Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika


Accueil > Newsletter > Filazam-baovao faha-65

Filazam-baovao faha-65

publié par Admin, le mercredi 30 novembre 2016

Toutes les versions de cet article :

Mila hanaovana ady hevitra andraisan’ny rehetra anjara eo anivon’ny firenena ny volavolan-dalàna mamaritra ny fanoratana sy fananana tany vita titra (1)

Ireo volavolan-dalàna izay manao sorona ny ho avin’ny ankamaroan’ny Malagasy sy ny taranaka fara-mandimbiny mba hamalifaliana ireo mpampiasa vola vahiny dia hita fa mbola anisan’ny mibahana eo amin’ny fandaniam-potoana sy ron-dohan’ireo antanan-tohatra eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana.

Hatramin’ny nanoratanay ny taratasy misokatra ho an’ny Praiministra vaovao tamin’ny volana May 2016 izay niampanga io volavolan-dalàna io ho mitsinjo ny haneken’ny lalàna ny famelana malalaka ny tany eto Madagasikara ho azon’ny vahiny (2), ho zakainy ho tompony, mitovy laharana amin’ny tera-tany malagasy, dia tsy nanao afa tsy nanolo ny laharan’ny andininy mahakasika io resaka io tao anatin’ny volavolan-dalàna izay saika efa nalefa ho nankatoavina teny amin’ny Antenimieran-pirenena, ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Ministera misahana ny fananan-tany, ka namindra fotsiny ilay andininy faha 8 ho lasa andininy faha 10.

Koa dia mbola manaitra indray mandeha ihany ny olom-pirenena malagasy rehetra, ireo mpikambana ao amin’ny komity mpandinika ny volavolan-dalàna eny anivon’ny ministera samihafa ary koa ireo solom-bavam-bahoaka sy loholona, mikasika ireo lafin-kevitra mampidi-doza raiketin’ity volavolan-dalàna ity izahay.

Ny fanomezana titra fananan-tany sy zo mitovy ho an’ny olona rehetra, « na inona na inona ny fizakam-pirenen’izy ireo sy ny satan’izy ireo araka ny lalàna », dia hita fa famonoan-tena ho an’ny firenena malagasy

Araka ny voalazan’ny andininy faha-10 ao amin’ilay volavolan-dalàna amin’ny endriny vaovao, « ny fanoratana amin’ny rejistry ny fanjakana ny fananana tsy mihetsika [sy/na fandatsahana an-tsoratra ireo zo izay voambara sy voatanisa ao amin’ny andininy faha 14] dia azon’ny tompony na izay manana zo mihatra mivantana amin-javatra tsy mihetsika atao na inona na inona ny fizakam-pirenen’izy ireo sy ny satan’izy ireo araka ny lalàna » (3)

Ny famakiana io andininy io dia toa mampihevitra fa ny vahiny tsy mizaka ny zom-pirenena malagasy dia afaka mahazo titra fananan-tany sy mahazo zo fitompoana mitovy amin’ny Malagasy, nefa ny tena tanjon’ity andininy ity dia ny hanipika ny olona afaka manao ny fanoratana ny zony ao anatin’ny rejistry ny fanjakana mahasahana ny fananan-tany.

Tsy dia mazava loatra ity andininy ity ary mety azo adika ho fomba iray hialana amin’ny fampiharana ny andinin-dalàna hafa izay mandrara ny tera-tany vahiny hanana zo fitompoana amin’ny tany eto Madagasikara. Ny fitenenana hoe « …azon’ny tompony na izay manana zo mivantana amin-javatra tsy mihetsika atao, na inona na inona ny fizakam-pirenen’izy ireo sy ny satan’izy ireo araka ny lalàna » dia tsy mazava satria araka ny lalàna ny teny hoe « tompony » sy ny fitenenana hoe « manana zo mivantana amin-javatra » dia sahala. Noho izany, araka ny voalazan’ity andinin’ity, ny olona tsy mizaka ny zom-pirenena malagasy dia afaka ihany koa mahazo titra fananan-tany maha-tompony ny tany.

