Ne repoussez pas du pied la pirogue qui vous a aidé à traverser la rivière


Accueil > Articles > TOLORY TANANA NY TANTSAHA MALAGASY HISOROHANA IREO LOZA MANAMBANA AZY (...)

TOLORY TANANA NY TANTSAHA MALAGASY HISOROHANA IREO LOZA MANAMBANA AZY MAHAKASIKA NY TANINY

publié par Admin, le samedi 3 octobre 2015

Toutes les versions de cet article :

Ny Famaritan’ny mpitondra malagasy politika sy lalàna samihafa izay mifampiditra amin’ny fampiasan’ny mpampiasa vola tany dia ahiana hanitatra ny fandàvana ny zon’ ny tantsaha sy ny vondron’olona ifotony sy/na ny fokonolona eo amin’ny taniny

Mifanohitra amin’ny fanekena nataony hanamafy ny fanavaozana ny fananantany ny fizoran’ny governemanta malagasy mankany amin’ny fandevenana azy. Ao anatin’ny tsy firaharahiany ny tombotsoan’ny be sy ny maro dia mihemotra amin’ireo dingana vita teo amin’ny fanavaozana ny fananantany izy. Io fanavaozana ny fananantany io anefa, izay niantomboka tamin’ny taona 2005, dia nahafahana niroso tamin’ny dingana nanalàna tarazo mavesatra navelan’ny fanjanahantany.

Araka ny foto-kevitra miorina amin’ny « fiheverana fa an’izay nonina teo sy nampiasa azy ny tany », dia eken’io fanavaozana ny fananantany io ny zo maha-tompon’ny tany avy hatrany ireo izay mipetraka sy mampiasa ny tany tsy vita titra. Nandritry ny zato taona mahery dia tena sarotra ho an’ny ankamaroan’ny tantsaha ny fanatanterahana ny fombafomba mba ahazoana ny hany porofo neken’ny lalàna fa maha-tompon’ny tany azy, dia ny titra fananantany. Ny fanavaozana ny fananantany kosa dia nahafahan’ny tantsaha madinika sy ny vondron’ny mponina any ambanivohitra, izay 80%-ny Malagasy, noraisina ho toy ny tompon’ny tany eny amin’ny tanin’olon-tsotra tsy vita titra izay ny kaomina no miandraikitra ny fitantanana azy.

Notoherin’ireo mpiasan’ny sampan-draharan’ny fananantany ny dingana lehibe vita ka voarakitra tao anatin’ilay Taratasin’ny Politikan’ny Fananantany, izay vokatry ny soso-kevitra avy amin’ny fiaraha-monim-pirenena, ny ben’ny tanàna sy ireo mpisehatra hafa, ary efa nahazo ny fankatoavan’ny governemanta tamin’ny volana may 2015. Nanao fitokonana faobe tsy voafetra nanoherany mafy ny fanapariaham-pahefana eo amin’ny fitantanana ny fananantany sy ny tolo-kevitra ho amin’ny fanomezana andraikitra ny kaomina hitantana ireo faritra voatokana ho an’ny fampandrosoana eny ifotony sy ny fambolena tantanim-pianakaviana ireto mpiasan’ny sampan-draharan’ny fananantany

Nanadino ny tombotsoan’ny ankamaroan’ny Malagasy sy nanaiky ireo fitakian’ ny sendikan’ny mpiasan’ny sampandraharan’ny fananantany izay nifototra tanteraka tamin’ny tombotsoany manokana ny fanjakana ka nilefitra sy nanaiky ireo fitakian’ ny sendikan’ny mpiasan’ny sampandraharan’ny fananantany izay nifototra tanteraka tamin’ny tombotsoany manokana. Dia namoaka politikan’ny fananantany vaovao indray izy ny volana aogositra 2015, izay tsy nandalo ny fiaraha-midinika nandraisan’ny be sy maro anjara ny famolavolana azy.

