Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika


Accueil > Newsletters > Filazam-baovao faha-117

Filazam-baovao faha-117

publié par Admin 2, le lundi 15 avril 2019

Toutes les versions de cet article :

FANJANAHANTANY AMIN’NY ENDRINY VAOVAO
SY FIANKINAN-DOHA MAFY AMIN’NY HAFA
EO AMIN’NY LAFINY EKONOMIKA.

Famintinana

Ao anatin’ny fankalazana ny tsingerintaonan’ny fitroaran’ny Malagasy nanohitra ny fanjanahantany frantsay ny 29 martsa 1947, dia miray feo amin’ireo olom-pirenena marobe izay manontany tena hoe nataotsika inona ny fahaleovantenan’ny firenena izay nitolomana sy nandatsahan’ny mpiray tanindrazana ny rany ny fikambanana TANY miaro ny tany malagasy.

Ny fehintsoratra voalohany dia miverina amin’ireo zava-nitranga lehibe tamin’ny taona 2019, anisan’izany ny fifanakalozana teo amin’ny filoham-pirenena Malagasy sy Maorisiana tamin’ny volana marsa, mba hampisehoana fa ny Filohan’ny Repoblika Malagasy nisesy dia nifaninana tamin’ny fiantsoana ireo mpampiasa vola vahiny ho avy hangorona ny tany malagasy.

Avy eo dia hisy fitanisàna hetsika sy zava-nitranga tato anatin’ny 10 taona farany, fanapahan-kevitra sy tetikasa manahirana mifandraika amin’ny tany sy ny harena voajanahary eto Madagasikara mba hamaliana ny fanontaniana hoe "Endrika vaovaon’ny fanjanahantany ve no iainantsika amin’izao fotoana izao " ?

Ny tapany fahatelo dia miresaka ny fiantraikan’izany eo amin’ny vondron’olona any ifotony sy ny olompirenena Malagasy.

Misy fanehoana fangatahana sy soso-kevitra ary fanontaniana mitolaka amin’ireo manam-pahefana sy mpanapa-kevitra mba hanakanana ny firotsahany an-tsitrapo ho eo amin’ny toeran’ny voazanaka, ny fahasamihafana lehibe eo amin’ny vanim-potoanan’ny fanjanahantany sy ny amin’izao fotoana izao moa dia tamin’ny 1947, ny Malagasy niady nanohitra ny herin’ny mpanjanaka Frantsay, fa amin’izao taona 2019 izao kosa dia orinasa sy hery maro avy amin’ny kontinanta rehetra no mangorona ny tany sy mitrandraka ny loharanon-karena.


Fanolorana

Ny fitsingerenan’ny faha-72 taonan’ny fitraoran’ny Malagasy nanohitra ny fanjanahantany tamin’ny 29 martsa 1947 dia nomarihina tamin’ny fomba isan-karazany teto Madagasikara : fanaterana fehezam-boninkazo, fampisehoana maro samihafa, fanatanterahana adidy fahatsiarovana izay sady tokony hatao no mendri-kaja. Ny zava-nisy nahasarika ny sain’ny olona tamin’ity taona ity dia ny hamaroan’ny lahatsoratra navoakan’ny mpanao gazety sy olompirenena hafa izay nanontany momba ny nanaovantsika amin’izao fotoana izao ny fahaleovantenan’ny firenentsika, izay niadian’ny mpiray tanindrazana tamin’ny 1947 sy nandatsahany ny rany ny fahazoana azy mba hanafaka tamin’ny fanjanahantany ny tanindrazana nolovaina tamin’ireo razambe (1).
Ny Fikambanana TANY dia miray feo amin’ireo olom-pirenena ireo, mampahatsiahy tranga niseho vao aingana sy teo aloha, mizara fisaintsainana momba ireo endrika vaovaon’ny fanjanahantany ary manolotra sosokevitra mba hiarovana ny tany sy ny vahoaka malagasy.

Ny filoham-pirenena malagasy nifanesy dia nifaninana tamin’ny fiantsoana ireo mpampiasa vola vahiny ho tonga haka sy hibodo ny tany Malagasy.