Mba ahafahan’ity andininy ity hifandrindra amin’ny lalàna hafa izay mandrara ny fivarotana amin’ny vahiny ny tany eto Madagasikara, dia tokony ho tsindriany fa ny fanoratana ny zo amin’ny fananan-tany amin’ny rejistry ny Fanjakana ho an’ireo tera-tany vahiny tsy mizaka ny zom-pirenena malagasy dia voafetra amin’ireo fananana voasaraka toy ny fihotazana zavatr’olona mandritra fotoana voafetra, na koa ny fanofana isarian-ko tompony na ny zo fitompoana ny ambonin’ny tany fa tsy ny tany.

Ny fikasana rehetra hanomezana zo mitovy eo amin’ny fizaka-manana momba ny tany ho an’ny Malagasy sy ho an’ny vahiny rehetra tsy teratany dia manamafy ny loza mananotanona amin’ny halasanan’ireo vahiny izay manam-bola sy matanjaka lavitra noho ireo tantsaha sy ny ankamaroan’ny olom-pirenena malagasy ny tany rehetra manerana ny Nosy. Vokatr’izany, ny olom-pirenena malagasy tsotra tsy manan-karem-be dia ho very tanteraka ao anatin’ny hazakazaka sy fifaninanana eo amin’ny fividianana sy fanoratana ny tany amin’ny anarany satria tsy mitovy mihitsy ny fitaovana sy ny ho enti-manana.

Manampy trotraka izany, ny andininy faha-45 ao amin’io volavolan-dalàna io dia manambara fa ny fizaka-manana rehefa voasoratra ao anatin’ny rejistry ny fanjakana dia raikitra hatramin’ny farany sy tsy azo enjehina na toriana.

Ny zavatra voalazan’io andininy faha-10 io dia mampitombo ny loza mitatao ao anatin’ny lalàna amin’ny ho fahaverezan’ny fiarovana ny zon’ny Malagasy amin’ny taniny. Ny lalàna hafa toy ny lalàna momban’ny fampiasam-bola mitondra ny laharana 2007-036 - izay tsipahanay ihany koa efa an-taonany maro izao - dia nanome alalana hividy tany an’ireo orinasa izay manana petra-bola vahiny, fa mbola nisy fetra kosa teo amin’ny tsy ahafahan’ny olon-tsotra tsy mizaka ny zom-pirenena malagasy hanana zo fitompoana amin’ny tany.

Ny tany mantsy dia nanjary lasa antoka manan-danja ho an’ny mampiasa vola manerana an’izao tontolo izao. Ny hakanton’ny firenentsika izay manan-karena tokoa ara-java-manan’aina (« biodiversité ») sy ara-harena voajanahary ary ny fahamoran’ny vidin’ny tany eto Madagasikara raha oharina amin’ny vidin’ny tany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, dia hampirongatra ny fitsiriritan’ireo mpampiasa vola sy ireo mpijirika tany sy harena.

Ireo mpitondra sy mpanapaka eo anivon’ny firenena malagasy anefa manoloan’izany dia hoatry ny misafidy ny hanaiky ho voasodokan’ireo rafitra iraisam-pirenena sasany sy ny vahiny mpampiasa vola izay manosika hanova ny lalàna ho any amin’ny fandravana ny tombotsoan’ny firenena malagasy (5). Inona no takalo azon’izy ireo amin’izany ? Ny fanomezana titra fananan-tany ho an’ny vahiny rehetra dia hitondra ho any amin’ny fanjanahan-tany vaovao indray ny vahoaka malagasy (6) fa tsy hanampy azy velively ho any amin’ny fampandrosoan’ny ankamaroan’ny mponina (7) izay mivelona amin’ny asam-pamokarana avy amin’ny tany saingy tsy manana titra ny ankamaroany.

