Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika


Accueil > Newsletters > Filazam-baovao faha-106

Filazam-baovao faha-106

publié par Admin 2, le lundi 5 novembre 2018

Toutes les versions de cet article :

NY TANY MALAGASY SY NY FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA

FAMINTINANA

Satria tena zava-dehibe manan-danja amin’ny Malagasy ny tany, ary ny ankamaroan’ny mponina dia mitoetra any amin’ny faritra ambanivohitra, dia miantso ny olom-pirenena tsirairay ny Fikambanana TANY mba hampiditra ao amin’ny safidy hataony amin’ny andro fifidianana ny fandinihina ny fomba fijery sy tetikasan’ny kandidà momba ny tany.

Misy karazany samihafa ny mpandroba sy mpangorona tany eto Madagasikara izay manitsakitsaka ny zon’ny mponina any ifotony : ao ny Malagasy, ao ny mpandrahara mizaka zom-pirenena isa-karazany nipetraka teto Madagasikara hatry ny ela, ao ny orinasa izay avy any ivelany ny ankamaroan’ny petra-bolany, ka manofa tany, saingy nanomboka tamin’ny taona 2003 dia misy lalàna manome alalana hivarotra tany amin’ ny orinasa vahiny. Koa ny kandida tokony ho fidin’ny olompirenena dia izay kandidà manome toky fa hiaro ny tany malagasy, indrindra ho an’ny tantsaha, mba hampivoatra ny fambolena ara-pianakaviana.

Ny mponina iharan’ny fandrobàna sy fangoronana ny taniny dia manohitra izany amin’ny fomba samihafa mba hiarovana ny fananany sy hampandresena ny zony ara-drariny, saingy misy lalàna vaovao mametraka olana maro. Araky ny Fikambanana TANY, dia anisan’ny dingana voalohany tsy maintsy hizorana ao amin’ny tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika manaraka ny fanovàna ny Lalàm-panorenana manankery ankehitriny, izay nankatoavina tamin’ny taona 2010 nandritry ny fitondràna Tetezamita. Ny tokony ho esorina voalohany tao dia ilay fehezanteny ao amin’ny andininy voalohany milaza hoe : « Ny fombafomba sy ny fepetra mikasika ny fivarotana tany sy fampanofana tany amin’ny fomba maharitra ho an’ny vahiny dia ho faritin’ny lalàna » satria manokatra varavarana ho an’ny ahalasa ara-dalàna ny fivarotana ny tany navelan’ny razambe sy ho amin’ny fandroahana ny mponina any ifotony avy eo amin’ny taniny izay antom-pivelomany sy loharanom-bolany izany. Ny votoatin’ny Lalam-panorenana vaovao dia tokony hisian’ny fifampidinihina andraisan’ny olom-pirenena rehetra anjara.

Fanolorana

Raha mifantoka amin’ny fifidianana filohan’ny repoblika izay hatao afaka andro vitsivitsy ny filazam-baovao sy ny besinimaro amin’izao fotoana izao, misy kosa olom-pirenena any amin’ny faritra maro eto Madagasikara tandidomin’ny fahaverezan’ny taniny ato ato ary mety hitovy fiafaràna amin’ireo izay efa niharan’izany nandritry ny volana sy taona teo aloha.. Na inona na inona kabary tsara lahatra novelabelarin’ireo kandidà mba ahavoafidy azy, dia te-hanoritsoritra ny fikambanana TANY fa ny hevitr’izy ireo sy ny fikasàny momba ny tany malagasy, na ny tsy firesahany momba izany, dia manana lanja goavana ho an’ny fampandrosoana ny firenena sy ny hoavin’ny fianakaviana isa-tokatrano, koa miantso ny tsirairay haneho fahamalinana momba io lohahevitra io mandritry ny fanomanany ny fanatanterahana ny adidiny amin’ny maha-olompirenena azy.
 