Ny ekipa vaovao manam-pahefàna dia manatanteraka hetsika samihafa mba hampisehoana fa hafa noho ireo teo amin’ny fitondrana teo aloha izy, saingy indrisy fa betsaka ny fitoviana mahaketraka hita. Andeha ho tsaroantsika ! Vao lany Filoha tamin’ny volana Desambra 2013 Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina, nandritra ireo diany voalohany tany ivelany, tany Paris tamin’ny Marsa 2014, avy eo tany Afrika Atsimo, Israely sy Torkia tamin’io taona io ihany, dia nanasa ny mpampiasa vola ho avy hampiasa ny tany Malagasy. Dimy taona taty aoriana, tamin’ny volana marsa 2019, ny filoha Andry Rajoelina dia niteraka fitarainana avy amin’ireo olom-pirenena Malagasy manerana izao tontolo izao, eto Madagasikara, Kenya, Frantsa, hatraiza hatraiza, noho ny fanomezany ho ampiasain’ny firenena maorisianina tany 80 hektara ao amin’ny faritra indostrialin’i Moramanga. Ny Filohan’ny Repoblika malagasy tamin’io dia vahiny ofisialy nasaina tamin’ny faha-52 taonan’ny fahaleovantenan’ny firenena mifanolo-bodirindrina. Mandritra ny fitsidihana ofisialy toy izao, dia fomban’ireo filoham-pirenena roa tonta ny nifanakalo fanomezana izay matetika hampahafantarin’ny fampahalalam-baovao ny votoatiny. Tamin’ity indray mandeha ity, nanolotra 100.000 dôlara amerikanina ny firenena notsidihina mba hiadiana amin’ny kitrotro, ny Filohan’ny Repoblika Malagasy kosa nanao kabary mahagaga nanambara fitiavana, avy eo ny haino aman-jery kosa tsy niresaka fanomezana avy amin’ny filoham-pirenena malagasy ankoatra ny velaran-tany 80 ha sy ny fampanantenana hanondrana katsaka. Fanampin’izany, ny toerana misy ny tany voalaza fa omena hampiasain’ny Maorisianina dia ao Moramanga, izay tanàna fahatelo nomanin’ny fitondrana teo aloha hametrahana faritra ara-toekarena manokana (ZES). Manoloana ireo fanehoana ahiahy maro naterak’izany, dia tsy ampy hanala ireo tebiteby sy ahiahy ny fanambarana am-bava fa sady tsy fivarotana ny tany Malagasy no tsy ZES io 80 hekitara io.

Amin’izao toe-draharaha izao, toy ny voalaza ao amin’ny faran’ny Rakitra Fifanekena (Memorandum of Understanding) momba ny Sahan’i Ehoala, dia "fifanarahana-lasitra" (na accord-cadre) no voambolana ampiasain’ny manam-pahefana mifandraika amin’ireo tany natokana ho an’i Maorisy. Ny fampahafantarana amin’ny vahoaka sy daholobe ny antsimpiriany rehetra anatin’ireny "fifanarahana-lasitra" (na accord-cadre) ireny dia tsy azo ialàna fa hany làlana ahafahan’ny olom-pirenena mahafantatra ny votoatiny sy ny halalin’ny fanolorana sy fandaozana ny tanin’ny Malagasy ho an’ny vahiny.

Nitatitra fanambarana mahagaga nataon’Andriamatoa Filoham-pirenen’i Maorisy ny gazety milaza hoe "Ny fijerinay an’i Madagasikara dia tsy vitan’ny hoe firenena fametrahana mponina (pays de peuplement) fa mpiara-miombon’antoka ihany koa"

Ho an’ny mpamaky, ny "fametrahana mponina" dia toetra namaritana ireo nosy ao amin’ny Ranomasimbe Indiana nandritra ny vanim-potoanan’ny fanjanahantany mba hanazavana sy hanamarinana ny antso ho an’ny mponina avy any amin’ny firenena hafa mba hametrahana olona amin’ ireo faritra sy faritany ireo hiasa amin’ny fambolena sy fanorenana fotodrafitrasa ho an’ny tombotsoan’ireo hery mpanjanaka. Noho izany ity fanehoan-kevitra ity dia fampahatsiahivana manaitra sy mampihetsi-po ny fanjanahantany araka ny famaritana azy tamin’ny taonjato faha-19.

Fanjanahantany amin’ny endriny vaovao ?