Ny Sehatra iombonana ho an’ny Fananantany - SIF, sy ny Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy, dia mangataka amin’ireo mpitondra amin’ny antana-tohatra samihafa :

  • hanazava sy hampita ny andinidininy amin’ny olompirenena malagasy rehetra ny mahakasika io volavolan-dalàna io ;
  • hanome ny mponina ny fahafahana hahalala ireo vokatra ratsy ateraky ny fanapahan-kevitra toa an’io sy ireo zava-doza mety haterany eo amin’ny fanesorana sy fandroahana ny fianakavian’ny tantsaha rehetra sy ny olom-pirenena tsotra rehetra amin’ny taniny sy ny tsy hananan’izy ireo intsony ilay tany miantoka ny fivelomany sy ny faritry ny fireneny ho an’ny taranaka fara mandimby ;
  • hampandray anjara ny vahoaka amin’ny dingana rehetra eo amin’ny fandraisana fanapaha-kevitra mahakasika ity resaka ity, izay azo lazaina fa tena goavana sady saro-pady, ary tena handray ankitsim-po ny hevitra avy amin’ireo solontena anatin’ireo fivoriana fikaonan-doha isan-karazany

alohan’ny handraisana andraikitra tena mavesatra tokoa amin’ny fanaovana varo-boba ny fananana iombonana izay tena sarobidy amin’ny Malagasy dia ny fitambaran’ny tany rehetra ao anatin’ny Nosy.

Misy lafiny hafa koa ao amin’io volavolan-dalàna io izay tena tsy azo ekena

Nandritra ny kabary fiarahabana nohon’ny asara-manitra, ny faha 8 Janoary 2016, dia nanome toky ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina fa ny tany be velarana vita titra izay tsy nampiasain’ny tompony dia halain’ny Fanjakana ary ho zaraina amin’ireo mponina izay efa mipetraka eo aminy sy nanazary azy (8). Ka maninona no tsy voalaza ato anatin’ity volavolan-dalàna ity izany fizarana ny tany amin’ny olona monina eo amboniny izany, nefa ny fangalan’ny Fanjakana ireo tany vita titra tsy nojarian’ny tompony nandritra ny 10 taona dia voateny ao amin’ny andininy faha-79-n’ity « volavolan-dalana mamaritra ny fanoratana sy fananana tany vita titra » ity. Niova hevitra ve ireo tompon’andraikitra fa nametraka tanjona hafa ho an’ny hampiasana ireo tany ireo ? Ny traikefa niainana tamin’ny tsy fisian’ny fizarana ho an’ireo mipetraka tamin’ny tany vita titra tamin’ny anaran’ny voanjo (mpanjanaka) sy ireo izay voakasiky ny fanoratana faobe ny tany tsy vita hatramin’ny farany teo aloha dia tokony handraisan’ny tompon’andraikitra lesona sy hanafainganana ny fizarana tokoa amin’ireo olona mipetraka amin’ireo sokajin-tany ireo.(9)

Ny tsy maintsy hamadihana ny kara-tany (fanamarinana momba ny fananan-tany) ho titra fananan-tany amin’ireo tranga hilana ny fanatanterahana ireo fombafomba maro samihafa, izay lazain’ny andininy faha-27-n’ny volavolan-dalàna, dia maneho ny finiavana hamerina indray anatin’ny fahasahiranana ny tantsaha sy ireo mpamokatra madinika izay nandany mondron-kery mba hanoratra ara-dalàna ny zony amin’ny tany tamin’ny alalan’ny kara-tany, porofon’ny fananan-tany izay mora azo kokoa na ara-bola na ara-fahasahiranana miohotra amin’ny titra fananan-tany, ankoatry ny tsy fankatoavana ny lalàna vaovao mifandray amin’ny fanavaozana ny fananan-tany tamin’ny taona 2005.

