Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika


Accueil > Newsletter > Filazam-baovao faha-69

Filazam-baovao faha-69

publié par Admin, le mercredi 1er février 2017 (actualisé le mercredi 1er février 2017)

Toutes les versions de cet article :

NY FEPETRA MAHAKASIKA NY TANY SY NY FEHEZAN-DALANA MOMBA NY HARENA ANKIBON’NY TANY

Ny fikambanana miaro ny tany malagasy - Collectif TANY - dia maneho ny hafaliany manoloana ny fahitàna tany amin’ny gazety ny filazan’ny Ministera miandraikitra ny Harena ankibon’ny tany sy ny Solika fa hisy fifanakalozan-kevitra ato ato mikasika ireo fanitsiana hatao ao amin’ny Fehezan-dalàna momba ny harena an-kibon’ny tany. Koa mampahalala dien’izao ny fikasàny handray anjara amin’izany amin’ny alalan’ny soso-kevitra haparitany ny fikambanana. Eo am-piandrasana ny fanombohan’izany hetsika izany dia maniry ny hanome tsindri-peo dien’izao ny fepetra fototra izay mitantana ny fieritreretany ny Collectif TANY. Ireo foto-kevitra ireo ihany koa no hitantana ny tolokeviny izay hikasika indraindray ny lafiny ekonomika, sosialy ary ara-tontolo iainana. Ny ankamaroan’ireo teboka ireo dia efa voalaza tanatin’ireo fanambarany teo aloha ary mikasika indrindra ny Tany.

1/ Ny mponina Malagasy maro an’isa no tokony hahazo tombotsoa indrindra amin’ny harena ankibon’ny tany

Ny vokatra azo amin’ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany dia afantoka amin’ny fahafahana mampivoatra ara-toe-karena ny vahoaka Malagasy, araka ny rakitra an-tsoratra samihafa mikasika ny politikan’ny harena ankibon’ny tany. Ny vahoaka izay tokony hahazo tombotsoa avy amin’ireo harena ankibon’ny tany ireo dia ny ankamaroan’ny mponina voalohany anatin’izany ny fokonolona any amin’ny faritra misy ny harena ankibon’ny tany sy ireo mponina manamorina azy.

Amin’izao fotoana izao, tsy ampy ny manam-pahaizana teratany manana fahalalàna feno ahafahana hanatanteraka ny fitrandrahana ireo akora samihafa sy ny vokatra ao ankibon’ny tany malagasy, indrindra amn’ireo toerana fitrandrahana midadasika (1) Ka ny fiantsoana manam-pahaizana sy mpampiasa vola avy any ivelany no fironana voalaza fa tsy azo ialàna. Ny fanofanana tanora Malagasy maro dia laharam-pahamehana amin’ny fampihenana ny tsy fahampian’ny fahaiza-manao amin’ity sehatra ity.

Mba hibanjinana ireo taona ho avy izay ny Malagasy mihitsy no afaka hitrandraka ny harena ankibon’ny taniny sy mba hitehirizana harena betsaka arak’izay tratra ho an’ny taranaka hifandimby any aoriana, dia tokony lanjalanjaina sy hatao am-pikafiriana ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany : mila manao fandalinana mifototra amin’ny tetik’ady fohy ezaka, antoniny ezaka sy lavitra ezaka izay mampiasa mason-tsivana samihafa marim-pototra mba hamaritana ny akora sy ny toerana ho trandrahana ary hanondroana mazava ireo izay ho tehirizina. Mety hifanohitra amin’izany vinavina izany ny fanomezana tsy misy fetra, ato ho ato, fahazoan-dalana hitrandraka. (2)

