Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika


Accueil > Newsletters > Filazam-baovao faha-88

Filazam-baovao faha-88

publié par Admin, le dimanche 18 février 2018

Toutes les versions de cet article :

TENA TOKONY ATSAHATRA MIARAKA AMIN’NY VAVA
NY TETIK’ASA FITRANDRAHANA HARENA AN-KIBON’NY TANY
ATAON’NY DNI METALS AO VOHITSARA MADAGASIKARA !

Ventiny :

Nametraka fitarainana tamin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina ny tompon-tany voatohintohina tamin’ny fitrandrahana vatosoa manjarano ataon’ny Orinasa DNI Metals ao Ambatolampy - Vohitsara, Distrikan’i Brickaville. Ny didy maika navoaky ny Filohan’ny Fitsarana dia nanamafy ny fisian’ny hetsika hafahafa sy fanararaotana teo amin’ny asa sy ny fahazoan-dàlan’ity Orinasa ity raha tarafina manoloana ny Lalàna velona malagasy. Nampiakarina amin’ny Fitsarana Avo ny raharaha ka amin’ity volana Febroary 2018 ity ny fotoam-pitsarana.
Ny fikambanana TANY dia manao antso avo etoana amin’ny olom-pirenena manerana izao tontolo izao, ary anisan’izany ny mponina amin’ireo firenena fiavian’ireo izay mampiasa ny volany na manana petrabola ao amin’ity Orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany ity, ary miangavy azy ireo mba hanohana ireo vondrom- bahoaka ao an-toerana izay mizaka ny fiantraikan’ity tetik’asa ity. Maniry koa ny fikambanana TANY ny hizara etoana antsipiriany vitsivitsy momba ity fifanolanana ity, mba hamakiana bantsilana ny foto-kevitra ampiasain’ireo izay miaro ny Orinasa DNI Metals, sy hampahafantarana ny tsirairay ny tranga samihafa mba hahazoan’ny rehetra misintona lesona amin’ny toe-javatra tsy azo ekena iainan’ny mponina ao amin’ny Fokontany Vohitsara, Kaominina Sahavalaina, Distrikan’i Brickaville, Faritra Atsinanana.

Tamin’ny volana Martsa 2017 no nanomboka nikaroka vatosoa manjarano tao Vohitsara ny orinasa kanadiana mpitrandraka harena ankibon’ny tany DNI Metals nefa tsy nisy fanekena ara-dalàna azo avy tamin’ny tompon’ny tany tsirairay. Efa aty amin’ny volana Febroary taona 2018 isika izao, izany hoe efa ho herintaona taorian’ny nanombohan’ny asa nataon’ny DNI, nefa tsy mbola vita ihany ny fakàna ny hevitr’ireo tompon-tany tsirairay ; fanonerana tsy ara-drariny na tsy nisy fanonerana mihitsy aza, no azo, ka mihalany hevitra hatrany hatrany ireo vondrom-bahoaka ao an-toerana eo amin’ny fiarovana ny taniny. Nilaza i DNI teo am-panombohana ny asany fa nahazo ny fankatoavana tambabe avy taminn’ny mponina izy, saingy mbola olana tsy vita hatramin’izao ny momba ny faneken’ny tompon’ny tany tsirairay.

Tsy mitombina ny filazàna fa porofon’ny fankatoavana ny fitrandrahana ny sonia hita ao amin’ny fitanana an-tsoratra ny fihaonan’ny mponina niaraka tamin’ny manam-pahefana.

Ny Orinasa DNI sy ireo mpiaro azy dia miantehatra amin’ny tatitra an-tsoratra momba ny fivoriana tamin’ny 23 Febroary 2017 izay nihaonan’ny manam-pahefana sy ny mponina voakasiky ny raharaha mba hilazàna fa nahazo fankatoavana tambabe avy amin’ny vondrom-bahoaka ao an-toerana ny orinasa mikasika ny asa fikarohana ataony. Noho ny antony maro anefa, dia tsy azo raisina velively ho faneken’ny tompon’ny tany ny asa fikarohana io tatitra io na dia nosoniavin’ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Ambanivohitr’i Ambinaninony sy misy ny lisitry ny anarana sy sonian’ireo olona 142 nanatrika ny fivoriana aza. 

Voalohany, tsy hita veroka ao amin’io tatitra an-tsoratry ny fivoriana io ny fanatrehan’ny solontenan’i DNI, izay mety ho afaka nanamarinana fa nikatsaka tokoa ny fankatoavan’ny mponina ny tetik’asa fikarohany ny Orinasa.

