Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika


Accueil > Newsletters > Fampitam-baovao faha-92

Fampitam-baovao faha-92

publié par Admin 2, le lundi 30 avril 2018

Toutes les versions de cet article :

TSY EKENA NY FANOSIHOSENA NY ZO ARA-DALANA SY ARA-DRARIN’IREO MPONINA AO SALAZAMAY TOAMASINA - MADAGASIKARA

________________________________________________

Fintina

Fianakaviana ampolony ao Salazamay - Toamasina, no nanomboka nanaraka ny fombafomba fahazoana titra fananan-tany amin’ireo tanim-panjakana izay efa najarian’izy ireo ampilaminana tsy nisy mpanelingelina. Ireo dingana maro narahan’izy ireo, izay mifanaraka amin’ny didy aman-dalàna sy ny fitsipim-pintantanana, dia efa nandroso lavitra ary nisy aza efa tonga amin’ny fahazoana titra. Tampoka teo anefa, tamin’ny Desambra 2017, ny orinasa TELMA, orinasa tsy miankina misehatra amin’ny serasera, izay nanofa tany mifanila amin’ireo tany izay nangatahan’ny fokonolona izay voalaza etsy aloha tamin’ny alalan’ny fifanarahana fanofana tany maharitra, dia nisintona tamin’ny amboletra ireo sombin-tany izay efa nipetrahan’ny mponina tamin’io toerana io. Ny solon-tenam-panjakana eo anivon’ny sampan-draharan’ny Fananan-tany sy ireo olona manana andraikitra ambony eo anivon’ny Fitsarana dia nanao ny fomba rehetra mba hangalana indray ireo tany izay efa eo ampelan-tanan’ny Fokonolona, ka izany dia tamina tsy firaharahana ny Làlana sy ny Didim-pitsarana.

Rehefa tapitra nataon’izy ireo ny fitoriana rehetra teo anivon’ny faritany mba hamerenana ny tany izay najariany ela, izay ny ampahany amin’izy ireo dia efa nahazo titra, saingy tsy nisy vokany, dia nangataka fanohanana amin’ny Collectif Tany ireo mponina voakasika, izay Atoa Mahagaga sy ny mpiray tombotsoa aminy

- mba hanaparitaka ireo vaovao mahakasika ity toe-javatra izay tsy azo ekena nefa dia mitoetra maharitra,

- mba hanampy amin’ny fitakiana ny hanajana ny zon’izy ireo sy

- mba hifanakalo hevitra miaraka amin’ireo manam-pahaizana manokana momba ny lalàna sy ny fiarovana ny zon’olombelona eo amin’ny fijerena ny maha ara-dalàna na tsia ireo tranga maro samihafa sy ny zavatra tokony ataon’izy ireo mba hamerenanana amin’ny laoniny ny rariny sy ny hitsiny ary ny fahamarinana.

_________________________________________________


Niharan’ny fanitsakitsahan’ny Manam-pahefàna samihafa ny zony ny fianakaviana mi-isa 40 ao Salazamay - Toamasina. Ny orinasa matanjaka TELMA dia nampiseho tampoka fitsiriritana ny tanin’izy ireo. Ny feon’izy ireo sy ny fitarainany dia tsinotsiniavan’ireo tompon’andraikitra ny sampan-draharan’ny Fananan-tany sy ny Fitsarana. Ireo mponina ao Salazamay Toamasina dia nangataka ny fanohanan’ny Collectif Tany izay miara-miasa amin’ireo manampahaizana manokana momban’ny fananan-tany sy mpahay lalàna mahakasika ity raharaha ity.

