-dranon’Ampasindava. Tsy ho afaka haremina ny vokadratsin’izany amin’ireo tontolo iainana an-dranomasina tsy manam-paharoa.

Manoloana izany faharavan’ny faritra izany sy ny mponina ao aminy izany dia tsara kokoa raha tsy ho tanteraka ity tetikasa ity. Fantatra rahateo fa tsy hahazo ny tombontsoa ara-toekarena amin’ny tetikasa toy izany ny vahoaka Malagasy !

Ity fanangonan-tsonia ity dia hatolotra an’ :
Atoa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara
Hery RAJAONARIMAMPIANINA

https://www.change.org/p/projet-tantalus-sauvez-l-archipel-de-nosy-be-et-la-p%C3%A9ninsule-d-ampasindava


© Collectif pour la Défense des Terres Malgaches | généré dynamiquement par SPIP & Blog'n Glop.