Faharoa, ilay fitanana an-tsoratra ny fivoriana dia tsy manonona mazava ny faneken’ny tompon’ny tany ny amin’ny fikarohana vatosoa manjarano, fa mitatitra fotsiny ny fanazavan’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny mikasika ny fanamboarana làlana mba hahafahan’i DNI miditra amin’ny toby fikarohana ny vatosoa manjarano, làlana izay mirefy 4 km eo anelanelan’i Vohitsara sy Ambatolampy.

Fahatelo, ny andininy manaraka ao amin’ny fitanana an-tsoratra ny fivoriana dia manondro mazava tsara, tsy tahak’ilay andininy teo aloha, fa ireo tompon’ny « tany sy voly » voakasiky ny asa fikarohana dia hifampiraharaha amin’ireo tompon’andraikitra ao amin’i DNI hikaroka fifanarahana momba ity fikarohana ity sy hametra ny tombam-bidin’ny fananana mikasika ny fambolena izay simban’ny asa fikarohana sy ny fanamboarana ny làlana. Tamin’ny volana martsa 2017 no nanomboka ny fanamboaran-dàlana. Ny fifanarahana teo amin’ny orinasa DNI sy ireo tompon’ny tany niharan’ny fahavoazana noho ny asa fikarohana - izay hany azo ekena ho fankatoavana ireo asa ireo - dia tsy mbola raikitra hatramin’izao, na dia efa nisy aza fifampiraharahana natomboka tamin’ny volana jolay 2017, vokatry ny fitakiana nataon’ny tompon’ny tany. Nandamoka anefa izany fifampiraharahana izany, satria fifampiraharahana sady tsy natao tamin-kitsi-po, no tsy nisy finiavana hitady fifanarahana azon’ny rehetra ekena.

Farany, raha sanatria ka ho raisin’ny mpitsara ho fankatoavana ihany ilay fitanana an-tsoratra ny fivoriana, dia tsara ny manamarika fa tsy azo lazaina ho fankatoavana marina izany, izay miainga avy amin’ny fahafantarana mazava ny lafiny rehetra ambadiky ny fankatoavana nomena (consentement éclairé, en toute connaissance de cause). Tsara ho fantatra mantsy fa tsy voalaza mihitsy ao amin’ilay fitanana an-tsoratra fa ireo olona 142 nanatrika ny fivoriana ireo, izay nanao sonia ny tatitra, dia nanao izany rehefa nohazavaina tsara taminy fa fankatoavana ny hikarohana vatosoa manjarano amin’ny tanin’izy ireo tsirairay avy ity fanangonan-tsonia ity. Koa satria tsy misy ny fanamarinana mazava toy izany, dia azo raisina ho toy ny fanamarinam-pahatongavana fotsiny ihany ilay fanangonan-tsonia, araky ny fanao mahazatra mandritra ny fivoriana tahaka izao eto Madagasikara.

Ampahany tamin’ireo fanapahan-kevitra nifanarahana tamin’ny fivoriana natao tamin’ny 23 febroary fotsiny ihany izany no nampiharina, fa tsy noraharahaina sady tsy nasiana hasiny ny zon’ny isam-batan’olona tompon’ny tany. Manoloana izany rehetra izany anefa, ny manam-pahefana izay nandray anjara tamin’ity fivoriana ity sy tamin’ireo fanapahan-kevitra ireo, ary nanasonia izany, dia mangina tsy miteny tsy mivolana eo anatrehan’ny tsy fanatanterahan’ny orinasa DNI ny teny nomeny sy ny adidiny. Nandray anjara tamin’ny fivoriana hafa koa ny manam-pahefana avy amin’ny Faritra, ny Distrika ary ny Kaominina (nanomboka tamin’ny Janoary ka hatramin’ny Septambra 2017) - fivoriana nihaonan’ilay orinasa sy ny tompon’ny tany -, ka tamin’izany no niaiky i DNI, sady nataony an-tsoratra izany miaraka amin’ny olana hafa koa, fa tsy nety ny nataony, noho izy tsy nikatsaka ny fankatoavan’ny isam-batan’olona. Na izany aza dia nanohy ny asany ihany ny Orinasa teo amin’ny tanin’ny mponina izay tsy nahazoany fankatoavana, ary tsy nahenoana feo momba izany ny manam-pahefana. Miteraka fanontaniana sady mampieritreritra lalina izao fahanginan’ny manam-pahefana izao ka mampanontany tena hoe : Inona loatra lahy no ambadik’izao fahanginana tena mampiahiahy izao ?

