Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika


Accueil > Newsletters > Fampahalalam-baovao faha-135

Fampahalalam-baovao faha-135

publié par Admin 2, le dimanche 9 février 2020

Toutes les versions de cet article :

TSY EKENA NY FANOMEZANA TANY 60.000 HEKITARA ETO MADAGASIKARA HO AMPIASAIN’NY ORINASA ELITE AGRO LLC AVY ANY AMIN’NY EMIRATS ARABO MITAMBATRA

Nanomboka tamin’ny fomba hafa kely ho an’ny Malagasy ny folotaona 2020 : tamin’ny 16 janoary 2020 dia nisy fampahafantarana voasonian’ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono manambara fa misy « fifanarahana lasitra » (Memorandum of Understanding ») vao avy nosoniaviana momba tany 60.000 hekitara ao Bas-Mangoky niaraka tamin’ny orinasa lehibe mitondra ny anarana hoe Elite Agro LLC izay any Abu Dhabi any amin’ny Emirats Arabo Mitambatra ny foibeny.

Inona avy no nolazain’ireo manampahefana samihafa hatramin’ny androany momba ity fifanarahana lasitra ity ? Inona no efa azontsika eritreretina amin’izao dingana izao, momba ity fomba fiaraha-miasan’ny Fanjakàna sy ny mpampiasa vola vahiny avy any ivelany izay mahafaoka velarantany malagasy midadasika ity ?

Fanambaràn’ireo tompon’andraikim-panjakàna miahotrahotra sy mifanohitra

Ny nahazoan’ny besinimaro vaovao voalohany momba ilay tetikasa dia tamin’ny alalan’ny fampahafantarana niparitaka ny faha-16 janoary :

« Ho fantanterahana ny Veliranon’ny Filohan’ny Repoblika momba ny fahavitan-tena ara-tsakafo ho an’i Madagasikara, indrindra amin’izao taona 2020 izao, izay hankalazantsika ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantena.

Ny Ministeran’ny fambolena, fiompiana ary ny jono dia niroso tamin’ny fitadiavana mpiara-miombon’antoka hanampy hanatrarana ny tanjona. Vita sonia araka izany ny fifanekena fiaraha-miasa lasitra (Memorandum of Understanding) eo amin’ny ministera sy ny vondron’orinasa lehibe « Elite Agro LLC » izay manana ny foibeny any Abu Dhabi, Emirats Arabes Unis.

Fiaraha-miasa ahafahana mitrandraka velaran-tany 60.000 hekitara any amin’ny faritra Bas-Mangoky, hambolena vary, katsaka, varim-bazaha, soja, pois de cap ary voanjo. Vinavinaina ho toy izao ny vokatra ho azo isan-taona, vary 350.000 taonina, katsaka 200.000 taonina, varimbazaha 150.000 taonina aty ampiandohana ary tombanana ho tafakatra 240.000 taonina izany aoriana, soja 300.000 taonina, pois de cap 20.000 taonina ary voanjo 30.000 taonina.

Ny endriky ny fiaraha-miasa dia tahaka izao : samy mitondra ny anjarany ny roa tonta, ka ny fanjakana malagasy no hiantoka ny tany amin’ny alalan’ny fampindramana ny tany amin’ny vondron’orinasa Elite Agro LLC ary ny vondron’orinasa kosa no hanao ny fambolena rehetra, hiantoka ny fitaovana rehetra amin’izany ary handoa ny karaman’ny mpiasa hiasa ao anatin’ny fambolena. Ny vokatra rehetra ksoa dia hovidian’ny fanjakana malagasy amin’ny vidiny mirary, araka ny hifanarahan’ny roa tonta ihany, ka sady hiantohana ny tsena anatiny hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo no haondrana ihany koa.

Marihana fa andrana aloha no hatao ao anatin’ny herintaona voalohany, ka raha mahomby ny fiaraha-miasa izay vao hiroso amin’ny fifanaraha-mpiaraha-miasa tena izy (contrat définitif) ny roa tonta aoriana. Hanomboka avy hatrany ity tetikasa ity rehefa nahazo ny fankatoavan’ny Filankevitry ny Minisitra ny 16 janoary 2020 teo.

Antananarivo, Alakamisy 16 janoary 2020 
Ny Minisitry ny Fambolena, Fiompiana ary Jono - RANARIVELO Fanomezantsoa Lucien »
(1)

Nitobaka ny fanontaniana sy fimenomenonana ary fanoherana avy amin’ny olona sy toerana maro teto Madagasikara ka niresaka ilay tetikasa ny Filohan’ny Repoblika raha nandray ny mpanao gazety ny faha-20 janoary, nampahalala fa haharitra 30 taona ny fifanekena. « Hahazo tombotsoa kokoa isika satria afaka tsy hanafatra any ivelany intsony sy tsy handoa saram-pitanterana intsony » hoy ny fanazavan’i Andry Rajoelina. (2)