Aoka isika samy hahatsiaro ! Tamin’ny vanim-potoana nisehoan’ny tetikasa Daewoo-Logistics tamin’ny taona 2008, dia nanoritsoritra ny hazakazaka fangoronana tany izay nahazo vahana eran-tany ho neokolonialisma ara-toekarena. ary nanameloka "ny fiverenan’ny rafitra neokolonialy" ny Talen’ny FAO - Fikambanana misahana ny Sakafo sy ny Fambolena ao amin’ny Firenena Mikambana (3). Nanao hetsika sy fanambaràna henjana hanoherana ity tetikasa ity ireo mpanohitra ny ekipan’ny filoha Marc Ravalomanana ary tonga teo amin’ny fitantanana ny firenena taorian’ny nianjeran’ny fitondràna (4). "Ny 18 martsa 2009, taorian’ny nahatongavany teo amin’ny fitondràna, dia niresaka ny Lalam-panorenana ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Teteza-mita, Andry Rajoelina, mba nanamarinana fa" tsy azo hamidy na hahofa "ny tany eto Madagasikara ary manamafy ny fampiatoana ny tetikasa Daewoo". Saingy tamin’ny taona 2010, nanapa-kevitra ny fitondràna Tetezamita fa hanova ny Lalam-panorenana ka ny dika farany niparitaka herinandro vitsivitsy talohan’ny fifidianana (referendum) dia nirakitra ao amin’ny andininy voalohany fa « ny fandaharana sy fepetra mikasika ny fivarotana tany amin’ny vahiny sy ny fampanofàna tany aminy mandritry ny fe-potoana maharitra dia faritin’ny lalàna ». Nahatonga ny fivarotana tany amin’ny vahiny hifanaraka amin’ny Lalam-panorenana izany. Ary ambonin’izany, io Lalam-panorenana io dia lasa manome antoka sy fanohanana ny lalàna momba ny fampiasam-bola 2007-036 (5) napetraky ny fitondràna Ravalomanana.

Ny tranga manan-danja hafa tena tokony tsy ho adino mikasika an’io vanim-potoana io dia ny fanambaràna an-tsoratra nataon’ny fikambanana tsy miankina Centre Europe-Iers-Monde (CETIM), ho an’ny Filankevitry ny Firenena Mikambana momba ny Zon’olombelona tamin’ny 8 May 2013 nanameloka ny fanomezana alàlana hitrandraka harena an-kibon’ny tany sy fampanofàna tany amin’ny fe-potoana maharitra ho an’ny orinasa iombonan’ny firenena maromaro tamin’ny fomba tsy ara-dalàna satria nifanohitra tamin’ny lalàna 2011-014 izay nandrara ny Fahefana Avon’ny Tetezamita tsy hanao fifanekena mamatotra ny firenena amin’ny lavitra ezaka. Misy amin’ireo orinasa ireo miasa amin’ny fomba ofisialy amin’izao fotoana izao, ny hafa kosa toa manatanteraka ny asany amin’ny fomba mangingina tsy mampandry saina. Nisy olompirenena nanao fampahatsiarovana tena mitombona fa tsy azo ekena ny famelan’ny tompon’andraikitra sy mpanatanteraka ireo orinasa manana fahazoan-dàlana tsy nanaja ny lalàna ireo hanohy ny asany.

Araka ny antontan-taratasin’ny CETIM, ireo fahazoan-dàlana nomena tamin’ny fomba tsy nanaja ny lalàna ireo dia :

 Orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany valo (8) izay misy

  • Maorisianina iray - Malagasy Minerals - ho an’ny fitrandrahana ny grafita any Atsimo,
  • Aostraliana roa - Toliara Sands ho an’ny fasimainty (ilmenite) any AtsimoAndrefana sy Aziana Ltd ho an’ny Oraniaoma (uranium) any Atsimo –
  • Indiana iray vondron’ny Varun Energy Corp any Atsimo Atsinanana,
  • Tailande iray : Pan African Mining any Atsimo Atsinanana,
  • Sinoa roa, Mainland Mining mitrandraka fasimainy amin’ny morontsiraka atsinanana sy Asia Thai Mining ho an’ny arina any Sakoa, any amin’ny faritra Atsimo Andrefana,
  • Tantalus Rare Earths hitrandraka Terres rares (na mineraly tsy fahita firy) any Avaratra Andrefana, orinasa alemana izay nahita olana tao Singapour rehefa namidy ny ampahany tamin’ny petrabolany tamin’ny taona 2017.
  • Orinasa sinoa mitrandraka solika Petrochina any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, akaikin’i Morondava,
  • Tozzi Green - orinasa Italiana – nanomboka namboly savoa (jatropha) izay tsy nahomby ka nitarika ny orinasa hamboly vokatra hafa. Ny fanomezana mariboninahitra ny Lehiben’ny orinasa Tozzi Green tamin’ny 1 febroary 2019, andro vitsivitsy taorian’ny fitokanana ho Filoham-pirenena an’Andriamatoa Andry Rajoelina, dia hotehirizin’ny Tantara.

