publié par Admin 2, le jeudi 26 juillet 2018
Misy solontenan’ny fokonolona monina manodidina ny toeram-pitrandrahana ao Mandena tonga teto Antananarivo mba hihaona amin’ny rafitra samihafa eo amin’ny ambaratonga nasionaly ary nanetsika ireo fampahalalam-baovao satria voasambotra ny naman’izy ireo efatra taminy faha-28 Jona. Ny didim-pitsaràna navoakan’ny Tribonaly taorian’ny fitsaràna azy ireo ny faha-5 Jolay dia sazy herintaona an-tranomaizina, sazy mihantona, miaraka amin’ny fandoavana onitra 1 tapitrisa ariary isan’olona.
Ny olana lehibe indrindra navoitran’ireo fokonolona efa an-taonany maro dia mikasika ny sandan’ny fanonerana ny tanin’izy ireo very noho ny fanomezana azy ny orinasa QMM hanaovana fitrandrahana tamin’ny alalan’ny fampanofàna maharitra isarian-ko tompony (bail emphytéotique). Niteraka fahaverezan’ny foto-pivelomana sy ny fototry ny fidiram-bolan’ny mponina niharan’ny tetikasa fitrandrahana izany.
Ny faha-3 Aogositra 2011 dia nisy Vaomiera niarahan’ny solontenam-panjakàna avy amin’ny Faritra, ny sampandraharahan’ny Fananan-tany (Domaines), Soridrefitany (Topographie), Fambolena (Agriculture) ary ny Fanorenana any ambanivohitra (Génie Rural), nanapaka fa ny sandan’ny fanonerana ny tany dia 3.000 Ariary isaky ny iray metatra tora-droa.
Na teo aza izany fanapaha-kevitra izany, dia 500 Ariary isaky ny iray metatra tora-droa no salan’isa nikajiana ny onitra voarain’ny mponina. Fanampin’izany, nisy fitarainana marobe noho ny fisian’olona maro tsy nahazo onitra ; ny fihenan’ny velaran-tany nolazain’ny QMM miohotra amin’ny velaran-tany voarefy teo aloha, sns…
Noho ny tsy fahazoana fahafaha-po tamin’ireo fitakiana, dia nosakanan’ny mponina ny làlana mankany amin’ny toeram-piasan’ny orinasa QMM ny 29 sy 30 ary 31 Mey 2018.
Mba ahitàna vahaolana, dia nivory nanao latabatra boribory indray ary nanasonia fifanekena ny faha-3 jona ireo solotenan’ny orinasa QMM, ny manam-pahefana avy ao amin’ny Fanjakàna, ny fikambanan’ny mponina ary ny fikambanana avy ao amin’ny fiarahamonim-pirenena.
Manambara ireo fokonolona fa tamin’ny fiandohan’ny volana Jolay, raha tapitra daholo ny fe-potoana voalaza ao anatin’ilay fifanekena voalaza etsy ambony fa fetra tsy maintsy ahatanterahan’ny asa nifanarahana, dia tsy nisy asa niantomboka na iray aza. Tsy nanaja ny fifanekena nosoniavina ny faha-3 Jona ny orinasa QMM fa naleony nitory ny mponina tany amin’ny Tribonaly noho ny hetsika nataony tamin’ny faran’ny volana Mey ka voasambotra ny olona efatra, notsaraina ary nosaziana.
Ny CRAAD-OI sy ny Fikambanana TANY dia :
26 Jolay 2018
Ny CRAAD-OI (Centre de Recherches et d’Appui pour des Alternatives de Développement – Océan Indien) craad.madagascar@gmail.com ; http://craadoi-mada.com
Ny Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy (Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY) patrimoine.malgache@yahoo.fr ; http://terresmalgaches.info