Ireo karazana mpandroba sy mpangorona tany samihafa eto Madagasikara

  • Ny olompirenena amin’ny faritra rehetra eto Madagasikara dia samy mahafantatra tranga na efa niharan’ny fangoronan-tany mivantana nataona Malagasy, avy eo amin’ny manodidina na tsia, taranaka fianankaviana malaza na olo niha-nanakarena tampoka tanatin’ny fotoana fohy dia fohy, na nanjary natanjaka - na tsy maty manota mihitsy aza - taorian’ny nahazoany toerana teo amin’ny sehatra politika. Ny olana mampifanohitra fianakaviana 300 ao Soavinandriana anatin’ny faritra Itasy amina Ministra teo aloha no tena malaza indrindra (1), ao Amparihibe ao amin’ny faritra Analanjirofo kosa ny fokonolona mifanandrina amin’ny Ben’ny tanàna sy ny manam-pahefana hafa ao an-toerana. (2)
  • Misy mpandraharaha ara-toe-karena mizaka zom-pirenena isa-karazany, efa nipetraka ela teto Madagasikara, mifandray tendro amin’ireo mpitondra nifanesy, mifehy sy manidy mihitsy hatry ny ela mila ho ny seha-piharian-karena rehetra eto amin’ny firenena ary manitsakitsaka ny zon’ny olom-pirenena teo amin’ny tany. Ny fahatsiarovana iombonan’ny mponina dia matetika mitanisa ny zava-niseho manodidina ny orinasa FILATEX (3) tany amin’ny faritra maro, misy raharaha any amin’ny fitsaràna ifanolanan’ny fokonolona ao Salazamay ao Toamasina amin’ny orinasa TELMA kosa amin’izao fotoana izao any Atsinanana. (4)
  • Marobe ny fampanofàna tany ataon’ny Fanjakàna amin’ny fomba maharitra amina orinasa izay an’ny any ivelany ny ankamaroan’ny petra-bola ary mety mbola vao maika hitombo noho ny politikan’ireo mpitondra sy maniry ho tonga eo amin’ny fitondràna izay manao ho laharam-pahamehana ny fikarohana mpampiasa vola ao amin’ny tetikasa entiny hampandrosoana ny firenena. Ny voka-dratsin’izany eo amin’ny mponina voaraoka avy amin’ny taniny dia mitovy tsy misy valaka amin’ny ateraky ny fivarotana tany (5). Loza anefa fa ny tsikaritra dia tsy mankany amin’ny mponina velively ny vokatr’ireny tetikasa voalaza fa hitondra fampandrosoana ireny, ary tsy ampy vary iray venty ny tombony entiny ho an’ny firenena.
  • Misy koa ny fivarotana tany amin’ny orinasa vahiny hatramin’ny taona 2003 izay nisian’ny lalàna namela hanao izany varotra izany. Noraràn’ny fomba nentin-drazana sy ny lalàna anefa izany teo aloha. Eo ampahibemaso dia mivoadivoady ireo mpitondra fa tsy mivarotra ny tanindrazana sy ny tany nolovaina tamin’ny razana. Fa ny fitomboan’ny fikarohana sy ny vokany tsara tato anatin’ny volana farany dia hiafara amin’ny fahitàna porofo tsy azo ialàna momba ireo asa ratsy natao tamin’ny fampiasàna hafetsena toy ny findramana anarana Malagasy ho saro-tava.

Mipetraka any amin’ny faritra ambanivohitra ny ankamaroan’ny Malagasy : mamboly sy miompy ary manjono. Ny tsy fisian’ny filaminan-tsaina mikasika ny fananan-tany dia ampian’ny tsy fandriam-pahalemana nohon’ny asan-jiolahy trotraka manerana ny firenena (6) sy ny fiovan’ny toetr’andro, izay malaza tokoa fa anisan’ny iharan’izany mafy i Madagasikara (7) ka vao maika mampitombo ny fitaitainan’ny mponina any ambanivohitra sy ny fahasarotan’ny asan’ny tantsaha. Ny fitomboan’ny fahantran’ny ankamaroan’ny mponina izay tsapa sy heloin’ny olom-pirenena rehetra dia mifanohitra amin’ny fitomboan’ny harena arentirentin’ny olombitsy izay naparitaky ny gazety Forbes ny anaran’ny 10 manambe indrindra amin’izy ireo (8) ka hita fa anisan’ny lohalaharana ao ny kandidà iray sy olona tena akaiky ny kandidà amin’izao fifidianana filoham-pirenena aminy 7 novambra izao.