Ny velarantany voakasik’ireo fifanekena voasonia tamin’ny taona 2012 ireo dia maherin’ny 3 tapitrisa hektara, izany hoe mihoatran’ilay 1,3 tapitrisa hektara tao amin’ny tetikasa Daewoo Logistics, ary tokony hampiana ny velarantany rehetra tamin’ny fifanarahana hafa fantatra sy tsy fantatra nosoniavin’ny fitondrana nifanesy. Misy tsaho nanomboka tamin’ny taona 2018 nilaza fa saika ny tany malagasy rehetra dia efa nomena ny vahiny avokoa. Ny Fikambanana TANY dia nanamafy indray ny fangatahany hampisehoana, amin’ny fomba mangarahara, amin’ny tranonkala iray, ny tanim-panjakàna rehetra efa namidy sy nampanofaina any amin’ny faritra rehetra eran’ny Nosy, mba hahalalan’ny olom-pirenena tsirairay ny tena toe-java-misy ankehitriny mikasika ny varotra sy ireo lazaina fa fampanofàna tany, miaraka amin’ny antsipirihan’ny fifanarahana, anisan’izany ny daty fiantombohana sy fiafaran’ny fifanaraham-panofàna tsirairay.

Momba ny ho avy, dia efa nisy fotoana nahafahan’ny Fikambanana TANY nizara ny votoatiny ’afenina’ ao amin’ny rakitra Fanentanana ho Fampivoarana an’i Madagasikara - I.E.M. (8). Mivoy ny fampitomboana isa ny Faritra Ekonomika Manokana (ZES) io fandaharan’asa io. Handroaka ny Malagasy izay monina any amin’ireo toerana ireo amin’izao fotoana izao anefa izany ary handrara ny fidiran’ny vondron’ny mponina any ifotony sy ny tantsaha eo an-toerana ary ny Malagasy rehetra izay tsy manana fifandraisana mivantana amin’ireo orinasa hitazona Faritra Ekonomika Manokana.

Ity rakitra Fanentanana ho Fampivoarana an’i Madagasikara - I.E.M. ity koa dia miresaka momba ny orinasa iarahan’ny mpandraharaha (vahiny) sy ny fanjakàna malagasy na ny sampany (société d’économie mixte) ho anisan’ny fitaovana fampandrosoana indrindra indrindra eo amin’ny sehatry ny fambolena (IEM page 151). Ny orinasa iombonan’ny roa tonta, izay fomba fanao mba ahafahan’ny teratany manana fifehezana kely ny mpampiasa vola vahiny sy mifampizara ny tombombarotra dia tena mety hampidi-doza rehefa dinihina miaraka amin’ny lalàna momba ny fampiasam-bola amin’izao fotoana izao, dia ny lalàna 2007-036 – izay mamela hividy tany malagasy ny orinasa manana petra-bola izay an’ny orinasa vahiny ny ankamaroany, raha toa ka manana mpiara-miasa malagasy izy ireo.