Nitondra fanazavàna kokoa momba ny teboka samihafa ny fandaharana « Don-dresaka » ny alahady faha-26 janoary tao amin’ny fahitalavitra TVPlus natokana ho an’ilay lohahevitra, indrindra momba ny toerana misy ireo tany voakasika, ao amin’ny distrikan’i Manja ao amin’ny faritra Menabe, ery am-pitan’ny renirano Mangoky miohotra amin’ireo lemaka voafaritra nojarian’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana. (3)

Nandritr’io ady hevitra tao amin’ny fahitalavitra io dia nanambara ny mpiaro ny tetikasa iray fa tsy misy olona monina eo amin’ireo toerana toy ny efitra ireo (« déserts ») ka noho izany dia tsy misy olona hakàna hevitra mialoha. Ny Tale Jeneralin’ny Fambolena kosa dia nanindry fa misy tany midadasika malalaka any ka nandroso fa azo atao ny mametraka ilay tetikasa eny amin’ny toerana tsy misy mponina. Fa nandritry ny famelabelarana ho an’ny mpanao gazety kosa (4) nilaza ny Minisitry ny Fambolena, Fiompiana ary Jono fa misy olona mipetraka eny amin’ilay toerana na dia ambany aza ny « densité de la population » (isan’ny olona mipetraka isaky ny iray kilometatra toradroa) ary raha, noho ny antony teknika, voatery ho esorina ireo olona ireo dia tsy maintsy hisy fifanarahana hatao miaraka amin’ny mponina.

Ny fomba hanapoiran’ny tompon’andraiki-panjakàna ny vaovao tsikelikely toy ny rano mitete miaraka amina fisalasalàna sy hevitra mifanohitra dia tsy afaka hiteraka zavatra hafa noho ny tsy filaminan-tsaina sy fiahiahiana. Na ohatra aza ireo mpanapa-kevitra hoatry ny mampiseho fa manana antony mahatonga azy hieritreritra fa misy zavatra tsy fampiseho masoandro ao anatin’ilay Memorandum, dia toy ny ataon’ny olompirenena maro be, takianay ny fampahafantarana farany izay aingana ilay Memorandum manontolo amin’ny Malagasy rehetra amin’ny faritra rehetra sy eran-tany satria fananan’ny Malagasy rehetra ny faritanin’i Madagasikara.

Misy eritreritra azo zaraina ihany anefa miainga amin’ireo zava-pantatry ny daholobe tsy feno ireo.

Amin’ny toerana misy ny vaovao fantatra amin’izao fotoana izao, inona no azo eritreretina momba ity endrika fiaraha-miombon’antoka / raharaham-barotra ity ?

Etsy andaniny, sarotra ny hino ny zavatra rehetra voalaza, raha tsy hita ilay Memorandum voasonia, manoloana ny fahasamihafan’ny fanambarana mikasika ny fisian’ny fokonolona monina ao amin’ny faritra voakasika ohatra. Maro ireo olompirenena tsy dia matoky loatra ilay lazaina hoe andrana mandritry ny herintaona : raha toa ilay vondron’orinasa manomboka manatanteraka asa aingana araka ny voalaza fa nanomezany toky, iza no sahy hino fa handeha hiala tao amin’ilay toerana izy raha toa ka tsy mahomby ilay andrana ?

Etsy ankilany, ilay velarantany goavana entin’ny Malagasy ve ho raisina toa ny petra-bola manan-danja sa dia tena ho ampindramina na omena maimaimpoana tsy misy takalony ? Tsy resy ve ny Fanjakàna sy ny mpiara-monina malagasy satria ilay tetikasa hiteraka fanalàna velarantany goavana tsy ho azo ampiasain’ny mpiray tanindrazana, nefa ny Fanjakàna voatery hividy ny vokatry ny fambolena amin’ilay orinasa ? Ilay filazàna ankapobeny hoe « amin’ny vidiny mirary » dia toy ny setroka natao hanasavorovoroana sy hampatoriana. Ankoatr’izany, milaza ireo mpitondra fa io fomba fiasa io dia ahafahan’ny Fanjakàna malagasy tsy hampiasa vola vahiny amin’ny fanafàrana sakafo avy any ivelany (3) toy ny amin’izao fotoana izao. Fa ahoana kay ny fomba handoavan’ny Fanjakàna ny vidin’ireo vokatra ? Amin’ny Ariary, sa amin’ny alalan’ny takalo amina loharanon-karena avy any ambanin’ny tany sa avy amina fanomezana rano, sa avy amina fanomezana velaran-tany hafa ?

Avy eo dia lazaina fa ho vidian’ny Fanjakàna malagasy ny vokatry ny fambolena. Tsy fantatra mihitsy ny haloan’ny mpanjifa malagasy hividianana ny vary sy katsaka ary ny vokatry ny tany malagasy hafa. Raha ambony loatra dia tsy afaka hividy ireo sakafo hohanina eto amin’ny tsena anatiny ny ankamaroan’ny Malagasy, izay efa tena sahirana mafy amin’izao fotoana izao ka hitombo ny tsy fahampian-tsakafo manerana ny firenena. Raha ambany loatra kosa ny vidiny dia tena mety hanakivy sy aha-bankirompitra ny tantsaha malagasy.