Ny tena mahamay ny mpametra-karena miasa dia ny manararaotra izay fotoana mahamety ny raharaham-barony. Hainy ny miaro ny tombotsoany. Anjaran’ny Fanjakàna sy ny olom-pirenena ny miahy sy miaro ny tombotsoatsika, indrindra amin’ny alalan’ny fanatsaràna ny Fehezan-dalàna momba ny harena ankibon’ny tany mankany amin’ny làlana izay tena ahafahan’ny fokonolona any ifotony mahazo tombotsoa marina amin’ny harena ankibon’ny tany, izay fananana iombonan’ny firenena. Fanampin’izany, io fanavaozana ny Fehezan-dalàna io dia tokony hamaritra mazava tsara ny làlana tsy maintsy arahina ahatonga marina tokoa ny fitsinjarana vokatra ara-toe-karena avy amin’ny tao zava-baventin’ny harena an-kibon’ny tany any amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana sy ny fokonolona any ifotony.

2/ Tsy maintsy omena lanja ny zon’ny olombelona monina eo amin’ny tany

Na dia ny ao ambanin’ny tany aza no voakasiky ny harena ankibon’ny tany, dia tsy azo lavina fa misy fiantraikany amin’ny ambonin’ny tany ny fanapaha-kevitra mikasika ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany, indrindra eo amin’ny mponina sy noho ny fanomezana faritra midadasika (concessions) ny mpitrandraka. Ny toko faha IV-n’ny Fehezan-dalàna momba ny Harena ankibon’ny tany manan-kery amin’izao fotoana izao dia miresaka “ny fifandraisan’ny orinasa [manana alalana hitrandraka] amin’ny tompon’ny tany”. Ireo hetsiky ny vahoaka any ifotony nanohitra tetikasa fitrandrahana dia mampiseho fa matetika ny manam-pahefana any amin’ny ivo-toerana no nandray fanapaha-kevitra nanome alalana momba ny harena ankibon’ny tany, dia mampahafantatra ny manam-pahefana any ifotony, kanefa tsy manontany ny hevitry ny mponina izay tokony ho nilaza ny heviny araka ny rariny sy ny hitsiny. Io fomba fanao io dia tokony ho fadiana manomboka izao. Ny fakana ny hevitry ny besinimaro dia tokony ho marihana mazava tsara ao anatin’ny Fehezan-dalàna momba ny Harena ankibon’ny tany ary tokony ho tanterahana any amin’ny dingana aloha be miohotra amin’ny fomba amam-panao ankehitriny. Amin’ny trangan-draharaha rehetra dia tokony averina ho dinihina sy halalinina ny foto-kevitra milaza fa “ny Fanjakàna no tompon’ny ao ambanin’ny tany” sy ny fomba fanontaniana ny hevitry ny besinimaro ary ny fiantraikan’izany.

Tian’ny Collectif TANY indray ny mampatsiahy fa araka ny lalàna lasitry ny Fanavaozana ny Politikan’ny Fananan-tany 2005-019, dia heverina ho tompon’ny tany ny mponina amin’ny tanin’olon-tsotra tsy vita titra (propriétés foncières privées non titrées - PPNT), na manana taratasy kara-tany izy na tsia, ka tokony homena lanja. Ny manam-pahefana amin’izao fotoana izao tokoa mantsy dia toa tsy miraharaha na tsy mahalala io lafin’ny lalàna io ka tsy manome hasiny afa-tsy ireo izay manana taratasy titra fananan-tany.

Ankoatr’izany, noho ny fisian’ny kirizy tamin’ny taona 2009 izay niteraka fihatoan’ny fametrahana ireo lalàna mikasika ny sata-tany samihafa nofaritin’ny fanavaozana ny fananan-tany dia tsy mbola voapetraka ny lalàna manokana momba ny tanim-bilona midadasika voalaza ao anatin’ny lalàna 2006-031. Noho izany, ireo kijana fiandrasana omby ireo dia ataon’ny mpandray fanapaha-kevitra toy ny tanim-panjakàna izay azony omena ny mpampiasa vola avy any ivelany arak’izay itiavany azy. Ny mpiompy araka ny fomban-drazana anefa anisan’ny olom-pirenena izay manana zo eo amin’ny tany (3). Naelin’ny mpanao gazety fa mikaroka tany 700 000 hekitara ny Fanjakàna amin’izao fotoana izao hambolena vilona ho an’ny “ranches” (4). Inona ny ho voka-dratsin’izany amin’ny mpiompy araka ny fomba nentim-paharazana izay efa mitondra faisana noho ny asan’ny dahalo mpangalatra omby sy ny tsy fisian’ny fandriam-pahalemana ?