Tokony ho olona miaro ny tany malagasy no fidina hitondra

Eto Madagasikara, ny hany tompon-tany ekena ho ara-dalàna dia ireo izay manana titra sy kara-tany, vao avy nohamafisin’ny mpandray fanapaha-kevitra ny fitoavian’ny sandan’ireo taratasy roa ireo (9) rehefa avy nisy fifanolanana aman-taonany maro. Saingy misy fahasahiranana eo amin’ny fampiharana manoloana ny kolikoly (10), misy olana koa ateraky ny tsy fandrindràna ny vaovao sy ny fifanindrian’ny titra sy kara-tany indraindray eo amin’ny sombin-tany iray (9). Ny lalàna momba ny lazaina hoe tombotsoan’ny daholobe manginy fotsiny. Ka mahatonga ny tsy fahazoana antoka ny filaminana momba ny fananan-tany na ho an’ny olona manana ny iray amin’ireo taratasy ireo aza. Ankoatr’izay, na eo aza ny hetsika manokana fizaràna titra ataon’ny Ministera tompon’andraikitra (11) sy ny fanafainganana ny fanokafana Birao Ifotony ho an’ny Fananantany (BIF) mba hamoahana kara-tany faobe (12), dia mbola ambany dia ambany ny taha-n’ny sombin-tany manana titra sy kara-tany.

Ny olona tsy manana titra nanamaintimolaly efa an-taonany maro ireo tanin’olo-tsotra tsy vita titra izay monina amin’ny kaominina 1.000 tsy manana BIF - dia mety ho very tany tsy misy fanekena ny zony. Ankoatr’izay, dia misy toerana midadasika any amin’ny faritra maro izay mbola antsoina hoe “terrains coloniaux” (tanin’ny voanjo) sy « réserves indigènes » (faritra tehirizina ho an’ny teratany voazanaka) ary tsy afaka mangataka titra na kara-tany ny fianakaviana efa nanamaintimolaly ny tany teo efa ampolotaona maro. Ny kijàna be velarana izay efa nolazain’ny fanavaozana politikan’ny ny fananantany tamin’ny taona 2005 fa hanaovana lalàna ao anatin’ny tany manana sata manokana, dia omena ny vahiny manofa tany amin’ny fomba maharitra, tsy misy fanekena ny zon’ny mpiompy izay nampiasa azy, satria tsy heverin’ny manam-pahefana fa laharam-pahamehana izany eo amin’ny famolavolàna lalàna.

Satria ny mpitondra nifanesy nisafidy ny fanalalahana (libéralisation) sy ny hanome laharam-pahamehana ny mpampiasa vola eo amin’ny fomba hampandrosoana ny firenena, ary satria manao antso avo amin’ny vahiny hanofa sy hitoetra eo amin’ny tany malagasy izy ireo hatramin’ny tetikasa Daewoo tamin’ny taona 2008, dia matetika loatra no heverina ho toy ny tsy misy ny zon’ny fananan-tany araka ny fomban-drazana any amin’ny faritra samihafa : ireo olompirenena tsy manana ireo taratasy roa voalaza ireo, noho ny antony samihafa, izay mety ho tsy miankina amin’ny finiavany, dia antsoin’ny mpanam-bola sy ny matanjaka hoe « squatters » (mpipetraka mimaim-poana amin’ny tanin’olona), fomba filaza tsy azo ekena izany noho ny antony samihafa.

Mandritry ny fieritreretana izay ho fidina amin’ny faha-7 -ny volana novambra, ny mpifidy tsiarairay dia tokony samy hampiasa ho maso-tsivana hanilihina ao amin’ny safidiny ny fanamavoana ny ankamaroan’ny mponina asehon’ny kandidà sasany izay namela teo aloha na mikasa ao amin’ny vinany sy programany amin’ny hoavy hanafoana ny fananan-tany sy handroaka teo amin’ny taniny ary hanapotika ny tranon’ny fianankaviana malagasy, izay hiteraka ny fahaverezan’ny hany fitaovam-pamokarana ananany entina hivelona, satria tsy fandaharana mampandroso izany fa fandaharana mampahantra.

Ny fikarohana vaha-olana amin’ny fomba mavitrika sy ny famolavolàna lalàna miaro ny tombotsoan’ny ankamaroan’ny mponina, izay mikendry ny fanekena amin’ny fomba ara-dalàna ny zo nentin-drazana sy ny fananana iombonan’ny mpiara-monina ary ny famaranana amin’izay ny rafitra fanjanahan-tany no asa maika tokony hatrehina mandritry ny taona ho avy. Ireo kandidà izay mivoy vina sy mikendry karaza-piaraha-monina hanao an’i Madagasikara ho zanatany vaovao-n’ireo orinasa sy firenena vahiny dia tokony halavirina.(13)

Manoloana ny fitomboan’ny mponina eo amin’ny firenena sy ny hakelin’ny velaran-tany anananan’ny tantsaha malagasy - latsaky ny iray hekitara ny salan’isa (14) – dia tokony hanamora sy hanamaro ny fanomezana tany ho an’ny fianankaviana malagasy ireo mikasa hitondra firenena ao aoriana fa tsy andeha handoka ny fisian’ny tany an-tapitrisa-na hekitara tsy misy mampiasa mba hisintonana mpampiasa vola.