1/ Ny zava-mitranga

Ireo fianakaviana ireo dia efa nanajary ny tany nanomboka ny taona 2007 tamina faritra antsoina hoe “Telma Salazamay”. Rehefa ela taty aoriana, dia nametraka fangatahana titra fananan-tany amin’ireo tany ireo izy ireo teo anivon’ny sampandraharan’ny fananan-tanin’ny Faritra Atsinanana. Ny "Receveur n’ny Domaines" -n’ny Toamasina I dia nanome fankatoavana ho fanohizana ireo fombafombam-pitsirihana izay nataon’ireo olona manana fahefana amin’izany. Ny taratasim-panjakana manamarina ny mombamomban’ny zo sy adidy mifandraika amin’ny sombin- tany io tamin’ny datin’ny 12 Oktobra 2017 dia manindry fa "ny tany dia an’ny Fanjakana malagasy ary tsy misy vesatra na dia iray aza na koa zo azo tsapain-tanana miankina amin’ny fanana-mifaka". Ireo fokonolona ireo dia nandoa ny sara izay notakiana ary nahazo ny laharan’ny raharaha, ny sasany tamin’izy ireo dia efa nanomboka nanao ny tsato-bato ary nahazo ny titra raikitra fananany ny tany.

Io tany io (1) dia nifampizaran’ny orinasa TELMA, izay nangataka ary nahazo 79 a 14 sa tamin’ny alalan’ny fanofàna maharitra, sy ireo mponina eo an-toerana, Andrimatoa Mahagaga sy ny mpiray tombotsoa aminy. Tamin’ny 25 Septambra 2017, Ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany dia namoaka didy laharana 1541 AG 2017 manome alalana ireo mponina hanangana fefy.
Ny 29 Oktobra 2017, ny "Receveur n’ny Domaines" dia niantso ny mponina sasany ary nilaza fa ilain’ny orinasa TELMA ny tany izay efa nomena azy ireo. Nanome soso-kevitra hanoloana ny tanin’izy ireo amin’ny alalan’ny vola izy
- eo amin’ny 20 ka hatramin’ny 30 tapitrisa Ariary araka ny voalazan’ny ampahany amin’ireo mponina ireo - saingy nandà tsy nandray izany ireo olona notambazana izany. Ny kaomina ambonivohitry Toamasina anefa, ny 19 Desambra 2017, dia nanome fahazoan-dalana fanorenana ho an’ny orinasa TELMA izay nanomboka nanorina ny fefy tao anatin’ny tanin’ireo mponina ireo.

Ny 20 Desambra dia nisy olona 4, izay ny telo amin’izy ireo dia mpiasan’ny sampandraharan’ny Fananan-tany, niditra ny faritra izay ifanolanana, ary nanontanian’ny vadin-tany nalain’ny mponina izy ireo raha toa ka manana fahazoan- dàlana hiditra ao anatin’ny faritra izay fananan’olon-tsotra mifefy. Namaly anefa izy ireo fa tsy manana izany fa miasa amin’ny alalan’ny baikon’ny "Receveur n’ny Domaines" Toamasina I. Dia niroso tamin’ny fanatsatohana vato baorina ny tany efa nomena ny mponina izy ireo ho amin’ny anaran’ilay orinasa voalaza etsy ambony.

Nanoloana ny toe-java-nisy, ny mponina rehetra izay voakasika dia nametraka fitoriana tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao Toamasina ary ity farany ity dia nandidy ny hampihatoana ny asa rehetra fanaovana baorina amin’ny tany izay efa nipetran’Andriamatoa Mahagaga sy ny mpiray tombotsoa aminy. Indrisy anefa fa ny firotsahan’ny vadin-tany nalain’ny mponina sy ny mpisolo vava azy ireo mba hampihatra ny didim-pitsarana dia tsy nisy vokany. Manampy trotraka izany, ny Kaomina ambonivohitry Toamasina dia nanome fahazoan-dàlana hanorina an’io orinasa io amin’ny alalan’ny fanapahana laharana 062 tamin’ny 19 Desambra 2017, izay notoherin’ny mponina teny amin’ny Fitsaràna momba ny ady atao amin’ny Fanjakana sy rafitra misata Fanjakana. Nahazo rariny ny mponina tamin’ny fampihatoana io fanapahana io ny 20 Febroary 2018.