Ny Fandaharam-pirenena momba ny Fananan-tany (Programme National Foncier) dia mandamina ny hanomezana zo ara-dalàna ny tany iombonan’ny fokonolona amin’ny taona 2020 any amin’ny faritra enina. Ketraka ny Collectif TANY raha nahita fa misy faritra sasany - izay mpanao fiompiana omby araka ny fomba nentim-paharazana ny mponina ao aminy – tsy tafiditra anatin’ireo faritra enina ireo ; ary misy kijana fiompian’ny fokonolona tafiditra anatin’ny velaran-tany nomena ny orinasa mpitrandraka harena ankibon’ny tany sinoa any amin’ny kaominin’I Dabolava (distrikan’i Miandrivazo, faritra Menabe). Tena mampivarahontsana ny fisian’ny elanelana eo amin’ny fandaminana ara-potoana ny fanaovana ho ara-dalàna ny zo amin’ny tany iombonan’ny fokonolona Malagasy amin’ny andaniny, sy ny fanomezana tany ho an’ny orinasa vahiny, amin’ny ankilany.

Misy alalana nomena momba ny harena ankibon’ny tany mifanitsaka amin’ny velaran-tany ampiasain’ny mponina ho an’ny antom-pivelomany, ka manitsakitsaka ny zo fototr’ireo fianakaviana ireo hivelona sy hisakafo. Eo amin’ny lafiny fanapotehana ny tany fambolena, ny ohatra mahatafintohina indrindra dia ny ao amin’ny saikanosin’Ampasindava, ao avaratra-andrefan’i Madagasikara, izay tsy misy sahan’ny lavanilina, na kafe na tanimbary tsy tratry ny lavaka lalina aman-arivony voalohany nataon’ny orinasa TREM (Tantalus Rare Earth Madagascar) mandritry ny dingana fikarohana “terres rares” (5). Ny loza ara-tontolo iainana hateraky ny mety ho fitrandrahana ny “terres rares” raha sanatria miroso amin’izany ny manam-pahefana, dia nandefasan’ny fikambanana avy amin’ny fiaraha-monim-pirenena antso avo fampitandremana efa am-bolana maro izao (6).

Vita tatitra sy sary anaty rakitra ny fihenana goavana eo amin’ny vokatry ny jono taorian’ny fahasimban’ny dobon-driakan’ny moron-tsiraka nateraky ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany sy fahaverezan’ny fidiram-bola avy amin’ny asa-tànan’ny mponina manodidina taorian’ny fandraràna amin’ny fomba miendrika didiko fe-lehibe ny fiotazana zava-maniry hampiasaina amin’ny rary tao amin’ny faritra nomena ho tantanan’ny orinasa mpitrandraka QMM-Rio Tinto (7).

Ny resaka fanajariana ny tany mba handaminana ny famaliana ny filan’ny sehatra samihafa (fambolena, angovo, sns..) dia toa efa tafita araka ny fanambaran’ny Ministera miandraikitra ny harena ankibon’ny tany. Saingy ny fivoriana faramparany sy ny fisesin’ny fakana hevitra lazaina fa hatao amin’izao fanomanana ny fanavaozana ny Fehezan-dalana momba ny harena an-kibon’ny tany izao (8) dia mampanahy fa ny tombotsoan’ny mponina mipetraka amin’ny tany voakasika sy manodidina ny faritra fitrandrahana dia tsy ho omena lanja mihitsy na ho tara loatra vao ho voaresaka.