Noho izany, ny Fikambanana TANY dia manamafy ny fangatahany

  • ny hanovàna ny Lalàm-panorenana ankehitriny mba hanalàna ny votoatin’ny Andininy voalohany mifandraika amin’ny famindrana ny fananan-tany ho an’ny vahiny ;
  • ny hanafoanana ny lalàna 2007-036 sy izay mety ahafahana manome alàlana hividy tany eto Madagasikara ny orinasa vahiny manana ny ankamaroan’ny petra-bola, na miara-miasa amina Malagasy izy na tsia ;
  • ny hanafoanana ny lalàna 2017-023 momba ny Faritra Ara-toekarena Manokana (ZES) nolanian’ny Parlemanta nandritry ny fitondrana Rajaonarimampianina ;
  • hiara-miasa amin’ny rafitra vahiny fa tsy manome azy zo amin’ny tany na amin’ny alalan’ny ZES izany na amin’ny anarana hafa, satria ny tany, izay efa masina araka ny fahendrena sy fomban-drazan’ny Malagasy, noho ny antony samy hafa ara-toekarena sy ara-kolontsaina, dia vao maika nanjary manan-danja eran-tany hatramin’ny nisian’ny kirizy lehibe ara-tsakafo sy ara-bola tamin’ny taona 2008. Mikatsaka ny hahazo tany bebe kokoa hatrany amin’ny fomba isan-karazany ny firenena rehetra eran’izao tontolo izao, koa ny Malagasy izay manana tany dia tena tokony hitazona izany toy ny fananana sarobidy. Ny fandanianiam-poana ny fananana iombonan’ny mponina amin’ny alàlan’ny fanesorana aminy ny taniny ho an’ny tombontsoan’ny firenena sy mponina hafa dia mampiseho tsy fahafantarana ireo olana lehibe indrindra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’izao taonjato faha-iraikambi-roapolo izao sy fanaovana safidy tsy mahomby eo amin’ny paikady fampandrosoana eo amin’ny lafiny maro.(11)

Na ireo mpampiasa vola izay tadiavin’ny mpitondra firenena malagasy ho sarihina, ka mandoka sy mamporisika azy hanohy - satria ny safidy politika ataon’ ny manampahefàna malagasy tena mampety ny raharahany sy mifanaraka amin’ny tombontsoany - dia azo antoka fa manana fiheverana tsy dia tsara sy ambony loatra momba ireo mpanapa-kevitra Malagasy izay manolo-tena an-tsitrapo ho zanahana.
Ny fampivoarana politika mifantoka amin’ny fomba matotra amin’ny fitantanana ny tany Malagasy ho an’ny tombo-tsoan’ny Malagasy ary ny fitadiavana ny fomba samihafa ahafahan’ny Fanjakana manohana marina ny tantsaha sy ny vondrom-bahoaka any ambanivohitra, izay mihoatra ny 70% -n’ny mponina eto Madagasikara, amin’ny fanatsaràna ny famokaran’ny firenena eo amin’ny fambolena sy fiompiana ary jono no tokony ho laharam-pahamehana tokana sady lehibe indrindra. Ny resaka mikasika ny fisian’ny dika vaovao-n’ny I.E.M. ho avy dia mety hanome làlana iray sy mety ahafahana manantena ny hisian’ny fiovàna ara-politika hitodika amin’ny fanajàna be kokoa ny zon’ny Malagasy amin’ny taniny ary amin’ny fandaharan’asa ara-toekarena nasionaly izay tsy manilika ny ankamaroan’ny mponina sy tsy manaisotra ny Malagasy teo amin’ny taniny.

Inona no fiantraikan’izany amin’ny vondron’olona any ifotony sy amin’ny olompirenena malagasy ?

Ny rakitra I.E.M., izay niankinan’ny fampielezan-kevitra mialohan’ny fifidianana filoham-pirenena sy toa tsy mbola naparitaka tamin’ny daholobe hatramin’izao, dia tsy mahafantatra afa-tsy ny fambolena ara-indostrialy (agrobusiness). Ity fikasàna ity dia efa nampiseho ny tena ho endriny tamin’ny fanjavonan’ny Sampan-draharahan’ny Fanohanana ny Fikambanan’ny Tantsaha tao amin’ny rafitry ny fiandraiketan’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono nivoaka tamin’ny 6 Febroary 2019. Ireo safidy sy fanapahan-kevitra ireo dia mifanohitra tanteraka amin’ny Fanambaràna ny Zon’ny Tantsaha sy ny olon-kafa miasa any amin’ny faritra ambanivohitra izay nankatoavin’ny Firenena Mikambana ny 17 Desambra 2018 ary nankasitrahan’i Madagasikara tamin’ny fandatsaham-bato.