Na dia teo aza ireo didim-pitsarana sy fampahafantarana nataon’ny vadin-tany, dia mbola mitohy ny tsy fanajàna ny lalàna sy ny asa fanatsatohana vato baorina amin’ny anaran’ny orinasa eo amin’ny tany izay efa nojarian’ny mponina.

Ireo mponina ireo sy ny mpisolo vava azy ireo dia nametraka fitoriana ny orinasa TELMA noho ny fikomiana tsy hanatanteraka didim-pitsarana izay sazian’ny Fehezan-dalàna famaizana amin’ny andininy faha 221, sy fanosihosena ny zo fitompoana ary fanatanterahana amin’ny fisainana ratsy ny didim-pitsarana, herisetra izay sazian’ny andininy faha 331 ny Fehezan-dalàna famaizana. Ireo fitoriana reo dia nahazo "Soit Transmis" mba hanaoavana famotorana sy fanerena ho entina ho fotorona eo anoloan’ny fampanohavana ny olona izay voatory izay nalefa tamin’Andriamatoa Kaomiseran’ny Polisy ara-toekarena ao Toamasina. Mahagaga anefa, fa ny 16 janoary 2018, ny Mpampanoha Lalàna ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina dia nandefa tao amin’ny Polisy ara-toekarena filazàna fa tsy hasiana tohiny intsony ny famotorana rehetra.

Tsy tambo isaina ary tsy azo ekena ny olana sedraina sy ny tsy rariny iainanan’ireo mponina ao Salazamay ireo.

2/ Ny lalàna malagasy dia miaro ireo mponina ireo izay miady amin’ny orinasa voakasika sy ny Fanjakana amin’ity trangan-javatra ity.

Nanoloana ny fangataham-balin-teny nataon’ny vadin-tany, dia namaly ny "Receveur des Domaines" fa nisy ny fifanarahana fanofàna maharitra teo amin’ny orinasa TELMA sy ny Fanjakana malagasy. Io fandresen-dahatra io dia tsy azo raisina satria :

  • Ny fampanofana ny tany ao Salazamay amin’ny orinasa TELMA dia mahakasika fotsiny ny velarana 79 a sy 14 sa fa tsy mikasika ny sombin-tany izay nangatahana sy efa nomena an’ireo mponina, izay tsy iza fa Andriamatoa Mahagaga sy ireo mpiaradia aminy.
  • Ankoatr’izany, io fifanarahana fanofàna tany io - izay tafiditra ao anatin’ny antontan-taratasy iray tamin’ny taona 2004 izay milaza ny fisian’ny fampanofana tany marobe eo amin’ny orinasa TELMA sy ny Fanjakana Malagasy manerana ny faritra rehetra eto Madagasikara - dia tsy vita fandraketana, tsy nanaovana fampahafantarana sy tsy nampiharina nandritra ny 13 taona. Ny andininy faha-5 n’ny fifanarahana fampanofàna mantsy dia manindry mazava tsara fa raha tsy tanterahana ao anatin’ny enim-bolana ireo


fombafomba sy ny fipetrahana amin’ny tany, dia heverina ho toy ny tsy misy ny fifanarahana momba ny fanofàna.

Efa taty amin’ny taona 2017 rehefa vita titra sy/na nanomezana toky fa amidy ireo tany efa vita voazary, sy tao aorian’ny fitsirihana nataon’ny komity misahana ny tanim-panjakana nanambara fa azo amidy satria malalaka ireo tany ireo ary afaka omena ho amin’ny tombotsoan’ny mponina, izay vao nifoha tamin’ny torimasony ny orinasa TELMA ary nanao fangatahana ireo sombin-tany efa nomena ny mponina. Ny fanatsatohana vato baorina izay efa nampihatoan’ny didim-pitsarana ny fanaovana azy eo amin’ny tany izay voakasik’ity raharaha ity dia mifanandrify amin’ny fandikan-dalàna amin’ny fangalana an-keriny ny fananan’olona mifaka.

