Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika


Accueil > Newsletter > Filazam-baovao faha-58

Filazam-baovao faha-58

publié par Admin, le mercredi 3 août 2016

Toutes les versions de cet article :

TSY TOKONY HITERAKA FANDROAHANA SY HANOHANANA HO AN’NY TANTSAHA NY FAMETRAHANA NY FARITRA FAMPIASAM-BOLA HO AN’NY FAMBOLENA (ZIA) AO AMIN’NY FARITRA VAKINANKARATRA

Hiditra amin’ny fametrahana ny faritra fampiasam-bola ara-pambolena - zones d’investissement agricole, ZIA - ny Faritra Vakinankaratra, ka nampandre ny mponina amin’ny kaominina maro ao Vakinankaratra hiomana handao ny toerana iainany. Ireo tompon’ity tetikasa ity nefa teo aloha dia nanome toky fa tsy hisy velively izany fandroahana mponina na ny famindra-toerana azy ireo tsy an-tsitrapo.

Ny tantsaha dia tsy nampahalalàna araka ny tokony ho izy ny fahafahan’ny fikambanany mandray anjara amin’ny fampiasam-bola ao anatin’ny ZIA.

Vokatry ny fisarihana ny mpandraharaha vahiny sy malagasy haneho ny fahavononany handray anjara amin’ny ZIA, dia nanambara ny mpiandraikitra ireo ZIA ireo fa ao amin’ny dingana voalohan’ny fanomezan-tany, dia miisa 21 ny mpampiasa vola nanasonia fifanekem-panofana sombin-tany maharitra. Isan-karazany ny haben’ny velaran-tany amin’izany ary mirefy 1 000 hekitara mahery ny fitambarany rehetra. (1)

Ny sombin-tany voakasik’ireo ZIA ireo anatin’ny kaomina 8 (2) dia tanim-panjakana an’ny Fanjakàna sy an’ny Faritra Vakinankaratra amin’izao fotoana izao, efa samy nanana ny tantarany avy nandritry ny taona nisesy, ny sasany vita titra tamin’ny mpanjana-tany, ny hafa kosa efa nomena mpampiasa vola tamin’ny fotoana nametrahana ZIA talohan’ny taona 2009, ny sasany efa nomena nampiasàna tamin’ny antony samihafa.

Ny fikambanana sy ny ONG (fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakàna) dia afaka mampiasa vola ao anatin’ny tetikasa ZIA. Araka ny fanadihadiana natao tao amina kaominina maro tamin’ny volana marsa sy jolay 2016 dia nisy fivoriana fampahafantarana tany amin’ny faritra sasany. Ny mponina mipetraka amin’ny toerana voakasiky ny ZIA, anisan’izany ny lehiben’ny fokontany, ao amin’ny ankamaroan’ny toerana voatsidika anefa, dia tsy nahalala akory fa afaka mivondrona anatina fikambanana mba hahazoany mangataka tany fambolena eo anivon’ny ZIA.

Mitsipaka ny zava-misy ny sasany amin’ireo voakasiky ny tany nomena ny mpampiasa vola izay nahazo fampandrenesana ny amin’ny hanesorana azy teo amin’ny taniny. Tamin’ny fomba maro samihafa no nanehoan-drizareo ny tsy fankasitrahana izao tranga izao, anisan’izany ny fanimbana fotodrafitrasa napetraky ny mpampiasa vola, izay niteraka fampiantsoana tany amin’ny zandarimaria tao an-toerana.

An-jatony, na mety ho an’arivony aza ny fianakaviana voatery handao ny tany lonaka nokarakarainy sy nivelomany, izay efa hatramin’ny taranaka maro nifandimby ho an’ny ankamaroan’izy ireo. Tsy vitan’izany fa tsy hanana tany sy trano hivelomana rizareo. Tena tsy azo ekena izany tetikasa izany izay mifanohitra tanteraka amin’ny tanjona voalaza fa « fanatsarana ny fitomboan’ny harin-karena sy ny fari-piainan’ny mponina ao amin’ny faritra » (1)

Ny fiovaovan’ny resaky ny mpiandraikitra sy ny zo ara-drarin’ny tantsaha.