Koa manamafy ny sosokeviny ny Collectif TANY mikasika ny tokony hanatsaràna ao anatin’ny Fehezan-dalàna momba ny Harena ankibon’ny tany ny fifanakaloza-kevitry ny Fanjakàna foibe amin’ny vondrom-bahoaka any ifotony, amin’ny alalan’ny fanontaniana ny hevitry ny mponina sy ny fandinihina akaiky ny tombotsoan’ny tompon-tany sy ny olona monina eo amin’ny tany.

3/ Tokony hatsahatra ny tetik’ady mikendry ny hanoloana ny fianakaviana malagasy amin’ny olona avy amin’ny tany hafa.

Mihoatry ny atsasaky ny tany eto Madagasikara no misy vatosoa sy solika ao ambaniny. Tsy mitsahatra ny manome tany ireo mpampiasa vola sy mpandraharaha samihafa, vahiny na teratany, ny Fanjakàna. Ny vokatr’ireo dia fahaverezan’ny fahafahan’ny fokonolona malagasy any ifotony mandia amin’ireny velaran-tany ireny. Mifandimby tonga eto Madagasikara ny lehiben’ny firenena maro, mamaly ny fanasàn’ny mpitondra ho avy hameno ireo hekitara an-tapitrisany lazaina fa hoe “tsy misy mampiasa” hono, ary mitondra fitaovana vaventy sy olona haka ny asa sy ny tany. Efa an-taonany maro izao ny Collectif TANY no nandefa fanairana sy filazàna loza mikasika ny fironan’ny mpitondra nifanesy handroaka ny fianakaviana Malagasy avy eo amin’ny taniny (9) . Ny fitambaran’io fironana amina fandroahana tsy misy onitra sy fitandremana io - amin’ny fanandramana miverimberina ataon’ny mpitondra ankehitriny tsy hanaja ny fady Malagasy momba ny fivarotana tany amin’ny vahiny sy ny fikasàna hampiditra anatin’ny lalàna ny fanomezana titra fananan-tany ny vahiny (10), dia manamarina ny ahiahin’ireo mpanoratra izay matahotra fa manana fikasana hametraka olom-pirenena avy any amin’ny firenen-kafa “hisolo” ny mponina Malagasy sahirana ny manam-pahefana eo amin’ny fitondràna. Tsy mifanakaiky amin’ny heloka bevava amin’ny olombelona na famongoran-taranaka ve izany fisehoan-zavatra izany ?

Satria hanohanana ny tantsaha sy ny olom-pirenena eto Madagasikara amin’ny fiarovana ny taniny sy handray anjara amin’ny fampandrosoana azy no antom-pijoroan’ny Collectif TANY, dia mihevitra ny fikambanana fa ny fametrahana tetikasa vaovao mitsinjo ny fampandrosoana, na momba ny harena ankibon’ny tany na hafa, dia sady tsy tokony ho mody tsy ahafantatra no tsy tokony handrava ny fiainana sy ny antom-pivelomana ary ny fototry ny kolontsain’ny mponina. Ny hoavin’ny olona monina manodidina ny toeram-pitrandrahana dia tsy tokony hatao mitovy torosy amin’ny « atody tsy maintsy vakiana mba hanendasana azy » (7) na « voka-dratsy tsy nampoizina ateraky ny tetikasa fampivoarana » toa ny nilazan’ny olona sasany ambony toerana teo amin’ny fitondrana azy. Ireo olom-pirenena maro an’isa izay tsy manan-karena loatra amin’izao fotoana izao ireo dia manana zo eken’ny rafitra iraisam-pirenena, izy ireo no ankamaroan’ny mpifidy nahazoan’ny mpitondra ny fahefàny sy ny andraikiny, ka noho izany dia ananany tamberin’andraikitra koa. Ny vaovao samihafa momba ny fiainana eto Madagasikara dia mampiseho fa mahita fomba hilazàna ny heviny sy hanerena ny mody marenina hihaino azy izy ireo rehefa manohy manao azy ho ambin-javatra na manao azy ho tsinotsinona ny mpitondra sy ny mpandray fanapaha-kevitra.