Ny fifanarahana fampanofana maharitra izay arangarangan’ny Receveur des Domaines dia tsy manan-kery amin’Andriamatoa Mahagaga sy ireo mpiara tombotsoa aminy :

  • Ny antony voalohany dia satria izy misahana amin’ny ampahany tany efa vita titra ;
  • Manaraka izany, mahakasika ny ambin’ny tany rehetra, dia noho io fifanarahana io mikasika tany efa nipetrahana ela sy efa nojariana, ary efa nanomezana toky fa ho amidy, izay manaja ny fombafomba voalazan’ny didim-panjakana laharana 2010-233. Noho izany dia tsy afaka omena ny orinasa TELMA, araka ny voalazan’ny lalàna laharana 2008-014 sy ny didim-panjakana mampihatra azy mitondra ny laharana 2010- 233 tamin’ny 20 Aprily 2010 ao amin’ny andininy faha 29.

Noho izany,

  • ny fanomezana tombon-dahiny fifanarahana fampanofana tany izay efa lany andro sy tsy voarakitra ary tsy nanaovana fampahafantarana ny be sy ny maro,
  • miampy ny fanapahana ny fanomezan-tokim-pivarotana izay efa notanterahana
  • sy ny fanafoanana ny Titra izay efa miaro zo fitompoana

ataon’ny solontenan’ny Fanjakana, amin’ny alalan’ireo solontenany ao amin’ny faritanin’i Toamasina, dia fanaovana fanaparam-pahefana miharihary eo amin’ny fomba fandinihany sy ny fanapahan-keviny manoloana ny toe- draharaha. Ny Fanjakana eto dia manamarina ny fahazoana amin’ny fomba tsy marina ny tany izay fananan’olon-kafa sady nanome tany fananan’olon-kafa tamin’ny alalan’ny fampanofana maharitra ny, koa nanao fandikan-dalàna (stellionat) amin’ny famarotana ny fananan’ny hafa. Koa ny Fanjakana eto dia tokony hanonitra ny hadisoana vita niarahany tamin’ny orinasa TELMA, amin’ny famerenana ireo tany izay efa vita titra sy ny famitana ny famarotana ho amin’ny tombotsoan’Andriamatoa Mahagaga sy ny mpiray tombotsoa aminy.

Farany, tsy azo ekena ary mifanohitra amin’ny Lalàm-panorenana raha toa ka misy fangatahana anankiroa samihafa amin’ny sombin-tany iray, ka mitanila amin’ny olona iray (TELMA) izay hiteraka fahavoazana ho an’ny olona iray hafa (Ny fokonolona) ny Fanjakana. Torak’izany ihany koa ny fandàvana ny fangatahana nataon’ny fokonolona izay miaro ny zony manoloana ny fitsaràna amin’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Manampahefana ambony mitondra ny laharana 1660/17-M2PATE/SG/DGSF tamin’ny 26 Desambra 2017 izay "mandà ankitsirano izay fangatahan-tany rehetra tafiditra ao anatin’ity fananana (hifanolanana) ity" ary ny filazàna fa havalona tsy hasiana tohiny ny famotorana rehetra taminy 16 janoary 2018. Satria

  • Ny Fanambarana Iraisam-pirenena ho amin’ny Zon’Olombelona, izay noraisin’ny Lalàm-panorenana Malagasy ho isan’ny fenitra ankatoaviny, dia manindry mazava tsara ao amin’ny andininy faha 10 fa "ny olona rehetra dia manana zo, izay mitovy, ny hiainoana ny fitarainany ara-drariny sy ampahibemaso amin’ny alàlan’ny Fitsarana mahaleo tena sy tsy mitanila" ;
  • Ny andininy faha 7 n’ny Sata afrikanina momban’ny zon’Olombelona sy ny mponina dia manambara fa "ny olona rehetra tsy ankanavaka dia manana zo mba ho henoina avokoa ny fitarainany. Io zo io dia : a/ ny zo afaka manatona sy mampiasa Fitsaràna izay mahefa ao amin’ny firenena manoloana ny fihetsika manimbazimba ny zo fototra izay neken’ny fifanarahana iraisam-pirenena, ny lalàna, ny didim-panjakana sy ny fomban-drazana izay manan-kery" ;
  • Ny Lalàm-panorenana tamin’ny Novambra 2010 ao amin’ny andininy faha 3 andalana faha 4 dia mandidy fa "ny lalàna no miantoka ny zo mba ho henoina manoloana ny Fitsarana ary ny tsy fananana ny ho enti- manana hanatanterahana izany dia tsy azo atao sakana".