Tamin’ny Desambra 2014, ny Ministry ny Fambolena teo am-perin’asa dia nanambara tamin’ny mpanao gazety ny fanaingana ny ZIA tamin’ny filazàna fa sady tsy hisy fandroahana no tsy hisy fifanitsahana amin’ny tanin’ny tantsaha (3). Mandritry ny fitsidihina nataon’ny mpikaroka avy ao amin’ny CRAAD-OI tamin’ny volana marsa 2016, dia nanomboka nanova kely io fanambarana io ny mpiandraikitra ny ZIA iray ka nilaza fa “ho ezahana tsy hisy fifanitsahana sy fandroahana arak’izay azo atao. ». Tamin’ny volana Jolay 2016, ireo tantsaha nametrahana fanontaniana dia nampahafantatra ireo mpikaroka fa nangatahana ry zareo tsy hamboly intsony ny tany fampiasany fa tsy maintsy hiala teo.

Ny fanadihadiana tany amin’ny tanàna samihafa dia nampiseho fa ny ankamaroan’ny fianakaviana voakasika dia efa niaina teo amin’ireo tany ireo am-polotaonany maro. Betsaka ny olona antitra 50 sy 60 taona no teraka tao amin’ireo tanàna ireo ary nonina tao foana. Efa teo izany ireo fianakaviana ireo talohan’ny nanomezan’ny fitondrana mpanjana-tany ny tany ho an’ny fanjakàna malagasy. Noho izany dia tsy mpibodo tany (“squatters”) velively ireo mponina ireo fa fianakaviana manana zo amin’ny tany izay tokony ho ekena sy tokony ho hajaina.

Natao ho fampandriana adrisa ny tantsaha sy ny olom-pirenena fotsiny ve izany ireo teny tsara votoatiny sy tsara lahatra ?

Ny loza fanampiny dia tsy nisy sosokevitra vahaolana hafa niaraka tamin’ireo fampilazàna ny tsy maintsy hialàna eo amin’ny toeram-ponenana, araky ny teny vavolombelona voaangona tamin’ireo mponina iharan’ny fandroahana. Ny bokin’andraikitra momba ny ZIA anefa dia manipika fa ny Faritra (Région) no hiantoka ny fametrahana amin’ny toerana vaovao ireo lazaina ho mpibodo tany (« squatters ») ary hanampy amin’ny dingana rehetra ahazoan’izy ireo amin’ny fomba maharitra ny tany homena azy (4)

Tsy tokony ho roahana ny tantsaha, fa tsy maintsy ampiana ary hajaina ny safidiny

Mahatalanjona sy tsy azo ekena ireo fifanipahana misy eo amin’ny zava-kendrena amin’ny andaniny sy ny zava-miseho amin’ny ankilany, ny lokan’ady anefa dia tena goavana na miohotra amin’ny zo sy ny hoavin’ny tantsaha voakasiky ny raharaha, na ho an’ny fanatrarana ny zava-kinendry ambara momban’ny tetikasa ZIA. (5)

Maika dia maika, araka ny fahitanay azy, ny fampahafantarana sy fanaovana antso avo amin’ny rafitra rehetra voakasik’ity raharaha ity : ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana amin’ny ambaratonga rehetra, ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakàna (ONG) miandraikitra ny fantanterahana ny tetikasa fampiasam-bola, ny sampan-draharaha fanapariaham-pahefana sy ny Fanjakàna foibe, ny mpamatsy vola niroboka tamin’ny fanohanana ara-bola ity tetikasa momba ny ZIA ity, ary ny olompirenana any amin’ny faritra rehetra sy eran-tany izay mandalina sy miasa ho an’ny fampandrosoana ara-pambolena, ara-toe-karena ary ara-sosialy.