Fambolena ara-pianakaviana azo antoka fa hanome sakafo ho an’ny mponina aloha, aorian’izay vao manondrana any ivelany.

Mifindra-monina ny fianakaviana malagasy voaraoka avy amin’ny taniny sy kivin’ny tsy fandriam-pahalemana, mifindra any amin’ny tanàn-dehibe matetika satria manantena hahita asa any (15). Saingy tsizarizary ny fiainany rehefa tonga any noho ny tanàn-dehibe efa tototra olompirenena mahantra tsy manan-tany sy tsy mana-kialofana, moa misy fetrany ny isan’ny asa madinika azo atao. Io toe-javatra mibaribary any amin’ny toerana maro eto Madagasikara io no nahatonga ny kandidà vitsivitsy maniry ho filoham-pirenena hanambara fa hanome tany ny Malagasy izy rehefa lany. Saingy tsy nolazainy

- raha fepetra ho raisiny amin’ny fotoana fohy manokana izany na ho politika hampihariny amin’ny fomba maharitra,

- sy iza no hahazo izany tany izany : tantsaha Malagasy miasa araka ny fambolena ara-pianakaviana sa mpampiasa vola malagasy na/sy vahiny ?

Ny Filohan’ny repoblika vaovao dia tokony hanome vahana sy lanja ny fahavitan-tena ara-sakafo ao amin’ny politika ara-toekarenany mba ahafongotra ny fahantrana sy ny tsy fahampian-tsakafo eto Madagasikara.


Tamin’ny taona 2012 ny fikambanana TANY dia efa nanao tolokevitra ny hanomezana sy hametrahana any amin’ny kaominina tsirairay tany hatokana ho an’ny fampandrosoana ao an-toerana ary indrindra ho an’ny fambolena ara-pianakaviana, izay hany afaka miantoka, araky ny hevitray, ny fahampiana ara-sakafo sy ny fiandrianam-pirenena ara-sakafo ho an’ny taranaka ankehitriny sy hoavy. (16)

Ny fanomezana tany ho an’ny Malagasy, tanora sy be taona kokoa, araka ny fepetra samihafa, dia tokony hampiasaina mba hampitomboana ny velaran-tany voavoly ho an’ny sakafon’ny fianakaviana sy ny tsena eto amin’ny firenena aloha, ary ho an’ny fanondranana any ivelany avy eo. Tokony hanatsoahana lesona avy amin’ny andrana tsy nety teo aloha sy ny traikefa mamokatra amin’izao fotoana izao ireo fandaharana asa fametrahana fianakaviana amin’ny tany vaovao (17), amin’ny alalan’ny fanofanana sy fanomezana mpanolo-tsaina, ary amin’ny alalan’ny tan-tsoroka mba hananany ny lafin-javatra samihafa tena ilaina. Andraikitry ny fitondra-panjakàna tsy azony ialàna kosa ny fiantohana ny fandriam-pahalemana any amin’ireo faritra ambanivohitra mba tsy hanala ny faharisian’reo vao nifindra monina.

Sarotra ny fiainana sy ny asan’ny tantsaha Malagasy nefa izy no tokony hiantoka sy hanome fahafaham-po ny filàna ara-tsakafon’ny mponina an-tanàn-dehibe sy any ambanivohitra. Koa mendrika ho tohanan’ny olompirenena rehetra izy, tokony ho lohalaharana amin’izany ny Filohan’ny Repoblika ho avy. Noho izany dia tokony ho averina ho jerena amin’ny fomba hentitra ny « projets « présidentiels » tetikasan’ny filohan’ny repoblika, izay mananontanona handrava amin’izao fotoana izao ny tanimboly sy trano fonenana aman’arivon’hekitara, toy ny tetikasan’i Hydelec/Tozzi Green any Sahanivotry any Vakinankaratra (18), sy ny fanambaràna ho mahasoa ny daholobe nefa raharaha-na kaompania sy orinasa toa ny Toliara Sands/Base Toliara (19) any amin’ny faritra Atsimo-Andrefana, satria tena handrava ary hanapotika ny asa nilofosan’ny taranaka maro nifandimby izy ireo.