Nanditra ny « latabatra boribory » izay nataon’ireo solon-tenan’ny sendikan’ny mpiasa ao amin’ny sampan-draharam-panjakana misahana ny fananan-tany, ny fikambanan’ny firaisamonim-pirenena, ireo mpitan-tsoroka ara-teknika sy ara-bola ary ireo tompon’andraikitra avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny Ministera misahana ny tetikasan’ny Filoham-pirenena sy ny Fanajariana ny Tany anefa, dia nanao fanambarana ampahibemaso ny Mpanolo-tsaina manokan’ny Filoham-pirenena sy ny Minisitra misahana ny Fananan-tany fa tsy hiverenana ny fanapahan-kevitra voalazan’ny lalàna vokatry ny fanapahan-kevitra politika tamin’ny 2005. Ankoatr’izay, ny Ministra nisahana ny fananan-tany tamin’izany, Andriamatoa Rivo Rakotovao, dia nandefa taratasy tamin’ny solon-tenan’ireo mpitan-tsoroka ara-teknika sy ara-bola izay nanindry ny tsy hanovàna mihitsy ny fahamarinam-pototry ny kara-tany amin’ny maha-porofon’ny zo amin’ny fananan-tany azy, eken’ny lalàna sy ny vahoaka mitovy laharana amin’ny titra fananan-tany.

Ny fandraisana fanapaha-kevitra ataon’ny Fitsaran-tany mitety vohitra izay tsy ahitana afa-tsy mpiasan’ny sampan-draharam-panjakana misahana ny fananan-tany irery ihany manoloana ny ady tany mahakasika ny kadasitra tsy vita hatramin’ny farany (And. 34) na ny boky rovitra (And.53) na ny Fitsaran-tany manokana izay rafetin’ny mpitsara iray sy mpiasam-panjakana fito avy amin’ny sampan-draharam-panjakana misahana ny fananan-tany (And.60 sy ny manaraka) dia tsy azo ekena satria ny mpiasan’ny sampan-draharam-panjakana misahana ny fananan-tany dia sady lasa mpitsara no tsaraina ao anatin’ny fitsarana manokana. Ireo famakafakana sy fanadihadiana lalina izay mampihatra ny fijoroana vavolombelona ataon’ny mpifanila tany sy mampandray anjara ny mpahay lalàna hatrany hatrany no hita fa tena manan-danja sy mahomby.

Ambonin’izany, ny fisaraham-pahefana, endriky ny fanjakana tan-dalàna, dia tsy voahaja raha ireo andinin-dalàna ireo no zohiana. Ireo mpitsara mitety vohitra dia tsy iza akory fa ireo mpiasan’ny fahefana mpanatanteraka, ny « Inspecteurs des domaines ». Ankoatr’izay, matetika ny fitsarana misahana ny fananan-tany dia eny anivon’ny sampan-draharan’ny fananan-tany ihany ny birao misy azy ireo. Ny fitarainana maro voarain’ny fikambanan’ny firaisamonim-pirenena dia maneho ny fitongilanan’ireo mpitsara inspecteurs des domaines amin’ireny fitsaràna misahana ny fananan-tany ireny.

Ny SIF sy ny Collectif tany dia manantitra ny fangatahany amin’ireo teknisiana sy mpitondra mahefa ny hampitsahatra ny famoronana lalàna izay mandrahona ny fianakaviana malagasy amin’ny fanesorana azy ireo eo amin’ny taniny famokarany sy fivelomany.

Ny fametrahana lalàna izay mitsinjo ny tombotsoan’ny ankamaroan’ny Malagasy sy ny mangarahara avy amin’ireo rafim-panjakana samihafa eo amin’ny famolavolana lalàna mahakasika ny tany malagasy dia fitakiana mitohin’ireo fikambanan’ny firaisamonim-pirenena. (10)

Ny SIF sy ny Collectif Tany dia mampatsiahy fa ny fangatahana ny mangarahara mikasika ny tanim-panjakana efa nomena na nampanofaina na namidy - sy ny fampahafantarana izany amin’ny olom-pirenena rehetra amin’ny alalan’ny tranon-kala - dia tsy mbola nahazoana fahafaham-po hatramin’izao. Araka ny fantatra anefa dia efa maro ireo fanadihadiana sy fanisana samihafa natao momba izany, tato anatin’ny taona vitsivitsy, novatsian’ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola.