Mamerina indray ny tolokeviny ny Collectif TANY momba ny fampandraisana anjara ny olom-pirenena any amin’ny kaominina amin’ny famaritana ny politikan’ny fanajariana ny tany, izany hoe amin’ny adi-hevitra sy fanapaha-kevitra mikasika ny hampiasàna ny tany eo amin’ny faritra misy azy, mba ahatongavana indrindra indrindra amin’ny famaritana toerana tsy azo omena na hampanofaina na hamidy fa atokana kosa ho an’ny fahavitan-tena ara-tsakafo eo an-toerana sy ho an’ny fivoaran’ny taranaka fara mandimby (11). Zava-dehibe iankinanan’ny aina ny fiarovana velaran-tany voatokana ho an’ny fampandrosoana ao an-toerana, indrindra manoloana ny politikan’ny rafi-pitondràna foibe sy ny fihazakazaky ny fitomboan’ny isan’ny mponina. Saingy nanapa-kevitra ireo mpandray fanapaha-kevitra amin’izao fotoana izao fa ny fahatanterahana ny famantarana sy fanisàna ny sombin-tany rehetra misy eo amin’ny kaominina sy ny fahavitan’ny Sarin’ny Fampiasana ny Tany ao an-toerana (PLOF) dia hampiankinina amin’ny fisian’ny Soritra Fanajariana ny Kaominina manara-penitra sy ofisialy, izay tsy araky ny kaominina mareforefo ny fanatanterahana sy vola takian’izany, ka izy ireo izany no hitanty betsaka indrindra ny vokatry ny tsy fisian’ny fandraisan’anjaran’ny mponina amin’ny fanajariana ny tany.

Any ifotony, misy Ben’ny Tanàna sasany tena miray hina amin’ny fokonolona tantanany, ny sasany kosa nanaiky ny fanapaha-kevitra nilatsaka avy any amin’ny fanjakàna foibe momba ny alalana hitrandraka, ka mahita faisana amin’ny fandàvana hentitra asetrin’ny mponina izany (12). Koa tena tsy azo ialàna ny fanajàna ny demokrasia sy ny fakàna ny hevitry ny olompirenena rehetra mahakasika ny alàlana hitrandraka satria miantraika lalina amin’ny fianany sy ny ho aviny ny tetikasa momba ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany. Hanao dingana manan-danja ny demokrasia eo anivon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefàna ao aorian’ny fifidianana eo anivon’ny faritra sy ny provinsa izay nolazaina fa hatao amin’ity taona 2017 ity, saingy miteraka fanontaniana maro ny fanalàna teo amin’ny toerany ny Filohan’ny Faritra iray vao aingana sy ny fanendrena Jeneraly hisolo azy(13).

Fehiny

Teto amin’ity lahatsoratra ity dia ninia ny Collectif TANY hanipika ireo fepetra fototra mikasika ny etika, ny zon’olombelona ary ny lafiny sosialy izay mifandray indrindra amin’ny tany, alohan’ny hanohizana hanao soso-kevitra antsimpiriany kokoa momba ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany ho amin’ny tombotsoan’ny vahoaka malagasy.
 
Ny fahombiazan’ny mpitondra firenena amin’ny fahaizany nitondra fivoarana teo amin’ny firenena dia ho refesina amin’ny fahaizany nanatsara ny fari-piainan’ny vahoaka malagasy, fa tsy amin’ny fahombiazany amin’ny fametrahana mponina vaovao tonga avy any ivelany hisolo ny fianakaviana malagasy sahirana akory na amin’ny fahaizany mampitombo ny tombom-barotry ny mpampiasa vola.