Ireo didy, fampilazàna sy fanapahan-kevitra, izay mandà ny fampiasan’ny mponina ny Fitsaràna mba hampahafantarana ny zony dia mifanohitra amin’ny Lalàm-panorenana ary tsy manana lanja ara-dalàna velively.

Ity raharaha ity, izay maneho sariitatr’ireo endrika adin-tany marobe eto Madagasikara (caricature) izay azo adika ho "toy ny vazy tany miady amin’ny vazy vy" na "toy ny atody miady amam-bato", dia mampiseho indray ny olana mahakasika ny fampiharana ny lalàna laharana 2008-014 tamin’ny 23 Jolay 2008 mahakasika ny tanim-panjakana azo amidy : Ny Fanjakana izay heverina ho toy ny olona tsotra fehezin’ny lalàna mifehy ny olon-tsotra eo amin’ny fitantanana ny tanim-panjakana tsy azo amidy dia tsy afaka velively mampiasa ny tombotsoa manokana amin’ny fampiasana ny herim-panjakana sy fanararaotana na jadona. Ny tsy fanajany ny lalàna amin’ny fandraisany fanapahan-kevitra dia ho sazian’ny Fitsarana tsy mitanila.

Raha teny ampanombohana, Ny Fanjakana dia afaka nitsara fa mety ny hanomezana ny tany ho an’ny TELMA na ho an’ny mponina anatin’ny Fokonolona. Nanomboka tamin’ny Novambra 2017 kosa, tamin’ny andro izay nisian’ny fanomezan-tokim-pivarotana raikitra ho an’ny Fokonolona ary indrindra fa efa misy ireo titra fananan-tany izay efa nekena sy nozaraina tamin’ny ampahany amin’izy ireo, dia tsy afaka manao inona intsony ny Fanjakana afa tsy ny mamita hatramin’ny farany ny famindrana ny tany amin’ny anaran’ny Fokonolona ary tsy afaka manafoana velively ny titra raikitra efa nomena, raha tsy izany dia misy fanararaotana.

Noho izany, ny fitakiana ataon’ireo mponina ireo dia mitombona satria sady ara-dalàna no ara-drariny.

3/ Ny mponina izay voakasik’ity raharaha ity dia mitaky ny hamerenana ny taniny sy ny zony

- Ireo mponina izay voahongotra teo amin’ny taniny dia miandrandra ny hampiasa feno ny zon’izy ireo, sy amin’ny fomba maharitra, eo amin’ny tany izay efa nojariany nandritran’ny folo taona mahery, mangataka ny mba hahazo ny titra fanana-tany mifanaraka amin’ny lalàna malagasy, satria nino izy ireo fa izany làlana izany no hiantoka ny fiarovana ny zon’izy ireo amin’ny taniny araka ny ambeti-tenin’ny manampahefana ;

- Mangataka izy ireo ny ampitsaharana avy hatrany tsy misy hatak’andro ny fanorenana fefy ataon’ny orinasa eo amin’ny tanin’izy ireo izay ny ampahany dia efa vita baorina sy titra ;

- Mitaky koa izy ireo ny fampijanonana ilay fanapahan-kevitra avy amin’ny Fampanohavana nanambara fa tsy hasiana tohiny intsony ny fitorian’ny mponina rehetra sy ny fanohizana ny fombafomba izay efa natombony manoloana ny fitsaràna, izany dia ao anatin’ny fanajana ny zon’izy ireo hampiasa malalaka ny Fitsaràna ;