Ny SIF sy ny Collectif Tany dia mamporisika mafy ny tantsaha, ny vondron’olona ifotony (Fokonolona) sy ny olom-pirenena rehetra tsy ankanavaka ho malina, ka hamantatra ny sata tany rehetra ao amin’ny fokontany sy kaominina misy azy tsirairay avy, hiezaka ny hahalala ireo lalàna mihatra sy ireo volavolan-dalàna, ary hiara-handray anjara amin’ny fitantanana sy ny fanapaha-kevitra mahakasika ny tany manoloana ny loza mananotanona izay miharihary fa mitambesatra amin’ny tany malagasy. (11)

12 Novambra 2016

Sehatra Iombonana ho an’ny Fananan-tany sif@blueline.mg - www.sif-mada.mg

Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy patrimoine.malgache@yahoo.frwww.terresmalgaches.info

Rakitra nanovozan-kevitra

(1) « Projet de loi n°2016___ fixant le régime juridique de l’immatriculation et de la propriété foncière titrée » Version 2.0-1
(2) Taratasy misokatra ho an’Andriamatoa Praiministra Mahafaly Solonandrasana Olivier : http://terresmalgaches. info/spip.php ?article121
(3) Ny mpanoratra ity fanambarana ity no nampisongandina ny faran’ny fehezanteny. Ity and. faha-10 ity dia nitondra ny laharana faha-8 tao amin’ny filaza teo aloha nofakafakaina tao anatin’io Taratasy misokatra voalaza eo ambony io. Article 14 - Sont inscrits sur le livre foncier, aux fins de transfert de droit et d’opposabilité de ce droit aux tiers :
 a) Les droits réels immobiliers suivants : - la propriété immobilière : immeubles et lots de copropriété ou de lotissement ; - l’usufruit de la même propriété établie par la volonté de l’homme ; - les droits d’usage et d’habitation ; - l’emphytéose ; - les droits de superficie ; - les servitudes ; - le Fehivava, et l’antichrèse - les privilèges et hypothèques, - les métayages ;
 b) Les baux
 c) Les droits soumis à publicité en vertu des a) et b), résultant des actes ou décisions ou demandes visant la résolution, la révocation, l’annulation ou la rescision d’une convention ou d’une disposition à cause de mort. Toutefois, les servitudes qui dérivent de la situation naturelle des lieux ou qui sont établies par la loi sont dispensées d’inscription au livre foncier.
(4) Araka ny And. faha- 99-n’ny volavolan-dalàna, « Les dispositions spécifiques relatives à l’accession à la propriété foncière pour les étrangers restent soumises à la loi 2007.036 du 14 Janvier 2008 sur les investissements à Madagascar ».
(5) Cf.(2) http://terresmalgaches.info/spip.ph... rakitra nanovozan-kevitra 7, 8, 9, 10
(6) Cf.(2) http://terresmalgaches.info/spip.ph... pejy 3
(7) Cf.(1) http://terresmalgaches.info/spip.ph... pejy 2
(8) http://www.mepate.gov.mg/execution-...
(9) Enjeux fonciers dans l’Itasy : réconcilier l’obsolète et le présent : http://gasy.net/fr/video/clip/14406...
(10) Tolory tànana ny tantsaha Malagasy hisorohana ireo loza manambana azy mahakasika ny taniny – Fitakiana nanangonana sonia naelin’ny SIF sy Collectif TANY taminy 3 oktobra 2015 : http://terresmalgaches.info/spip.ph... ;
(11) http://terresmalgaches.info/spip.ph...


© Collectif pour la Défense des Terres Malgaches | généré dynamiquement par SPIP & Blog'n Glop.