Ny olana hafa miharihary amin’ny rehetra momba ity raharaha manahirana ity, ary efa voaresaka tao amin’ny fanambarana nivoaka teo aloha, dia ny fisian’ny zavatra tsy mirindra sy mifanipaka mikasika ny fahazoan-dàlana hitrandraka (Jereo http://terresmalgaches.info/spip.php ?article175).

Fifanoheran-javatra eo amin’ny sehatry ny fahazoan-dàlana hitrandraka.

Tany am-piandohana, nividy fahazoan-dàlana hitrandraka izay natokana ho an’ny mpitrandraka madinika (PRE) tamin’ny olom-pirenena Malagasy iray i DNI. Tatỳ aoriana anefa nanambara i DNI fa novainy ho tonga fahazoan- dàlana mitrandraka harena an-kibon’ny tany ho an’ny Orinasa Lehibe (PE) ilay PRE. Orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany i DNI. Ao amin’ilay didy maika navoakan’ny Filohan’ny Fitsarana ny 8 Desambra 2017 anefa dia voasoratra fa ilay fanomezan-dalana natokana ho an’ny mpitrandraka madinika, izay azony tany am-piandohana, no entin’i DNI miasa. Mampiseho izany fa mifanohitra ny fanambarana nataon’i DNI momba ny fahazoan-dalàna hitrandraka entiny miasa sy ny fahazoan-dàlana nampiasain’ny Fitsarana tamin’ny didy navoakany.

Maneho fampiharan-dalàna feno tandrevaka, mba tsy hampiasana teny hafa, ity tranga ity, ary miteraka fanontaniana mavesatra sady goavana. Ny andininy faha- 39 sy 42 amin’ny Fehezan-dalàna mifehy ny harena an- kibon’ny tany dia manambara fa ny fanomezan-dalana PRE dia « natokana ho an’ny mpitrandraka madinika » ; noho izany, ny famindràna ny fanomezan-dàlana PRE amina Orinasa Lehibe toa an’i DNI Metals, tsy misy arakaraka, ary nahazo ny tso-dranon’ny ambaratongam-pahefana rehetra eo amin’ny fanjakana, dia miteraka ahiahy eo amin’ny maha firenena tan-dalàna an’i Madagasikara, izay fototra iorenan’ny Repoblika araka ny Lalam-panorenana (And. 1) sy eo amin’ny fomba fitantanana ny harenany an-kibon’ny tany, ary ny amin’ny fanajàna tanteraka ny lalàna mifehy ny fanomezan-dàlana amin’ity sehatra iray ity.

Ambonin’izay, ny fifanoherana misy eo amin’ny fanambaràna nataon’ny orinasa DNÍ sy ny fomba enti-miady araka ny toe-draharaha sy araka ny lalàna naroson’ny Fitsarana ao Toamasina dia manamafy ny fisian’ny olana mikasika ny fanaraha-maso ny fahazoan-dàlana entin’ny orinasa mpitrandraka miasa, eny fa na dia eo anivon’ny Fahefana mpitsara aza.

Fitsentsefana sy fanararaotana mikasika ny onitra omena ny mponina sy ny zon’ny tompon’ny tany.

Rava izao ny tany sy ny volin’ireo mponina manan-tany ao Vohitsara, ary tandindomin-doza ny hoavin’izy ireo. Na dia nampiasaina tamin’ny fikarohana harena an-kibon’ny tany nataon’i DNI aza ny tanin’ireo tantsaha, tsy nahazo fanonerana ara-drariny izy, na tamin’ny nampiasana ny taniny izany, na noho ny vokatra very. Rehefa nanomboka nampiaka-peo ireo tantsaha tompon’ny tany ireo vao nanomboka nanonitra tompon’ny tany vitsivitsy ny orinasa DNI, ka ny iray tamin’izy ireo dia nahazo 30 000 Ariary noho ny fampiasana ny taniny mandritra ny fotoana tsy voafetra.

Ireo tompon’ny tany nandà tsy handray fanonerana ambany dia ambany toy izany, ary tsy te-hanao fifanarahana tsy ara-drariny amin’i DNI, dia norahonan’i DNI, sady nampitahoriny, ary ny iray tamin’izy ireo dia nosamborina tsy nisy fanazavana.

