publié par Admin 2, le samedi 15 juin 2019
Voasambotra tamin’ny faha-2-n’ny volana mey 2019 ary naiditra am-ponja vonjimaika nanomboka tamin’ny faha-9-n’ny volana mey 2019 ny mponina sivy avy ao amin’ny tanànan’i Benetse sy Ampototse ary Tsiafanoke noho ny fandraisany anjara tamin’ny hetsika fanoherana ny tetikasa fitrandrahana fasimaintin’ny orinasa aostralianina Base Toliara izay niarahan’ny mponina avy amin’ireo tanàna ireo nanatontosa ny faha 17-n’ny volana aprily lasa teo. Natao ny zoma faha-7 jona 2019 tao amin’ny Fitsaràna ambaratonga voalohany tao Fianarantsoa ny fitsaràna an’i
1. Francklin RABEMANANJARA Edmond
2. Sosia Tsiasa
3. Nicolas Rajaonarivelo
4. Zazà
5. Tolomana Sasima dit Daody
6. Mborozy dit Redomo
7. Raphael
8. Ilaina Tovondrainy Martial
9. Hugo
Rehefa nisintona ny Fitsaràna ambaratonga voalohany tao Fianarantsoa ny faha-13 jona 2019, dia namoaka ny didy toy izao :
Ny fikambanana ao amin’ny firaisamonim-pirenena manasonia ity fanambaràna ity diamiarahaba-tena noho ny didim-pitsaràna izay mampiseho mazava ny fanajàna ny zon’ireo olona sivy nigadra hahazo fitsaràna manaja ny rariny sy ny hitsiny, ary ny fanekena marina ny fahafahana sy ny zo fototr’izy ireo omen’ny Fifanarahana Iraisam-pirenena momba ny Zon’Olombelona izay nankatoavin’i Madagasikara, indrindra fa ny zony hiaro ny antom-pivelomany sy ny taniny ary ny harena voajanaharin’ny firenena.
Maneho ny fankasitrahana sy ny fanajàna ireo tia tanindrazana sivy mirahalahy izahay noho ny herimpony sy ny fahavononany hiaro ny harena voajanahary ao amin’ny faritra misy azy sy hiaro ny zon’ny mpiara-monina amin’ny tanindrazany.
Manao antso avo amin’ny tompon’andrailkitra mahefa izahay mba hijery ny fanapaha-kevitry ny Fitsaràna ka hanome fahafaham-po tsy misy hatak’andro ny fitakiana ara-drariny ataon’ny mponina maro ao amin’ny distrikan’i Toliara II momba ny hampijanonana tanteraka ny tetikasa fitrandrahana fasimainty Base Toliara.
13 jona 2019
CRAAD-OI : Centre de Recherches et d’Appui pour les Alternatives de Développement - Océan Indien
craad.madagascar@gmail.com ; http://craadoi-mada.com
Fikambanana TANY miaronytany malagasy - Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY
patrimoine.malgache@yahoo.fr ; http://terresmalgaches.info, www.facebook.com/TANYterresm...