Famaranana

Ny Fikambanana TANY dia efa an-taonany maro no nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fanehoan’ny olompirenena tsirairay fahamalinana sy ny fandraisany anjara amin’ny fomba mavitrika amin’ny fitantanana sy fanaraha-maso ny tany malagasy. Tafiditra ao anatin’izany làla-kevitra izany ity sosokevitra androany hampiditra ny famakafakana ny foto-kevitra sy tetikasan’ny kandidà momba ny Fananan-tany sy Fambolena ho anisan’ny maso-tsivana entin’ny olom-pirenena tsirairay manapa-kevitra eo amin’ny safidy ataony rehefa hifidy ity. Ny fandraisan’anjara sy filazàn’ny olompirenena hevitra amin’ny alalan’ny fandatsahany vato rehefa fifidianana ary amin’ny alalan’ny fiambenany sy fanaovany fanakianana sy sosokevitra mandritry ny taona manontolo, no hany hitarika ny mpitondra hiasa bebe kokoa ho an’ny tombotsoan’ny vahoaka maro an’isa. Manantena ny fikambanana TANY fa handresy amin’ny tolona atrehiny ireo mponina tandindomin’ny fandroahana avy amin’ny taniny voaresaka ato amin’ity fanambaràna ity, sy ireo hafa tsy voatanisa.

Tena loza fa anaovan’ny tompon’andraikitra malagasy « fifanarahana » amin’ny mpanam-bola vahiny avokoa ny harena voajanahary malagasy. Miray feo amin’ireo rafitra sy fikambanana rehetra mangataka ny fanafoanana ilay tetikasa fitrandrahana ny harena anatin’ny ranomasina manodidina an’i Madagasikara kasain’ny fivondronana orinasa sinoa hatao amin’ny alàlan’ny sambo fanjonoana 330 ny fikambanana TANY ary mihevitra fa tokony ho fongorana io tetikasa io noho izy azo antoka fa hitondra fahapotehana sy faharavan’ny fidiram-bolan’ny mpanjono malagasy (20). Maro ny firenena eran’izao tontolo izao no manomana ny sakafo hohanin’ny mponina ao aminy amin’ny alalan’ny fikarohana harena voajanahary any ivelan’ny taniny. Aoka isika tsy hifidy mpitondra mety hanao varo-boba ny votoatin’ny ranomasintsika sy ny tany malagasy, izay anisan’ny harena iombonantsika tena sarobidy. Tena mampanontanona ny fitomboan’ny mosary eto Madagasikara amin’ny taona ho avy ao aoriana ireny tetikasa ireny.


Parisy, faha-5 novambra 2018

Ny Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy - Collectif pour la Défense des Terres Malgaches – TANY
patrimoine.malgache@yahoo.fr ; http://terresmalgaches.info ; www.facebook.com/TANYterresm....


Rakitra nanakarana hevitra

(1) https://www.lexpressmada.com/16/01/...
(2) http://matv.mg/andranofotsy-maroant... et http://www.terresmalgaches.info/spi...
(3) http://www.terresmalgaches.info/spi... et https://www.madagascar-tribune.com/...
(4) http://www.terresmalgaches.info/spi...
(5) http://www.terresmalgaches.info/spi... et http://www.terresmalgaches.info/spi...
(6) http://www.rfi.fr/afrique/20180306-...
(7) http://www.rfi.fr/afrique/20170701-...
(8) http://www.tresorpublic.mg/?revue-d...
(9) http://lalignedemire.info/article/C...
(10) http://www.newsmada.com/2018/10/18/...
(11) http://www.newsmada.com/2018/10/30/...
(12) http://www.midi-madagasikara.mg/eco...
(13) http://www.terresmalgaches.info/spi...
(14) http://www.rfi.fr/afrique/20171118-...
(15) https://les-yeux-du-monde.fr/actual... et http://blogs.worldbank.org/nasikili...
(16) http://www.terresmalgaches.info/spi...
(17) https://www.youtube.com/watch?v=IAs... ; https://www.youtube.com/watch?v=_0h... ; https://www.fert.fr/v2/wp-content/u... ;
(18) https://www.lakroa.mg/item-1501_art... et http://www.terresmalgaches.info/spi...
(19) http://www.terresmalgaches.info/spi... et http://www.terresmalgaches.info/spi...
(20) http://www.midi-madagasikara.mg/eco... ; http://matv.mg/accord-sur-la-peche-...


© Collectif pour la Défense des Terres Malgaches | généré dynamiquement par SPIP & Blog'n Glop.