Ny Fikambanana TANY, izay nanohana hatrany ny fambolen’ny tantsaha mamokatra ara-pianakaviana, dia mangataka ireo manampahefana ao amin’ny Fanjakana Malagasy hanatanteraka aingana

  • etsy ankilany, ny famerenana io sampan-draharaha Fanohanana ny Fikambanan’ny Tantsaha ao amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy Fiompiana ary Jono io fa tsy hiandry fanavaozana ny governemanta ;
  • etsy andaniny, ny fanafainganana ho laharam-pahamehana ny fanohanan’ny fitondram-panjakana ny fambolen’ny tantsaha ara-pianankaviana mba tsy ho lasa mpikarama amin’ny mpandraharaha ka hiankina amin’ny asa an-tselika sy tsy maharitra, tsy hanana fahefana hanapa-kevitra intsony amin’ny asany ary tsy maintsy hividy sakafo eny an-tsena hamelomana ny fianankaviany fa tsy hihinana ny vokatr’asany ny tantsaha malagasy. Ireo orinasam-pambolen’ny mpandraharaha ara-indostrialy izay ankalazain’ny mpitondra malagasy ho rafitra famokarana eo amin’ny sehatry ny fambolena hamonjy ny firenena amin’ny mosary, dia tsy hamatsy asa marobe toy ny fambolena ara-pianakaviana.

Rehefa tsy nahitana vokatra nahafa-po ireo asa sy hetsika efa natao hatramin’izao, dia tsy voatery ho fanafoanana ny Sampan-draharaha Fanohanana ny Fikambanan’ny Tantsaha sy fandripahana ireo tantsaha mpamboly rehetra eto amin’ny nosy no vahaolana. Misy fandinihana lalina tsy maintsy hirosoana momba ny fanovàna tokony hatao mba hanatsaràna ny fahombiazana. Io nofinofin’ny fambolena indostrialy (agrobusiness) tantanan’ny orinasa vahiny mampiasa teknolojia maoderina io dia nitarika ireo tompon’andraikim-panjakàna nifanesy hivoy ny fananganana Faritra Fampiasam-bola ho an’ny Fambolena (Z.I.A) sy Faritra Ara-toekarena manokana (ZES), indrindra ho an’ny fambolena araka ny hita ao amin’ny IEM. Ny dingana voalohany amin’izany anefa dia ny fandroahana ny tantsaha sy ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana hiala teo amin’ny taniny. Aok’izay ! fa tokony hatsahatra ny fandroahana ireo teratany Malagasy hiala amin’ny taniny. Ny tany matetika no hany fananany, ary ny tany no fitaovam-pamokarana fototra ho an’ny tantsaha Malagasy. Ny fanonerana sy ny onitra ampanantenaina dia tsy hahasolo ny tany mihitsy. Ny fananganana sekoly sy tobim-pahasalamana dia anisan’ny adidin’ny fitondra-panjakana fa tsy tokony hampiasaina ho takalon‘ny fakàna sy fandrobàna ny tanin’ny mponina.
Tsy tokony ho fanomezana ny tany Malagasy hitoerana sy ho trandrahan’ny fitondram-panjakàna sy orinasa ary olona vahiny avy amin’ny firenena manankarena izay hampiasa ny Malagasy amin’ny karama ambany, toy ny tamin’ny andron’ny fanjanahantany no hataon’ny mpitondra Fanjakàna malagasy, fa kosa fandaminana ny fahafahan’ny Malagasy any amin’ny faritra rehetra hanana tany, amin’ny alalan’ny fanomezana ny ampahan’ny tanim-panjakàna ho an’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, fanolorana ny kaominina sy fokonolona ny fitantanana sy fanajariana ireo fananana iombonana, ho sombitany iombonana tsy azo hamidy, mba hiantohana ny fahaleovantenan’ny mponina ara-sakafo sy ny fidiram-bola amin’ny alàlan’ny fivarotana ny ambin’ny vokatra, mba tsy hanafatra poti-bary any ivelany.

Famaranana

Ny fankalazana ny fahatsiarovana ny 29 marsa 1947 dia nanome fahafahana ny rehetra hijery ny lasa mba hanomanana tsara kokoa ny hoavy. Nisy solontenam-panjakana ofisialy nilaza tao amin’ny lahateny iray fa mbola miatrika ady maro isika ankehitriny, anisan’izany ny ady amin’ny fahantrana.