Iaraha-mahita izany fa tsy vitan’ny niverina tamin’ny fanekena nataony mikasika ny fanavaozana ny fananantany ny governemanta fa tsy nanome lanja koa ny foto-kevitra mikasika ny fanangonan-kevitry ny ankolafin-kery avy amin’ny sehatra sy ambaratonga rehetra toy ny ben’ny tanàna sy ireo fikambanan’ny fiaraha-monim-pirenena.

Mandritr’izany fotoana izany koa, mikasika ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina, dia manokatra làlana malalaka ho an’ny fampiharana fepetra momba ny fanalàna sy fandroahana ny mponina avy eo amin’ny sombin-taniny izay efa nipetrahany na nivelomany ny mpitondra fanjakana ary manome vahana ny tombotsoan’ny mpampiasa vola teratany sy vahiny.

Misy volavolan-dalàna iray izay tsy nanaovana fampahafantarana mihintsy ny olom-pirenena, nefa nankatoavin’ny Filan-kevitry ny ministra ny faha 23 septambra 2015 lasa teo, izay manome alàlana ny Fanjakana hiroso amin’« ny fombafomba fanalana ny zo maha-tompony sy fanambaràna fa filam-bahoaka, raha toa ka misy asa tokony hatao amin’ny tany izay efa fananan’olon-tsotra ary mandà ny fanomezana zo amin’ireo tany ilaina ho amin’ny fanatanterahana ny fifanarahana mikasika fiaraha-miasan’ny fanjakàna sy ny sehatra tsy miankina ny tompon’ny tany».(And. 37).

Ny Fanjakana malagasy, izay mampiasa tsy an-drariny ny hevitra mahakasika ny « filàm-bahoaka », dia mampihemotra ireo zo fototry ny ankamaroan’ny Malagasy ka manolotena hiandraikitra ny fanalana sy ny fandroahana amin’ny tany ny tompon-tany sy ny mponina izay mandà tsy hanome ny taniny

Ny fangoronana ny tanin’ny malagasy amin’ny endriny samihafa dia hita fa miha-manindry hatrany. Manamarina izany ny fandinihana indray ny Fehezan-dalàna mifehy ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany, izay nanomboka volana maromaro izao. Mba hiarovana ny tombotsoan’ny mponina any ifotony hiharan’ny vokatry ny tetikasa fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, dia niroso tamin’ny adihevitra mikasika izany ny fikambanana amin’ny fiaraha-monim-pirenena ary nandahatra antonantony maro mikasika ny tokony mbola hanohizana ny fampihantonana ny fanomezana alàlana hitrandraka.

Ny governemanta amin’izao fotoana izao kosa dia manao safidy mifanohitra amin’izany. Efa manainga dieny izao sahady ny dingana amin’ny famadihana ireo fanomezan-dalana fikarohana ho fanomezan-dalana fitrandrahana izy, ny fanavaozana ireo fanomezan-dalana lany andro, eny fa na ny fanomezana alàlana vaovao aza. Tsy vita akory ny famitana ny fandinihina ny fanavaozana ny Fehezan-dalàna mifehy ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany, dia eo amin’ny 250 ka hatramin’ny 500 eo no voalaza fa isan’ny fanomezan-dalana karakaraina amin’izao fotoana izao.

Goavana ny fanamby. Ny Fehezan-dalàna mifehy ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany mihatra amin’izao fotoana dia manome alalana hanome efa-joro fitrandrahana mirefy hatramin’ny 10.000 km2 ho an’ny orinasa mpitrandraka iray. Ao anatin’io fepetra io dia fanomezan-dalana miisa 60 fotsiny, amin’io velarana io, dia ampy handrakotra ny velaran-tanin’i Madagasikara manontolo, ka tsy hamela toerana intsony hanaovana asa hafa toy ny fambolena.