Manantena mafy ny Collectif TANY fa hampiditra marina tokoa ny sosokevitra miaro ny tombotsoan’ny olom-pirenena tsotra ireo mpandray fanapaha-kevitra miandraikitra ny fanavaozana ny Fehezan-dalàna momba ny Harena ankibon’ny tany. Miendrika fanaovana tsinontsinona ny famerenana ny zava-niseho efa niainana vao tsy ela - manodidina ny Taratasy mirakitra ny Politikan’ny Fananan-tany (14) sy ny Fehezan-dalàna mikasika ny Serasera (15) - izay nanodinkodinana na tsy niraharahiana ny hevitra nifanarahana.

Parisy, faha-30 janoary 2017

Fikambanana miaro ny TANY malagasy - Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY

patrimoine.malgache@yahoo.fr
http://terresmalgaches.info
www.facebook.com/TANYterresm...


Rakitra nanovozan-kevitra

(1) Les petites mines feront l’objet d’un prochain article du Collectif TANY.
(2)« Une augmentation en nombre des titres miniers institués est constatée. Le nombre de permis en vigueur en 2008 dépassait les 4000, tous permis confondus. L’octroi de nouveaux permis miniers reste encore suspendu, il attend l’adoption et la mise en vigueur de la nouvelle loi qui devraient lever définitivement le frein principal aux investissements.[…]. Depuis 2014, 141 permis d’exploitation ont été délivrés. A fin 2015, le nombre de permis d’exploitation s’élève à 254 … […] .La consécration de ces Corridors et surtout leur développement, permettront au Gouvernement de Madagascar de créer, à terme, un effet de levier qui fera augmenter de manière significative la contribution du secteur extractif et des activités connexes, ainsi et des dans le développement économique du pays en générant plus d’IDE, plus de revenus, plus d’emploi, plus de création de richesses » dans Secteur Mines et Hydrocarbures - Document du gouvernement pour la Conférence des bailleurs et investisseurs, Nov 2016, pages 4, 7 et 13.
(3) Les accaparements de terre à Madagascar. Echos et témoignages du terrain - 2013, pages 28-48 :
 http://terresmalgaches.info/spip.ph...,
(4) http://www.midi-madagasikara.mg/eco...
(5) a/ source : Programme National Foncier 2016-2020, version du 17 novembre 2016, page 18
 b/ « Si la LPF [Lettre de Politique Foncière] est établie pour une durée d’une quinzaine d’années (2015-2030), le présent PNF [Programme
 National Foncier] a une durée d’exécution de cinq ans. Il compose donc le premier programme opérationnel quinquennal de la LPF. 
 Néanmoins, le présent PNF définit déjà les indicateurs des objectifs spécifiques retenus pour la durée de quinze ans. » Préambule du PNF
 page 6.
(6)http://madagascar-actualites.com/am... ; http://terresmalgaches.info/spip.ph... ; http://terresmalgaches.info/spip.ph... ; http://terresmalgaches.info/spip.ph... ;
(7) Documentaire « Je veux ma part de terre – Madagascar » : https://www.youtube.com/watch?v=Or-...
(8)http://www.midi-madagasikara.mg/eco... ;
http://www.lagazette-dgi.com/index....
(9) http://terresmalgaches.info/spip.ph...
(10) http://terresmalgaches.info/spip.ph... ; http://terresmalgaches.info/spip.ph... ; http://terresmalgaches.info/spip.ph... ; http://terresmalgaches.info/spip.ph... ;
(11) http://terresmalgaches.info/spip.ph...
(12) http://madagascar-tribune.com/Le-ma...
(13) http://www.lagazette-dgi.com/index....
(14) http://terresmalgaches.info/spip.ph... (Lettre de Politique Foncière 2015-2030)
(15) http://www.madagascar-tribune.com/C... ; https://www.actualite-news.com/fr/i... ; http://www.orange.mg/actualite/decl...

Documents joints


© Collectif pour la Défense des Terres Malgaches | généré dynamiquement par SPIP & Blog'n Glop.