Noho ny fitohizan’ny fanitsakitsahana ny zon’ny tompon’ny tany, sy noho ny fitohizan’ny fanaovana tsindry hazo lena ny tantsaha, dia nanapa-kevitra ny tompon-tany dimy fa hitory ny Orinasa DNI tany amin’ny Fitsarana Faritra Toamasina. Nanome rariny tanteraka ny DNI ny Filohan’ny Fitsarana tamin’ny didy maika (“ordonnance de référé”) navoakany ny 8 Desambra 2017, fanapahan-kevitra izay naoriny tamin’ny andininy faha-129 amin’ny Fehezan-dalàna mifehy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany (Code minier), na dia nisy aza ny fitantaràna, ny antontan-taratasy, ny tatitra sy ny sary izay nanohana sy nanamarina ny fitarainan’ireo tompon’ny tany ireo momba ny fandikana ny lalàna mifehy ny tany. Ankoatr’izay, nanoro hevitra ireo mpitory ny mpitsara mba hangataka onitra amin’i DNI, araka ny andininy faha-129 amin’ny Fehezan-dalàna mifehy ny harena ankibon’ny tany, izay manambara fa tsy maintsy manome onitra ny orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany.

Saingy tsy nilaza na inona na inona momba ny Andininy faha-125 ny mpitsara - andininy izay milaza fa ny tompon’ny fahazoan-dàlana hitrandraka dia tsy maintsy mifanaiky amin’ny tompon’ny tany isam-batan’olona, alohan’ny hanombohan’ny asa. (Andininy faha-125 amin’ny Fehezan-dalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany :« Ny tompon’ny Fahazoan-dàlana hitrandraka ny harena ankibon’ny tany sy ny tompon’ny tany dia mifanaiky amin’ny alalan’ny fifanarahana, momba ny zo sy adidy anananan’ny tsirairay").

Hita miharihary eto ny tsy fisian’ny fanajana ny zon’ny isam-batan’olona, izay marihin’ny Andininy faha-34 ao amin’ny Lalàm-panorenan’ny Repoblika Malagasy, ary fanontaniana lehibe no mipetraka momba ny fiarovana ny zon’ny vahoaka malagasy mizaka ny taniny, rehefa fantatra fa ireo tompon’ny tany ireo dia manana taratasy ara- dalàna sy ara-panjakana momba ny fizakany ny tany.


Fehiny :

Ity fanambarana ity dia natao voalohany indrindra ho antso fampahafantarana alefa amin’ny manam-pahefana ary hampahatsiahy azy ireo fa tsy azo ekena ny fanosihosena sy ny fanitsakitsahana ny zon’ny mponina eo amin’ny taniny. Manasa azy ireo ihany koa izahay hanaja ny fanekena nataony tamin’ny sehatra iraisam- pirenena fa hikatsaka fampandrosoana ara-toekarena mifantoka amin’ny olombelona, satria tsy misy firenena afaka mivoatra amin’ny fanaovana tsinontsinona ny ankamaroan’ny olom-pirenena ao aminy.

Manasa ireo lehilahy sy vehivavy ao amin’ny sehatry ny fampiharan-dalàna izahay mba hamoaka didim-pitsarana marina sy manaja ny rariny sy hitsiny ka hamaha ny olana momba ny fanararaotana, fampihazohazoana sy fampitahorana izay niaretan’ireo tantsaha ao Vohitsara sy Ambatolampy nandritra ny taona lasa.

Manentana ny manam-pahefana amin’ny sehatra rehetra izahay mba handray andraikitra amin’ny fampiharana ny lalàna amin’ny fomba hentitra sy manaja ny rariny ary handidy ny fanakatonana ny tetikasa DNI momba ny harena ankibon’ny tany (fikarohana sy fitrandrahana) ao Vohitsara.

Miantso ireo olom-pirenena sy fikambanana manerana izao tontolo izao izahay hanohana ireo vondrom- bahoaka any ifotony izay miady mba hiarovana ny zony amin’ny taniny eto Madagasikara.


Parisy, 12 Febroary 2018*

Ny Fikambanana miaro ny tany Malagasy - TANY
patrimoine.malgache@yahoo.fr ; http://terresmalgaches.info ; www.facebook.com/TANYterresm...

* : Ny faha-14 Janoary 2018 no nivoaka tamin’ny teny frantsay ity fanambarana ity.
Amin’ny faha-20 Febroary 2018 no handalo eo amin’ny Fitsarana Avo (audience en Appel) ny raharaha.


© Collectif pour la Défense des Terres Malgaches | généré dynamiquement par SPIP & Blog'n Glop.