Miohotra amin’ireo fikasàna somary mendri-piderana nambaran’ny mpanapa-kevitra tamin’ny mpanao gazety teo aloha ireo, dia mbola afaka miroso amin’ny asa fampahafantarana sy fanampiana ny tantsaha amin’ny toerana rehetra voakasiky ny ZIA ny mpisehatra rehetra ka tena manatanteraka amin’ny antsakany sy andavany. ilay tanjona hoe « tsy hisy fandroahana ». Ireo mponina nitoetra teo amin’ny tany, izay niasa sy nandonaka ireo tany ireo am-polotaonany maro dia manana laharam-pamehana miohotra amin’ny mpiavy taty aoriana.

Nandritry ny fitsidihina tany ifotony nataon’ny ekipan’ny CRAAD-OI, dia nisy tantsaha sasany nanambara ny tsy fankasitrahany ny tetikasa fambolena hisian’ny fifanekena ao amin’ny tantsaha sy ny mpampiasa vola ho an’ny famokarana vokatra natolaka ho aondrana any ivelany. Ny antony nolazainy dia ny tsy fahafahany hamboly izay iriny ao amin’ny fomba fiasa vaovao natolotra azy. Ny fanekena sy fanajana ny safidin’ny tantsaha dia fepetra iray tsy azo ihodivirana mba hahazoana antoka amin’ny fampiharana ny tolokevitra rehetra mahakasika ny antom-pivelomany sy ny zony amin’ny taniny. Mba hanatanterahana sy « ahafahana mitazona ary mampivoatra ny asa [sy ny isan’ny manana asa] any amin’ny faritra iainan’ny mponina » (4) anatin’ny tetikasa rehetra mikendry ny fampandrosoana ny fambolena ao amin’ny faritra, dia tokony hotazonina sy hampandrosoana ary ho tohanana amin’ny fomba izay hiaraha-mamaritra amin’ny tantsaha voakasika ny fomba fambolena ara-pianakaviana izay efa misy.

Ny fahafahan’ny fianakaviana tantsaha mampiasa ny tany sy ny harena voajanahary ary ny fahafahany mifehy izany dia anisan’ny zo fototra. Ny fandraisana fanapahan-kevitra momba ny hoavin’ny faritra iainan’ny mponina izay mibanjina ny fanatsaràna ny fari-piainany ary ny fahavitantenany sy ny fahaleovantenany ara-tsakafo dia tsy tokony hatao amin’ny fomba izay manao ho tsinotsinona ny fahalalana sy ny zo efa ananan’ny tantsaha eo amin’ny faritra iainany.

25 jolay 2016

Centre de Recherches et d’Appui pour les Alternatives de Développement - Océan Indien (CRAAD-OI) craad.madagascar@gmail.com ; http://craadoi-mada.com

Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY patrimoine.malgache@yahoo.fr ; http://terresmalgaches.info

Rakitra nisintonana hevitra

(1) http://www.lemadagascar.mg/21-inves...
(2) Ireo kaominina 8 dia : Ambatotsipihina, Ambohipihaonana, Andranofito, Andravola, Faratsiho, Ibity, Mandoto, Tsarahonenanana Sahanivotry
(3) http://www.lexpressmada.com/blog/ac... et http://www.farmlandgrab.org/post/pr...
(4) Bokin’andraikitra. Fanomezana tany ny mpandraharaha tsy miankina any amin’ny faritra fampiasam-bola ho an’ny fambolena (ZIA) ao amin’ny Faritra Vakinankaratra.
(5) « Zava-kendrena manokana : - fampitomboana ny tombon-tsanda vokarin’ny faritra amin’ny alalan’ny fambolena sy fiompiana ary fanodinana ny vokatr’ireo ; -fampiroboroboana ny famoronana asa any ambanivohitra ;- fampivoarana ny dingam-pamokarana rehetra ao anivon’ny tontolo ambanivohitra. » Tan-tsoratra fandravonana momba ny politikan’ny fampivoarana ny fambolena. Faritra Vakinankaratra, Oktobra 2015.

Ny singa-marik’ireo fikambanana nanasonia ity fanambarana ity dia ho hitanao ato amin’ny rohy: http://terresmalgaches.info/IMG/pdf...


© Collectif pour la Défense des Terres Malgaches | généré dynamiquement par SPIP & Blog'n Glop.