Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika


Accueil > Newsletter > Filazam-baovao faha-56

Filazam-baovao faha-56

publié par Admin, le mardi 5 juillet 2016

Toutes les versions de cet article :

Tompokolahy sy Tompokovavy

Raha sitrakao, dia soniavo sy aparitaho ity fitakiana mangataka fanohanana amin’ny alalan’ny fanaovan-tsonia naparitaky ny fikambanana Vona-n’ny Tia Tanindrazana ity mba hiarovana ny tanin’ny tantsaha sy olompirenena malagasy ao Soamahamanina, azafady.

Nomen’ny tompon’andraikitra malagasy alalana hitrandraka volamena ny orinasa sinoa, nefa marobe ny fiantraika ratsin’izany, anisan’izany ny fahapotehan’ny alatsy manam-paharoa volaza eto.

TSY EKENA NY FANOMEZANA ALALANA ARA-TONTOLO IAINANA NY ORINASA JIUXING MINES S.A.R.L HITRANDRAKA HARENA AN-KIBON’NY TANY AO SOAMAHAMANINA

Misy fanazavana fanampiny ao amin’ny rohy : http://terresmalgaches.info/IMG/pdf....

VONA-n’ny Tia Tanindrazana no anarana vaovaon’ny Komitin’ny Fanoherana ny Fitrandrahana Volamena araka ny tapaka nandritry ny hetsika lehibe tao an-tanàna ny faha-28 jona teo.

Tsindrio ilay rohy etsy ambany, soraty eo amin’ny toerana angatahana izany ny adiresy mailakao, avy eo tsindrio ilay « SIGNEZ »

Misaotra indrindra amin’ny fanohananao ny tantsaha malagasy

https://secure.avaaz.org/fr/petition/Amoureux_de_la_nature_et_de_Madagascar_Sauvez_la_foret_naturelle_de_TAPIA_une_espece_endemique_de_MADAGASCAR/?clVATkb

Mirary soa Tompoko

Mamy Rakotondrainibe
Fikambanana TANY miaro ny tany Malagasy


© Collectif pour la Défense des Terres Malgaches | généré dynamiquement par SPIP & Blog'n Glop.