Ny antony mahatonga ny fahasahiranan’ny mpitondra sy ny mponina amin’ny fandresena io ady iray io ve tsy mifamatotra amin’ny fizirizirian’ireo mpandray fanapaha-kevitra nifanesy handà tsy hisafidy politika ara-toekarena mahaleotena ? Tsy azo lavina ny fisian’ny tsindry ateraky ny fanatontoloana (mondialisation) sy ny liberalisma mibaha-toerana eran-tany saingy dia tena tsy mampiseho ezaka hanohitra izany na fampisehoana fahamendrehana ary fiarovana ny mponina sy ny firenena mihitsy ny mpanapa-kevitra sy mpitondra fanjakàna malagasy. Toa vao maika izy ireo mangataka sy mitalao mba hiankin-doha kokoa hatrany amin’ny mpampiasa vola vahiny, na manimba sy mandripaka ny tombotsoan’ny Malagasy aza izany. Ny fiatrehana ny tena zava-misy sy ny fananana hambopom—pirenena bebe kokoa dia mety hanakana tsy haka tahaka an’i Miami na Dubai : sady tsy mahatakatra izany ny fahafaha-mividy no tokony ho loharano hanovozan-kevitra mba hamoronana zava-baovao ny haren’ny kolontsaina Malagasy izay hankafizin’ny rehetra ny endriky ny tontolo amin’ny toerana maro sy ny hevi-dalina fonosin’ny fanorenana trano sy tanàna. Fantatr’ireo tompon’andraikitra rahateo anefa fa ny trosa rehetra dia tsy maintsy haloan’ny taranaka fara-mandimby, na ahoana na ahoana fomba hamerenana azy.

Ny elanelana misy dia tamin’ny 1947, nampiasa fitaovam-piadiana ny herin’ny mpanjanatany frantsay, fa amin’izao 2019 izao kosa ny firenena maro avy amin’ny kaontinanta rehetra no manao izay ahasodoka amin’ny alalan’ny orinasany sy ny volany. Ny mpitondra sy ny mpanapa-kevitra Malagasy dia tokony haka fepetra aingana dia aingana mba tsy hanao varo-boba ny harena voajanahary, tsy hanao sorona ny ankamaroan’ny mponina ary tsy hanome ny hafa ny tanin’ny Malagasy hatramin’ny metatra tora-droa farany na amin’ny alalan’ny fivarotana na amin’ny alalan’ny fampanofana mandritra ny am-polo-taona maro azo havaozina "mandrakizay".


Parisy, faha- 13 aprily 2019

Ny Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy - Collectif pour la défense des terres malgaches – TANY
patrimoine.malgache@yahoo.fr ; http://terresmalgaches.info ; www.facebook.com/TANYterresm...


Rakitra nanovozan-kevitra  :

(1) ohatra : https://www.newsmada.com/2019/03/30... ; http://www.lagazette-dgi.com/?p=27383 ; http://www.midi-madagasikara.mg/pol... ;
(2) https://www.lemauricien.com/article....
(3) https://journals.openedition.org/ec... ; https://nsae.fr/2008/12/16/daewoo-s... ; https://www.diploweb.com/Carte-glob....
(4) https://www.parismatch.com/Actu/Int...) : https://www.rts.ch/emissions/geopol...
(5) Lalàna 2007-036 and 18 sy 19 : http://www.droit-afrique.com/upload...
(6) https://www.cetim.ch/violations-des....
(7) http://www.midi-madagasikara.mg/eco...
(8) http://terresmalgaches.info/spip.ph...
(9) IEM pejy faha-151
(10) http://www.fao.org/family-farming/d... ;
https://uneseuleplanete.org/Le-mode...
(11) https://blogs.mediapart.fr/maximebo...
(12) Jereo ohatra : https://www.youtube.com/watch?v=ukB... ; http://www.fao.org/family-farming/n... ; http://www.inter-reseaux.org/public...
(13) https://undocs.org/A/C.3/73/L.30 ; http://www.fao.org/news/story/fr/it... ; https://viacampesina.org/fr/lassemb... ;
(14) http://www.moov.mg/actualites/econo... ;
https://www.lakroa.mg/item-1652_art... ;

style="color:#0000ff;">(8) http://terresmalgaches.info/spip.ph...
(9) IEM page 151
(10) http://www.fao.org/family-farming/d... ;
https://uneseuleplanete.org/Le-mode...
(11) https://blogs.mediapart.fr/maximebo...
(12) Voir par exemple : https://www.youtube.com/watch?v=ukB... ; http://www.fao.org/family-farming/n... ; http://www.inter-reseaux.org/public...
(13) https://undocs.org/A/C.3/73/L.30 ; http://www.fao.org/news/story/fr/it... ; https://viacampesina.org/fr/lassemb... ;
(14) http://www.moov.mg/actualites/econo... ;
https://www.lakroa.mg/item-1652_art... ;


© Collectif pour la Défense des Terres Malgaches | généré dynamiquement par SPIP & Blog'n Glop.