Ankoatr’izay, ny Fehezan-dalàna mifehy ny Fampiasam-bola dia mbola manome hirika ny orinasa vahiny ho afaka hividy tany amin’ny alalan’ny fananana mpiombon’antoka malagasy na amin’ny alàlan’ny fampiasana anaran’olom-pirenena malagasy. Maro ireo fikambanan’ny fiaraha-monim-pirenena izay mitaky ny fanafoanana io fanomezana ara-dalàna io izay mandika ny fadin-drazana mahakasika ny tany izay heverina ho masina araka ny fomba malagasy.

Mba hanoherana ireo loza manambana amin’ny fanalana ny zo maha-tompony sy fandroahana ny ankamaroan’ny olom-pirenena indrindra ireo tantsaha amin’ny taniny, amin’izao fotoana ankatoky ny fivorian’ny Antenimieram-pirenena izao ary noho ny fisian’ny fivorian’ny rafitra mpamatsy vola an’i Madagasikara ny faha 7 Oktobra any Lima Pérou, dia tsy misy afa-tsy ny fampahafantarana sy ny fientanan’ny vahoaka eran-tany no afaka hanova ny fitongilanan’ny mizana eo amin’ny politikan’ny fananantany hanome lanja ny tombotsoan’ny tantsaha sy ny vondron’olona ifotony sy/na ny Fokonolona.

“Raha te-hamantatra bebe kokoa momba ireo Taratasin’ny Politikan’ny Fananantany sy ireo rakitra momba ny lalàna voaresaka anatin’ny fametrapetrahana fitakiana ianao, dia tsindrio eto.

Izahay, Sehatra Iombonana ho an’ny Fananantany – SIF – sy ny Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy, dia miantso ny olom-pirenena eran-tany mba hanohana ny vondron’olona ifotony na ny Fokonolona ary indrindra ny tantsaha malagasy izay ao anatin’ny fahasahiranana lalina, amin’ny fametrahana ny soniany amin’ity fitakiana ity :

- Andriamatoa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara,
- Andriamatoa Lahiben’ny Governemanta,
- Ramatoa isany sy Andriamatoa isany mpikambana ao anatin’ny governemanta,
- Andriamatoa Minisi-panjakana misahana ny Tetikasan’ny Filoham-pirenena, ny Fanajariana ny Tany sy ny Fampitaovana, izay miandraikitra ny fananantany,
- Andriamatoa Minisitra eo ambany fihadidian’ny Filoham-pirenena misahana ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany sy ny solitany,
- Ramatoa isany sy Andriamatoa isany Solombavam-bahoaka.

Mangataka amin’ny mpitondra Fanjakana malagasy izahay ny hamoahany lalàna miaro ny zon’ny tantsaha sy ny Fokonolona na ny vondron’olona ifotony eo amin’ny taniny sy mandrara ny fanalana ny zo maha tompony sy ny fandroahana avy eo amin’ny sombin-taniny, ary koa ny hanavaozana ireo volavolan-dalàna sy lalàna manan-kery izay tsy mifandraika amin’izany, araka ny fizotra mampandray anjara ny fiarahamonim-pirenena sy ny fitambaran’ny olom-pirenena amin’ny adihevitra sy ny safidy amin’ny dingana rehetra ».

----------

Fenoy ny fanaovan-tsonia etsy ambany (ampiasao ny adiresy mailakao manankery). Hahazo fangatahana fanamafisana sonia ianao rehefa avy manindry ny bokotra "Alefaso"

Filazalazana Fitakiana : TOLORY TANANA NY TANTSAHA MALAGASY HISOROHANA IREO LOZA MANAMBANA AZY MAHAKASIKA NY TANINY
Famantarana manokana

1 Signatures

DATE SIGNATURE NOM PROFESSION VILLE PAYS
19 juillet 2016 LEZY Frogin Anthropologue Ambanja - Région DIANA (MADAGASCAR) MADAGASCAR

© Collectif pour la Défense des Terres Malgaches | généré dynamiquement par SPIP & Blog'n Glop.