Mikasika ny orinasa Elite Agro LLC, dia ao aoriana resahanay ny traikefany fantatra any amin’ny firenena hafa afrikanina, eoropeanina ary aziatika iasan’io orinasa io.

Tsipahanay ny fampiasàna io karazana fiombonana antoka io hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo

Ny fikambanana manasonia ity fanambaràna ity dia manohitra ny fanomezana tany malagasy ho ampiasain’ny rafitra vahiny – na olona io, na orinasa na firenena, na varotra na fampanofàna na fampindramana na fanomezana no raharaham-barotra atao, ary na manahoana na manahoana ny faharetan’ny fotoana hampiasàny azy.

Satria

  • Fananana iombonan’ny vahoaka malagasy ny tany fa tsy entam-barotra,
  • Latsaky ny iray hekitara ny salanisan’ny velarantany ananan’ny fianakaviana malagasy tsirairay hiasàna sy hivelomana ary hiainana,
  • Misy tantsaha malagasy tsy manan-tany,
  • Nitolona nanohitra ny fanjanahantany ireo tia tanindrazana tamin’ny andro fahiny mba hanana tany ho jariana amin’ny fomba mahaleotena ny taranaka ankehitriny sy hoavy fa tsy ho lasa mpikarama eny an-tsaha amin’ny vondron’ny vahiny mpampiasa vola sy ny orinasa vahiny maro rantsana.
  • Rehefa afindra monina ny vondron’ny mponina any ifotony, dia very tanteraka ny taniny, ny toeram-piainany, ny antom-pivelomany ary ny kolontsainy. Mitovy ihany ny vokany ho azy na ho toy inona na ho toy inona ny fahalavàny tapak’ireo mpandidy sy ireo mpanolo misitraka ny tany, na varotra na fanofana na fammpindramana na fanomezana no hifampiraharahana.


Fanampin’izany, amin’ity tranga iray manokana ity, dia tena tsy azo ekena ny fanapaha-kevitry ny filan-kevitry ny minisitra hampihatra avy hatrany ilay fifanekena fiaraha-miasa lasitra talohan’ny fampahalalàna sy fanontaniana ny hevitry ny mponina mety hiharan’ny vokatr’ilay tetikasa sy alohan’ny hanaovana ny fanadihadiana ara-teknika sy sosialy momba ny fiantraikan’ny tetikasa amin’ireo fokonolona voakasika (5). Ireo fianakaviana mivelona amin’ny fiompiana sy fambolena eo amin’ireo tany nomen’ny Fanjakàna an’i Elite Agro LLC ireo dia lehilahy sy vehivavy mendrika ny hajaina ny zony fototra, toy ny olona amin’ny firenena rehetra erantany.

Lavinay ny fifanekena fiaraha-miasa lasitra natao tamin’ny vondron’orinasa Elite Agro LLC satria tsy afaka hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, izay ny mamaritra azy dia ny « fahafahan’ny faritany iray manome fahafahampo ny filàn’ny mponiny amin’ny alalan’ny famokarany sy ny loharanon-karenany ». Eto amin’ity tetikasa ity anefa, ilay vondron’orinasa vahiny no lazaina fa hitondra ny kojakoja ilaina amin’ny fambolena, ny haitao ary ny ho enti-manana ara-pitaovana sy ara-bola.

Loza mitatao ity tetikasa ity

  • ho an’ny fahafahan’ny Malagasy mandia amina velarantany goavana eo amin’ny firenena mandritry ny am-polotaona maro,
  • ho an’ny tontolo iainana noho ny tsy fahalalantsika na inona na inona momba ny fomba famokarana hampiasaina (OGM, zezika simika, pesticides .. ?),
  • ho an’ny fahampian-tsakafon’ny fitambaran’ny mponina,
  • ary ho an’ny fivoaran’ny mpamboly sy mpiompy ary mpanjono izay mihoatra ny roa ampahatelon’ny mponina eto Madagasikara.

Toherinay mafy ny paik’ady nosafidian’ny mpitondra izay miantehatra indrindra amin’ny mpampiasa vola sy ny vondron’orinasa avy amin’ny firenena vahiny eran-tany amin’ny fambolena ny tany malagasy, fa tsy manao ho laharam-pahamehana ny fampiroboroboana ny hery velon’ny firenena amin’ny alàlan’ny fampitomboana isa hatrany ny fepetra fanohanana sy fanampiana ny tantsaha sy ny mpandraharaha avy eto an-toerana.

 04 Febroary 2020

CRAAD-OI : Centre de Recherches et d’Appui pour les Alternatives de Développement - Océan Indien
 craad.madagascar@gmail.com ; http://craadoi-mada.com

Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy - Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY 
 patrimoine.malgache@yahoo.fr ; http://terresmalgaches.info, www.facebook.com/TANYterresm...


© Collectif pour la Défense des Terres Malgaches | généré dynamiquement par SPIP & Blog'n Glop.