- Mangataka ihany koa izy ireo ny hitondrana manoloana ny Fitsarana sy ny fanesorana amin’ny andraikiny ireo manam-pahaizana manokana momba ny lalàna an’ny orinsa tsy miankina na an’ny Fanjakana, ary koa ireo manam-pahaizana manokana momba ny Fananan-tany izay nandika lalàna sy nampiseho fitongilanana sy tsy rariny miharihary tao anatin’ity raharaha ity ;

- Mitaky ihany koa izy ireo ny fampijanonana ny fandrahonana ho samborin’ny EMMOREG mihatra aminy isaky ny mba manao zavatra sy asa eo amin’ny taniny izy ireo.

Famaranana

Ireo andrana maro hamoaka ampahibemaso amin’ny alalan’ny haino aman-jery ireo tranga ireo tamin’ny alalan’ny fahatongavan’ny mpanao gazety teny an-toerana dia nandamoka daholo satria tsy nisy nivoaka avokoa nohon’ny antony izay tsy fantatry ny mponina. Tonga tany Antananarivo ny solontenan’izy ireo ny faha 16 Martsa 2018 ary nandeha tao amin’ny vaovaon’ny Televiziona iray ny resadresaka nataony izay nahafahany namelabelatra ny fitakiany. Tsy niteraka hetsika avy tamin’ny manam-pahefana mba hamahana ny olana tany an-toerana anefa izany.

Ny Fikambanana TANY dia maniry mba tsy ho adikan’ny manampahefana ho " hetsika politika" io fanehoana amin’ny haino aman-jery ny fanoherana ataon’ny mponina io, satria toa nolokoina toy izany mantsy ny fanehoana tamin’ny haino aman-jery ireo fanoherana mahakasika ny fibodoana tany maro samy hafa tany aloha. Fitakiana ara-drariny ny

zon’ny mponina no atao, lavitry ny resaka fitiliana politika, ary fampahafantarana ny mpitondra fanjakana ambony ny fomba fiasa sy fanapahan-kevitra tsy manara-dalàna ataon’ireo solon-tenany eny an-toerana.

Noho izany antony izany no anasanay ireo Manampahefana mpiandraikitra eo ambonin’ireo manampahefana eny an-toerana izay voakasika ao anatin’ity raharaha ity
- mba hanazava ny antony mahatonga ireo didim-pitsarana izay manome rariny ireo olom-pirenena ireo tsy mbola nampiharina
- ary indrindra mba hitaky ny hampiharana ny lalàna malagasy ho an’ny olona rehetra tsy ankanavaka.

Ny fanatanterahana izany dia fomba hanehoan’ireo ireo Manampahefana ambony fa tsy miray tsikombakomba amin’ny zavatra ratsy ataon’ireo olona eo ambany fifehezany izy, sady koa hampisehoany fa hanaja ireo adidy aman’andraikitry ny Fanjakana nateraky ny fifanarahana iraisam-pirenena mahakasika ny zon’olombelona izay nankatoavin’i Madagasikara ho isan’ny lalànany izy sy hanaja ireo fametrahan-teny samirery nataon’ireo solon- tenam-panjakana nanoloana ireo rafitra maro samihafa mpanara-maso ny fampiharana ireo lalàna iraisam-pirenena ireo.


Parisy, faha 11 Aprily 2018

Ny Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy

patrimoine.malgache@yahoo.fr ; http://terresmalgaches.info ; www.facebook.com/TANYterresm....

(1) Ny fototry ny olana  : Velaran-tany antsoina hoe « TELMA SALAZAMAY » TF N° 9641-BA ao Salazamay, Fokontany Salazamay, Kaominina Ambonivohitra Toamasina, Distrika Toamasina I, Faritra Atsinanana izay mitotaly efatra hekitara, fito amby roapolo ara, fito ambiny folo santiara (04 ha 27 a 17 sa)


© Collectif pour la Défense des Terres Malgaches | généré dynamiquement par SPIP & Blog'n Glop.